< Torati 32 >
1 Tega sikio, enyi mbingu, na niruhusu kuzungumza.
Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin’ ny vavako!
2 Acha dunia isikie maneno ya kinywa changu. Acha mafundisho yangu yamwagike chini kama mvua, acha usemi wangu udondoke kama umande, kama mvua tulivu juu ya majani laini, na kama mvua za manyunyu juu ya mimea.
Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin’ ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin’ ny anana.
3 Kwa maana nitatangaza jina la Yahwe, na kumpatia ukuu Mungu wetu.
Fa ny anaran’ i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan’ Andriamanitsika.
4 Mwamba, kazi yake ni kamili; kwa maana njia zake ni za haki. Yeye ni Mungu mwaminifu, hana udhalimu. Yeye ni wa haki na mwadilifu.
Ny amin’ ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin’ ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
5 Wamefanya yaliyo maovu dhidi yake. Wao sio watoto wake. Ni aibu kwao. Wao ni kizazi kiovu na kilichopindika.
Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny, tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy.
6 Je! Unamzawadia Yahwe kwa njia hii, enyi watu wapumbavu na msiojitambua? Je! yeye si baba yenu, yule ambaye aliwaumba? Aliwaumba na kuwaimarisha.
Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?
7 Kumbukeni siku zile za zamani, tafakari juu ya miaka mingi ya nyuma. Muulize baba yako naye atakuonyesha, wazee wako nao watakuambia.
Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin’ ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;
8 Pale ambapo Aliye Juu alipowapatia mataifa urithi wao – alipowagawa wanadamu wote, na kuweka mipaka ya watu, na alipoimarisha idadi ya miungu yao.
Fony nomen’ ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak’ olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin’ ireo firenena Araka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely.
9 Kwa maana fungu la Yahwe ni watu wake; Yakobo ni mgao wa urithi wake.
Fa anjaran’ i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
10 Alimpata katika nchi ya jangwa, na katika jangwa kame na livumalo upepo; alimkinga na kumtunza, alimlinda kama mboni ya jicho lake.
Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin’ ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.
11 Kama tai akichungaye kiota chake na kupiga piga mabawa juu ya makinda yake, Yahwe alitandaza mabawa yake na kuwachukua, na kuwabeba kwenye mapapatio yake.
Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin’ ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin’ ny elany,
12 Yahwe pekee alimuongoza, hapakuwa na mungu mgeni pamoja naye.
Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.
13 Alimfanya aendeshe katika maeneo ya juu ya nchi, na alimlisha matunda ya mbugani; alimrutubisha kwa asali kutoka kwenye jiwe, na mafuta kutoka kwenye mwamba mgumu sana.
Nampandeha azy teny ambonin’ ny havoana amin’ ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin’ ny vatolampy afovato
14 Alikula siagi kutoka katika kundi na kunywa maziwa kutoka katika kundi la mifugo, pamoja na mafuta ya wanakondoo, kondoo dume wa Bashani na mbuzi, pamoja na ngano safi kabisa – nawe ulikunywa divai itokayo povu iliyotengenezwa kwa juisi ya mizabibu.
Sy rononomandrin’ omby sy rononon’ ondry aman’ osy Mbamin’ ny tavin’ ny zanak’ ondry Sy ondrilahin’ i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin’ ny ran’ ny voaloboka ianao.
15 Lakini Yeshuruni akakua kwa unene na kupiga mateke – ulikua kwa unene, ulikua mnene sana, na ulikuwa umekula ujazo wako – alimuacha Mungu aliyemuumba, na kukataa Mwamba wa wokovu wake.
Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
16 Walimfanya Yahwe apatwe wivu kwa miungu yao ya ajabu; kwa maudhi yao walimkasirisha.
Nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny hafa Izy; Ary tamin’ ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;
17 Walitoa dhabihu kwa mapepo, ambayo sio Mungu – miungu ambayo hawajaijua, miungu ambayo imejitokeza hivi karibuni, miungu ambayo mababu zenu hawakuogopa.
