< Esta 3 >

1 Baada ya mambo haya, Mfalme Ahusiero alimpandisha cheo Hamani mwana wa Hammedatha mwagagi, na akaweka kiti chake cha ukuu juu ya wakuu wote waliokuwa pamoja naye.
Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr’ i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan’ ny an’ ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
2 Na watumishi wote wa mfalme waliokuwa katika lango la mfalme walipaswa kupiga magoti na kusujudia Hamani, kama mfalme alivyoagiza. Lakini Modekai hakupiga magoti wala kusujudu mbele ya Hamani.
Ary ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’ i Hamana; fa izany no didin’ ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
3 Kisha watumishi wa mfalme waliokuwa langoni mwa mfalme walimwambia Modekai, kwa nini hautii amri ya mfalme?
Dia hoy ny mpanompon’ ny mpanjaka izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka tamin’ i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin’ ny mpanjaka?
4 Walisema naye siku kwa siku, lakini alikataa kufuata matakwa yao. Hivyo wakaongea na Hamani kuona kama swala la Modekai lingebaki hivyo alikuwa amewataarifu kuwa Modekai alikuwa Muyahudi.
Nefa na dia niteny taminy isan’ andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain’ Ireo tamin’ i Hamana, mba hizahany na haharitra amin’ ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin’ ireo izy fa Jiosy.
5 Hamani alipoona kuwa Modekai hapigi magoti wala kumsujudia, alipatwa na hasira.
Ary rehefa hitan’ i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
6 Alikuwa na wazo la kumuua Modekai, watumishi wa mfalme walikuwa wamemueleza kuwa Modekai na jamaa zake walikuwa Wayahudi. Hamani akaazimu kuwaangamiza Wayahudi wote, watu wa Modekai, ambao walikuwa katika ufalme wa Ahusiero.
Ary nataon’ i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an’ i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen’ i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen’ i Mordekay.
7 Katika mwezi wa kwanza, (ambao ni mwezi wa Nisani) ndani ya mwaka wa kumi na mbili wa Mfalme Ahusiero, walipiga kura mbele ya Hamani kura kila siku na mwezi, kuchagua siku na mwezi hadi walipochagua mwezi wa kumi na mbili, (mwezi wa Adari.
Tamin’ ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan’ i Hamana ny amin’ ny isan’ andro isan’ andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany)
8 Kisha Hamani akamwambia mfalme Ahusiro, “kuna watu fulani katika majimbo yote ya ufalme wako wasiofuata sheria zako. Na kwa tabia yao ya kutofuata sheria zako hawapasi kuendelea kuwa hai.
Ary hoy Hamana tamin’ i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
9 Kama ikimpendeza mfalme, toa amri watu hawa wote wakatiliwe mbali, nami nitapima talanta elfu kumi za fedha katika mikono ya wale ambao ni wasimamizi wa maswala ya mfalme, ili kwamba waweke katika hazina ya mfalme.”
koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan’ ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka.
10 Ndipo mfamle akavua pete yake ya muhuri na kumpa Hamani, adui wa Wayahudi.
Dia nesorin’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, fahavalon’ ny Jiosy.
11 Mfalme akamwambia Hamani, “Nitahakikisha kwamba fedha inarudi kwako na kwa watu wako. Ili muitumie kama mpendavyo.”
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
12 Kisha waandishi wa mfalme walikusanyika katika siku ya kumi na tatu ya mwezi wa kwanza, na mbiu iliyokuwa na matakwa ya Hamani yalikuwa yameandikwa na kupelekwa kwa wasimamizi wa majimbo, na wale wote waliokuwa juu ya wasimamizi wa majimbo yote, na wasimamizi wa watu, na kwa kila jimbo kwa andiko lao, na kila watu na lugha yao. Mbiu hii ilikuwa imeandikwa kwa jina la mfalme Ahusiero na kupigwa muhuri wa pete yake.
Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian’ i Hamana ho an’ ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin’ ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin’ ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin’ ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka.
13 Barua hizi za kutaka kuwakatilia mbali Wayahudi wote zilizambazwa katika majimbo yote ya Mfalme Ahusiero, kuangamiza, kuua na kuwaharibu Wayahudi wote, tangu mdogo hadi mkubwa, watoto na wanawake, ndani ya siku moja katika siku ya kumi na tatu ya mwezi wa kumi na mbili (ambao ni mwezi wa Adari) na kuteka mali zo.
Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
14 Nakala ya ilifanywa kuwa sheria na kupelekwa kila jimbo. Taarifa juu ya maangamizi ya Wayahudi ilienea katika kila jimbo kwamba watu wote wajiandae katika siku hiyo.
Ny kopen’ ny teny izay natao didy ho amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan’ ny olona rehetra hampiomana azy ho amin’ izany andro izany.
15 Wasambazajia walisambaza agizo la mfalme. Tangazo hili pioa lilitolewa na kusambazwa katika mji wa Shushani. Mfalme alikuwa na Hamani walikaa na kunywa, lakini mji wa Shushani, lakini mjiwa Shushani ulikuwa katika uangamivu.
Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan’ ny tenin’ ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.

< Esta 3 >