< Torati 5 >

1 Musa aliwaita Israeli yote na akasema nao, “Sikiliza, Israeli, kwa amri na sheria ambazo nitasema katika masikio yenu leo, muweze kujifunza na kuzishika.
Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema mba hankatò azy.
2 Yahwe Mungu wetu alifanya agano nasi huko Horeb.
Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba;
3 Yahwe hakufanya agano hili pamoja na mababu zetu, lakini na sisi, sisi wote tu hai hapa leo.
tsy tamin’ ny razantsika no nanaovan’ i Jehovah izany fanekena izany, fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio.
4 Yahwe alizungumza nawe uso kwa uso kwenye mlima toka katikati mwa moto
Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin’ ny afo.
5 (Nilisimama kati ya Yahwe na wewe kwa wakati huo, kukufunulia wewe neno lake, kwa kuwa ulikuwa umeogopa kwa sababu ya moto, na haukwenda juu ya mlima), Yahwe alisema,
Izaho nitsangana teo anelanelan’ i Jehovah sy ianareo tamin’ izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin’ i Jehovah, fa natahotra noho ny fahitana ny afo ianareo ka tsy niakatra tao amin’ ny tendrombohitra, ka hoy Izy:
6 'Mimi ni Yahweh Mungu wako, niliyekutoa katika nchi ya Misri, kutoka nyumba ya utumwa.
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
7 Hautakuwa na miungu mingine mbele yangu.
Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
8 Hautajifanyia mwenyewe sanamu ya kuchonga wala mfano wa kitu chochote kilicho juu mbinguni, au kilicho chini ya dunia, au kilicho chini ya maji.
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin’ ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ ny tany ambany, na izay any amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
9 Hautavisujudia au kuvitumikia, kwa kuwa Mimi, Yahwe Mungu wako, ni Mungu wa wivu, Nawaadhibu uovu wa mababu kwa kuleta adhabu juu ya watoto, kwa kizazi cha tatu na cha nne cha wale wanichukiao,
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy,
10 na kuonesha agano la uaminifu kwa maelfu, kwa wale wanaonipenda na kushika amri zangu.
nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
11 Hautalichukua jina la Yahwe Mungu wako bure, kwa kuwa Yahwe hatamshikilia kuwa ana hatia yeye alichukuae jina bure.
Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
12 Zingantia siku ya Sabato kwa kuiweka takatifu, kama Yahwe Mungu wako alivyokuamuru.
Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
13 Kwa siku sita utafanya kazi na fanya kazi zako zote,
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
14 lakini siku ya saba ni Sabato kwa Yahwe Mungu wako. Kwa siku hiyo hautafanya kazi yoyote- si wewe, wala mwana wako, wala binti yako, wala mjakazi wako wa kiume, wala maksai wako, wala punda wako, wala mifugo wako, wala mgeni yeyote aliye katika malango yako. Hii ni kwamba mjakazi wako wa kiume na mjakazi wako wa kike wapate kumpuzika pamoja na wewe.
Fa Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’ izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan’ ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.
15 Utakumbuka katika akili yako kwamba ulikuo mtumwa katika nchi ya Misri, na Yahwe Mungu wako alikutoa kutoka huko kwa mkono wa uweza na mkono ulionyoshwa. Kwa hiyo Yahwe Mungu wako amekuamuru kuitunza siku ya Sabato.
Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
16 Mheshimu baba yako na mama yako, kama Yahwe Mungu wako alivyokuamuru kufanya, ili kwamba uweze kuishi muda mrefu katika nchi ambayo Yahwe Mungu wako akupa, ili kwamba iende kwa uzuri kwako.
Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
17 Hautaua,
Aza mamono olona.
18 hautazini,
Ary aza mijangajanga.
19 hautaiba,
Ary aza mangalatra.
20 hautashuhudia uongo dhidi ya ndugu yako.
Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
21 Hautamtamani mke wa jirani yako, hautatamani nyumba ya jirani yako, shamba lake, au mjakazi wake wa kiume, au mjakazi wake wa kike, maksai au punda wako, au chochote ambacho ni mali ya jirani yako.
Ary aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ ny namanao akory aza.
22 Haya maneno Yahwe alisema kwa sauti kubwa kwa kusanyiko lako lote kwenye mlima toka katikati mwa moto, mawingu, giza zito, hakuongeza maneno yoyote zaidi. Na aliandika chini kwenye mbao mbili za mawe na akanipa mimi.
Ireo teny ireo no nolazain’ i Jehovah tamin’ ny feo mahery tao amin’ ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin’ ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
23 Ilipokaribia, pindi uliposikia sauti toka katikati mwa giza, wakati mlima unawaka moto, kuwa mlikuja karibu nami, wazee wako wote, na wakuu wa makibila yako.
Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin’ ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ianareo, dia ny loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo,
24 Ulisema, Tazama, Yahwe Mungu wetu ametuonesha utukufu wake na ukuu wake, na tumeisikia sauti yake toka katikati mwa moto, tumeona leo kwamba wakati Mungu azungumza na watu, wanaweza kuishi.
ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain’ i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin’ ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ ny olona, nefa velona ihany izy.
25 Lakini kwanini tufe? Kwa kuwa mto huu mkuu utatutoshereza sisi; kama tutasikia sauti ya Yahwe Mungu wetu tena, tutakufa.
Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon’ i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
26 Kwa kuwa badala yetu kuna miongoni mwetu wa mwili ambao wamesikia sauti ya Mungu aliye hai akizungumza toka katikati mwa moto na kuishi, kama tulivyofanya?
Fa iza moa tamin’ ny nofo rehetra no efa nandre ny feon’ Andriamanitra velona niteny tao afovoan’ ny afo, tahaka antsika, ka velona ihany?
27 Kwenu ninyi, mnapaswa kwenda na kusikiliza kila kitu ambacho Yahwe Mungu wetu asema; rudia kwetu kila kitu ambacho Yahwe Mungu wetu asema kwenu; tutamsikiliza na kumtii.'
Manatòna ianao, ka mihainoa izay rehetra holazain’ i Jehovah Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain’ i Jehovah Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany.
28 Yahweh alisikia maneno yenu pindi mlipozungumza nami. Alisema na mimi, “Nimekwisha sikia maneno ya watu hawa, kile wanasema kwako. Kile walichosema kilikuwa kizuri.
Ary Jehovah nandre ny teninareo, raha niteny tamiko ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin’ ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy.
29 Oh, kulikuwa na moyo wa namba hiyo ndani yao, kwamba wataniheshimu na daima kushika amri zangu zote, ili iweze kuwa vizuri kwao na pamoja na watoto wao milele!
Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay
30 Nenda useme nao, “Rudini kwenye mahema.”
Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo ianareo.
31 Lakini kwenu, simama karibu nami, na nitakuambia amri zote, sheria, na maagizo ambayo mtawafundisha, ili kwamba waweze kuyashika katika nchi ambayo nitawapa kumiliki.'
Fa ianao kosa dia mijanòna eto anilako, ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika, izay hampianarinao azy mba harahiny any amin’ ny tany izay omeko azy ho lovany.
32 Utashika, kwa hiyo, kile Yahwe Mungu wenu amewaamuru; hamtageukia mkono wa kulia au kushoto.
Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia;
33 Mtatembea katika njia zote ambazo Yahwe Mungu wenu, amewaamuru ili kusudi muweze kuishi, na ili kwamba iweze kwenda vizuri kwenu, na kwamba muweze kuongeza siku zenu katika nchi ambayo mtaimiliki.
fa ny lalana rehetra izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin’ ny tany izay holovanareo.

< Torati 5 >