< Waefeso 4 >

1 Kwa hiyo, kama mfungwa kwa ajili ya Bwana, nawasihi mtembee sawasawa na wito ambao Mungu aliwaita.
Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo,
2 Muishi kwa unyenyekevu mkuu na upole na uvumilivu. Mkichukuliana katika upendo.
amin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ ny fahari-po mifandefitra amin’ ny fitiavana,
3 Fanyeni bidii kuutunza umoja wa Roho katika kifungo cha amani.
mazoto mitana ny firaisana avy amin’ ny Fanahy amin’ ny fehim-pihavanana.
4 Kuna mwili mmoja na Roho moja, kama ambavyo pia mlikuwa mmeitwa katika uhakika wa taraja moja la wito wenu.
Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
5 Na kuna Bwana mmoja, imani moja, ubatizo mmoja,
iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
6 na Mungu mmoja na Baba wa wote. Yeye yuko juu ya yote, na katika yote na ndani ya yote.
iray Andriamanitra sady Rain’ izy rehetra, Izay ambonin’ izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’ izy rehetra.
7 Kwa kila mmoja wetu amepewa kipawa kulingana na kipimo cha kipawa cha Kristo.
Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’ i Kristy avy isika rehetra.
8 Ni kama maandiko yasemavyo: “Alipopaa juu sana, aliongoza mateka katika utumwa. Akatoa vipawa kwa watu.”
Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin’ ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ ny olona.
9 Ni nini maana ya, “Alipaa,” isipokuwa kwamba alishuka pia pande za chini za dunia?
(Ary ny amin’ ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin’ ny tany koa?
10 Yeye ambaye alishuka ni mtu yuleyule ambae pia alipaa mbali juu ya mbingu zote. Alifanya hivi ili uwepo wake uwe katika vitu vyote.
Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
11 Kristo alitoa vipawa kama hivi: mitume, manabii, wainjilisti, wachungaji, na waalimu.
Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
12 Alifanya hivi kuwawezesha waumini kwa ajili ya kazi ya huduma, kwa ajili ya kuujenga mwili wa Kristo.
ho fanatanterahana ny olona masìna, ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy,
13 Anafanya hivi hadi sisi sote tufikie umoja wa imani na maarifa ya mwana wa Mungu. Anafanya hivi hadi tuweze kukomaa kama wale waliofikia kimo kamili cha Kristo.
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ ny firaisan’ ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy;
14 Hii ni ili kwamba tusiwe tena kama watoto, tusirushwerushwe huku na huko. Ili kwamba tusichukuliwe na kila aina ya upepo wa fundisho, kwa hila za watu katika ujanja wa udanganyifu uliopotoka.
mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ ny saim-petsy ataon’ ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
15 Badala yake, tutaongea ukweli katika upendo na kukua zaidi katika njia zote ndani yake ambaye ndiye kichwa, Kristo.
fa mba hanaraka ny marina amin’ ny fitiavana ka hitombo amin’ ny ny zavatra rehetra ho amin’ izay Loha, dia Kristy;
16 Kristo ameunganisha, kwa pamoja, mwili wote wa waumini. Umeungamanishwa pamoja na kila kiungo ili kwamba mwili wote ukue na kujijenga wenyewe katika upendo.
Izy no itomboan’ ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan’ ny isan-tonony, araka ny fiàsan’ izay rehetra momba azy amin’ izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ ny fitiavana.
17 Kwa hiyo, nasema hili, na nawasihi katika Bwana: Msitembee tena kama watu wa mataifa wanavyotembea katika ubatili wa akili zao.
Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ ny jentilisa amin’ ny fahafoanan’ ny sainy;
18 Wametiwa giza katika mawazo yao. Wamefukuzwa kutoka katika uzima wa Mungu kwa ujinga ulio ndani yao kwa sababu ya ugumu wa mioyo yao.
fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ ny fiainan’ Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ ny fony,
19 Hawajisikii aibu. Wamejikabidhi wenyewe kwa ufisadi katika matendo machafu, katika kila aina ya uchoyo.
dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ ny fieremana.
20 Lakini, hivi sivyo mlivyojifunza kuhusu Kristo.
Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’ i Kristy,
21 Nadhani kwamba mmesikia kuhusu yeye. Nadhani kwamba mmekuwa mkifundishwa katika yeye, kama tu ukweli ulivyo ndani ya Yesu.
raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’ i Jesosy,
22 Lazima mvue mambo yote yanayoendana na mwenendo wenu wa zamani, utu wa zamani. Ni utu wa zamani unaooza kwa sababu ya tamaa za udanganyifu.
mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ ny fitaka;
23 Vueni utu wenu wa zamani ili kwamba mfanywe upya katika roho ya akili zenu.
fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ ny fanahin’ ny sainareo,
24 Fanyeni hivi ili muweze kuvaa utu mpya, unaoendana na Mungu. Umeumbwa katika haki na utakatifu wa kweli.
ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
25 Kwa hiyo, weka mbali udanganyifu. “Ongeeni ukweli, kila mmoja na jirani yake,” kwa sababu tu washirika kwa kila mmoja kwa mwenzake.
Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan’ ny momba ny tenan’ ny namantsika avokoa isika.
26 Mwe na hasira, lakini msitende dhambi.” Jua lisizame mkiwa katika hasira zenu.
Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
27 Msimpe Ibilisi nafasi.
Aza manome fitoerana ho an’ ny devoly.
28 Yeyote aibaye lazima asiibe tena. Badala yake ni lazima afanye kazi. Afanye kazi yenye manufaa kwa mikono yake, ili kwamba aweze kumhudumia mtu aliye na hitaji.
Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
29 Kauli mbaya isitoke kinywani mwenu. Badala yake, maneno lazima yatoke katika vinywa vyenu yafaayo kwa mahitaji, kuwapa faida wale wanaosikiliza.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ ny mihaino fahasoavana.
30 Na msimhuzunishe Roho Mtakatifu wa Mungu. Ni kwa Yeye kwamba mmewekewa muhuri kwa ajili ya siku ya ukombozi.
Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ ny andro fanavotana.
31 Lazima muweke mbali uchungu wote, ghadhabu, hasira, ugomvi, na matusi, pamoja na kila aina ya uovu. Iweni wema ninyi kwa ninyi.
Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;
32 Mwe na huruma. Msameheane ninyi kwa ninyi, kama vile Mungu katika Kristo alivyowasamehe ninyi.
ary aoka samy halemy fanahy amin’ ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ Andriamanitra ny helokareo ao amin’ i Kristy.

< Waefeso 4 >