Namono zavatra ho fanatitra ho an’ ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran’ ny razanareo.
18 Umetelekeza Mwamba, ambao ulikuwa baba yako, na ukasahau Mungu aliyekuzaa.
Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.
19 Yahwe aliliona hili na kuwakataa, kwa sababu watoto wake wa kiume na mabinti zake walimchokoza.
Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy.
20 “Nitaficha uso wangu kwao”, alisema, “nami nitaona mwisho wao utakuaje; maana wao ni kazazi kaidi, watoto ambao sio waaminifu.
Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
21 Wamenifanya kuwa na wivu kwa kile ambacho sio mungu na kunikasirisha kwa mambo yao yasiyo na maana. Nitawafanya waone wivu kwa wale ambao sio taifa; nitawakasirisha kwa taifa pumbavu.
Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin’ izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin’ ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin’ izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin’ izay firenena adala.
22 Kwa maana moto kuwashwa kwa hasira yangu na inawaka hadi chini mwa Sheoli; inameza ulimwengu na mavuno yake; inawasha moto misingi ya milima. (Sheol )
Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza. (Sheol )
23 Nitarundia maafa juu yao; nitafyatua mishale yangu yote kwao;
Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako:
24 Watapotea kwa njaa na kumezwa kwa joto liwakalo na uharibifu mchungu; nitatuma kwao meno ya wanyama wa mwituni, pamoja na sumu ya vitu vitambaao mavumbini.
Hofezahin’ ny mosary izy sady holanin’ ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran’ ny Isiraely. Mbamin’ ny poizin’ ny biby mpikisaka amin’ ny vovoka.
25 Nje panga litawatwaa, na ndani ya vyumba hofu kuu itafanya hivyo. Wote mwanamume kijana na bikra nitawaangamiza, mchanga anyonyaye, na mwanamume mwenye mvi.
Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin’ ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.
26 Nilisema nitawasambaza mbali, kwamba nitafanya kumbukumbu yao kukoma miongoni mwa wanadamu.
Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona,
27 Isingekuwa kwamba naogopa uchokozi wa adui, na kwamba adui zake wangehukumu kimakosa, na kwamba wangesema, “Mkono wetu umeinuliwa,” ningefanya haya yote.
Raha tsy ny fireharehan’ ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.
28 Kwa maana Israeli ni taifa linalopungukiwa na hekima, na hakuna ufahamu ndani mwao.
Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana.
29 Ah laiti wangekuwa na hekima, wangeelewa hili, na kuzingatia ujio wa hatima yao!
Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.
30 Inawezekanaje mmoja kufukuza maelfu, na wawili kuweka makumi elfu mbioni, isipokuwa Mwamba wao hajawauza, na Yahwe hajawaachilia kwao?
Hataon’ ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
31 Kwa maana mwamba wa maadui zetu si kama Mwamba wetu, kama vile maadui zetu wanavyokiri.
Fa tsy mba mitovy amin’ ny Vatolampintsika ny vatolampin’ ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.
32 Kwa maana mzabibu wao unatoka kwenye mzabibu wa Sodoma, na kwenye mashamba ya Gomorra; na zabibu zake ni zabibu za sumu; vishada vyao ni vichungu.
Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok’ i Sodoma Ary avy ao amin’ ny sahan’ i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony.
33 Mvinyo yao ni sumu ya nyoka na sumu katili ya nyoka.
Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin’ ny dragona, Ary poizina loza avy amin’ ny bibilava.
34 Huu mpango haujafichwa kwangu kwa siri, na kufungwa kabisa katika hazina zangu?
Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?
35 Kisasi ni changu kutoa, na fidia, katika muda mguu wao utakapotereza; kwa maana siku ya maafa kwao ipo karibu, na vitu vitakavyokuja juu yao vitaharakisha kutendeka.
Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
36 Kwa maana Yahwe atatoa haki kwa watu wake, na atawahurumia watumishi wake. Atahakikisha kuwa nguvu yao imetoweka, na hakuna atakayesalia, iwe watumwa au watu huru.
Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.
37 Kisha atasema, “wako wapi miungu yao, mwamba ambao wamekimbilia? –
Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,
38 miungu iliyokula sadaka zao nene na kunywa mvinyo wa sadaka zao za kinywaji? Na wainuke na kukusaidia; na wawe ulinzi kwako.
Izay nihinana ny saboran’ ny fanatiny Ary nisotro ny divain’ ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.
39 Tazama sasa mimi, hata mimi, ni Mungu, na kwamba hakuna mungu tofauti yangu; ninaua, na ninaleta uhai; ninajeruhi, na ninaponya, na hakuna mtu atakayekuokoa kutoka kwa uwezo wangu.
Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin’ ny tanako.
40 Kwa maana ninainua mikono yangu mbinguni na kusema, “Niishivyo milele, nitatenda.
Fa manangana ny tanako amin’ ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:
41 Nitakapong’oa panga langu lingaaro, na mkono wangu utakapoanza kuleta haki, nitalipiza kisasi juu ya maadui zangu, na kuwalipa wale wote wanichukiao.
Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain’ ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.
42 Nitafanya mishale yangu kulewa na damu, na panga langu litameza nyama kwa damu ya waliouawa na mateka, na kutoka kwa vichwa vya viongozi wa adui.”
Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran’ ny voavono sy ny babo Mbamin’ ny lohan’ izay lehibe amin’ ny fahavalo.
43 Furahi, enyi mataifa, na watu wa Mungu, kwa maana atalipiza kisasi damu ya watumishi wake; atalipiza kisasi juu ya maadui zake, naye atafanya upatanisho kwa ajili ya nchi yake, kwa watu wake.
Mihobia, ry jentilisa mbamin’ ny olony; Fa ny ran’ ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an’ ny taniny sy ny olony.
44 Musa alikuja na kunena maneno yote ya wimbo huu masikioni mwa watu, yeye na Yoshua mwana wa Nuni.
Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin’ izany fihirana izany teo anatrehan’ ny olona, dia izy sy Hosea, zanak’ i Nona.
45 Kisha Musa alimaliza kunena maneno haya yote kwa Israeli yote.
Ary nony efa tapitra voalazan’ i Mosesy tamin’ ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,
46 Aliwaambia, “Imarisheni akili yenu kwa haya maneno ambayo nimewashuhudia kwenu leo, ili kwamba muwaamuru watoto wenu kuyashika, maneno yote ya sheria hii.
dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
47 Kwa maana hili si jambo dogo kwako, kwa sababu ni uzima wako, na kupitia jambo hili utarefusha siku zako katika nchi ambayo unakwenda juu ya Yordani kumiliki.”
Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
48 Yahwe alizungumza na Musa katika siku hiyo hiyo na kusema,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe:
49 “Nenda katika usawa huu wa milima wa Abarimu, juu ya mlima wa Nebo, ambao upo katika nchi ya Moabu, mkabala na Yeriko. Utatazama nchi ya Kanani, ambayo ninawapatia watu wa Israeli kama miliki yao.
Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin’ ny tany Moaba tandrifin’ i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak’ Isiraely ho lovany.
50 Utakufa katika mlima utakaopanda, na utakusanywa kwa watu wako, kama Haruni Muisraeli mwenzako alivyokufa juu ya mlima wa Hori na kukusanywa kwa watu wake. Hii
Dia aoka ho faty ao amin’ ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin’ ny razanao, tahaka ny nahafatesan’ i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin’ ny razany,
51 itatendeka kwa sababu haukuwa mwaminifu kwangu miongoni mwa watu wa Israeli katika maji ya Meriba kule Kadeshi, katika jangwa la Zini; kwa sababu haukunitendea utukufu na heshima miongoni mwa watu wa Israeli.
satria nivadika tamiko teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ianareo tao amin’ ny ranon’ i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ianareo.
52 Kwa maana utaona nchi mbele yako, lakini hautakwenda kule, katika nchi ninayowapatia watu wa Israeli.”
Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin’ ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely.