< Esta 1 >

1 Katika siku za utawala wa Ahasuero (huyu ni Ahasuero aliyetawala toka India hadi Ethiopa, zaidi ya majimbo 127),
Ary tamin’ ny andro nanjakan’ i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
2 katika siku hizo Mfalme Ahasuero aliketi katika kiti chake cha utawala katika ngome ya Shushani.
dia tamin’ izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
3 mwaka wa tatu wa utawala wake aliwaandalia sherehe viongozi na watumwa wake wote. Waliohudhuria katika sherehe hiyo walikuwa wakuu wa jeshi la Uajemi na Umedi, watu wenye vyeo, na viongozi wa majimbo.
tamin’ ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben’ ny miaramilan’ i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin’ ireo komandin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakany;
4 Mfalme akaweka wazi utajiri na utukufu wa ufalme wake na heshima ya ukufu wa ukuu alio upata kwa siku nyingi, kwa siku180.
ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.
5 Siku hizi zilipotimia, Mfalme aliaandaa karamu iliyodumu kwa siku saba. Karamu hii ilikuwa kwa watu wote walioishi katika ikulu ya Shushani, tangu mkubwa hadi mdogo. Behewa la bustani ya ikulu ya mfalme ndiyo karamu ilipofanyikia.
Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan’ ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin’ ny kianjan’ ny tanimbolin’ ny tranon’ ny mpanjaka;
6 Behewa la bustani lilipambwa kwa mapazia meupe ya pamba na urujuani, yalifungwa kwa kamba za kitani safi na zambarau, yakiwa yametundikwa kwa pete za fedha na nguzo za marimari. Kulikuwa na makochi ya dhahabu na fedha juu ya sakafu ya marimari, mawe mekundu na meupe, na ya manjano na meusi.
ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin’ ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin’ ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin’ ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.
7 Vinywaji viliandaliwa katika vikombe vya dhahabu. Na kila kikombe kilikuwa ni cha kipekee na kwa sababu ya ukarimu wa mfalme kulikuwa mvinyo mwingi.
Ary ny olona dia nampisotroina tamin’ ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka, ) ary betsaka ny divain’ andriana araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
8 Mfalme aliwambia wahudumu watu wagawiwe vinywaji kwa kila mtu kulingana na matakwa yake. Maana tayari mfalme alikuwa ametoa agizo kwa watumishi wa ikulu kuwafanyia wageni kulingana na matakwa ya kila mgeni.
Ary ny nisotroan’ ny olona dia araka ny tenin’ andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian’ ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan’ ny olona araka izay sitrapony avy.
9 Wanawake nao walikuwa wamealikwa katika karamu na Malkia Vashiti katika ikulu ya Mfalme Ahusuero.
Ary Vasty, vadin’ ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an’ ny vehivavy koa tao amin’ ny tranom-panjakana, izay an’ i Ahasoerosy mpanjaka.
10 katika siku ya saba moyo wa mfalme ulipokuwa na furaha kwa sababu ya mvinyo, aliwaagiza Mehumani, Biztha, Harbona, Bigtha, Abagtha, Zethari na Karkas (hawa saba ndio waliohudumu mbele ya mfalme)
Ary tamin’ ny andro fahafito, nony faly ny fon’ ny mpanjaka azon’ ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka,
11 kumleta Malkia Vashiti akiwa katika mavazi yake ya kimalkia. Akiwa na lengo la kuwaonyesha watu na maakida urembo wake, maana alikuwa mrembo.
ba hitondra an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
12 Pamoja na maagizo ya Mfalme, Malkia Vashiti alikataa kwenda kama alivyokuwa amewaagiza viongozi wake. Hivyo mfalme akakasirika sana; ghadhabu yake ikawaka ndani yake
Fa Vasty, vadin’ ny mpanjaka, nandà ny tenin’ ny mpanjaka nentin’ ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.
13 Mfalme akawandea wenye hekima, waliofahamu nyakati (kwa kuwa huu ndio uliokuwa utaratibu wa mfalme kuhusu wale waliokuwa watalaamu wa sheria na hukumu.
Dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan’ ny mpanjaka teo anatrehan’ izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;
14 Carshena, Shethar, Admatha, Tarshish, Meres, Marsena, na Memucan, majimbo saba ya Uajemi na Umedi walikuwa karibu na mfalme na walikuwa na vyeo vikubwa katika ufalme.
ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin’ i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin’ ny mpanjaka ka nipetraka tamin’ ny fitoerana aloha teo amin’ ny fanjakana):
15 Katika kutafsiri nini kifanyike kwa mjibu wa sheria kutoka na mgomo wa Malkia Vashiti dhidi ya agizo la mfalme Ahusiero kwa Malkia Vashiti.
Ahoana no hanaovana an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin’ ny tsindranolahy izy?
16 Mmoja wao aliyejulikana kwa jina la Memukani alisema mbele ya Mfalme na mbele ya viongozi, Malkia Vashiti hajamkosea tu mfame na wakuu na watu wote walio katika majimbo ya mfale Ahusiero.
Dia namaly Memokana teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin’ ny mpanjaka ihany no nanaovan’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin’ ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka;
17 kwa kuwa jambo la malkia litafahamika kwa wanawake wote. watawatendea waume zao vibaya. Watasema, 'Mfalme Ahusiero Malkia Vashiti hakumtii mme wake, Mfalme Ahusiero alipotaka ahudhurie mbele yake.'
fa hiely any amin’ ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon’ ny vadin’ ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an’ i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
18 Kabla ya siku hii wanawake wa wakuu wa Uajemi na Umedi walipata taarifa ya mgomo wa malkia Vashiti watawatendea waume zao, viongozi wa mfalme. kutakuwa na ghasia na nyingi hasira.
Ary na dia amin’ izao andro izao aza ny andriambavin’ i Persia sy Media, izay mandre ny nataon’ ny vadin’ ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin’ ny mpanapaka rehetra voatendrin’ ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
19 kama ni jambo jema kwa mfalme, ruhusu tangazo litolewe, na iwe katika sheria ya Waajemi na Wamedi, ambao haiwezi kutanguliwa, kwamba Vashiti hatakuja tena mbele za mfalme kama malkia. Nafasi ya Vashiti apewe mwingine ambaye ni bora zaidi ya Vashiti.
Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin’ ny mpanjaka ka hosoratana ao amin’ ny lalàn’ i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr’ i Vasty dia aoka homen’ ny mpanjaka ho an’ izay vehivavy hafa tsara noho izy.
20 Tangazo la mfalme litakapotolewa katika ufalme wote, wanawake wote watawaheshimu waume zao, tangu mwenye cheo hadi asiye na cheo.”
Ary raha torina eran’ ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn’ ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
21 Ushauri huu ulikuwa mzuri kwa mfalme na wakuu wengine, mfalme akafamya kama Memkani alivyopendekeza.
Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin’ i Memokana ny mpanjaka,
22 Akatuma barua katika majimbo yote ya mfalme, kwa kilajambo na andiko lake, na watu kwa makabila yao. Aliamuru kwamba kila mme awe msimamizi katika nyumba yake mwenyewe. Tangazo hili lilitolewa katika lungha ya kila mtu katika ufalme.
ka nampitondra taratasy izy ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.

< Esta 1 >