< Torati 3 >

1 Kisha tuligeuka na kwenda njia ya juu Bashani. Ogi, mfalme wa Bashani, alikuja na kutuvamia, yeye na watu wake wote, kupigana huko Edrei.
Dia niverina isika ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan’ i Basana, mbamin’ ny vahoakany rehetra.
2 Yahwe aliniambia mimi, “Usimuogope; kwa kuwa nimekupa ushindi dhidi yake na nimewaweka watu wake wote na nchi yake chini ya utawala wako. Utamfanya kama ulivyomfanya Sihoni, mfalme wa Amorites, aliyeishi Heshbon.
Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
3 Kwa hiyo Yahwe Mungu wetu pia alitupa ushindi dhidi ya Ogi mfalme wa Bashani, na watu wake wote waliwekwa chini ya utawala wetu. Na tulimpiga mpaka kufa na hakuna yoyote wa watu wake walibaki.
Dia natolotr’ i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan’ i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza.
4 Tulichukua miji yake yote kwa wakati huo; hapakuwa na mji hata mmoja ambao hatukuchukua kutoka kwao: miji sitini - mikoa ya Argobi yote, ufalme wa Ogi Bashani.
Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin’ izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan’ i Oga tany Basana.
5 Hii ilikuwa miji iliyoimarishwa na kuta ndevu, malango, na vizuizi, hii ilikuwa licha ya vijiji vingi sana vilivyokuwa havina kuta.
Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro.
6 Tuliviangamiza kabisa, kama tulivyofanya kwa Sihoni mfalme wa Heshbon, kabisa tuliangamiza kila mji- wanaume na wanawake na watoto wadogo.
Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin’ ny isan-tanàna mbamin’ ny zaza amim-behivavy.
7 Lakini ng'ombe wote na mateka ya miji, tilichukua kama mateka wetu.
Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin’ ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.
8 Kwa wakati huo tulichukua nchi kutoka kwenye mkono wa wafalme wawili wa Amorites, waliokuwa ng'ambo ya pili ya Yordani, kutoka kwenye bonde la Arnon kwenda mlima wa Hermoni,
Ary nalaintsika tamin’ izany andro izany tamin’ ny mpanjaka roan’ ny Amorita ny tany izay any an-dafin’ i Jordana, hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona
9 (Mlima wa Hermoni, Wasidonia huita Sirioni, na Wamorites huita Seniri)
Hermona nataon’ ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira,
10 na miji yote ya tambarare, yote Gileadi, na yote Bashani kupita njia yote ya Salekah na Edrei, miji ya ufalme wa Ogi huko Bashani”.
dia ny tanàna rehetra amin’ ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin’ ny fanjakan’ i Oga tany Basana.
11 (Kwa mabaki ya Refaimu, mfalme Ogi pekee wa Bashani alikuwa amebaki. Tazama! Kitanda chake kilikuwa cha chuma. Hakuna huko Rabbah, ambako wazao wa Ammoni waliishi? Ilikuwa dhiraa tisa urefu na dhiraa nne upana, hiyo njia walitumia watu kupima.)
Fa Oga, mpanjakan’ i Basana, ihany no sisa velona tamin’ ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban’ ny taranak’ i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon’ ny lehilahy.
12 “Hili eneo ambalo tulichukua kumiliki kwa wakati huo-kutoka Aroer, kwamba ni kwa bonde la Arnon, na nusu ya nchi ya mlima wa Gileadi, na miji yake-Nilimpa Reubenites na kwa Gadites.
Ary io tany io dia azontsika tamin’ izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan’ i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
13 Waliobaki wa Gileadi na Bashani yote, ufalme wa Ogi, Niliwapa nusu kabila la Manasseh: kwa wote wa Argob, na Bashani yote. (Eneo hilo linaitwa nchi ya Refaim)
ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan’ i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen’ i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe tanin’ ny Refaïta izany.
14 Jair, mzao wa Manasseh, alichukuwa mkoa wote wa Argob, kuelekea mpaka wa Geshunites na wa Maacathites. Aliita mkoa hata Bashani kwa jina lake, Havvothi Jair, hadi leo.)
Jaïra, zanak’ i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’ izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaïra, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).
15 Nilimpa Gileadi kwa Machir.
Ary Gileada dia nomeko an’ i Makira.
16 Kwa Reubenites na kwa Gadites nilitoa eneo kutoka kwa Gileadi kuelekea bonde la Arnon- katikati mwa bonde ni mpaka wa eneo- na kuelekea mto wa Jabbok, ambao umepakana ni wazao wa Ammoni.
Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin’ ny amoron’ ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin’ ny taranak’ i Amona,
17 Moja ya mipaka mingine pia ni tambarare ya bonde la mto wa Yordani, kutoka Chinnerethi kuelekea bahari ya Arabah(ambayo ni bahari ya Chumvi) kuelekea miteremko wa mlima wa Pisgah mashariki.
ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin’ i Pisga, dia ao atsinanany.
18 Nilikuamuru wewe kwa wakati huo, kusema, Yahwe Mungu wako amekupa nchi hii kuimiliki, wewe, wamaume wote wa vita, watapita wakiwa na silaha mbele ya ndugu zako, watu wa Israeli.
Ary nandidy anareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.
19 Lakini wake zenu, watoto wenu, na ng'ombe zenu (najua ya kuwa una ng'ombe wengi) watabaki katika miji yenu niliyowapa,
Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo,
20 mpaka Yahwe awape pumziko ndugu zenu, kama alivyo kwenu, mpaka wamiliki pia nchi ambayo Yahwe Mungu wenu anawapa ng'ambo ya pili Yordani, kisha mtageuka, kila mtu wenu, kwa mali zenu ambazo nimekwishawapa.
mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin’ i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin’ ny taniny avy, izay nomeko anareo.
21 Nilimwamuru Yoshua kwa wakati huo, kusema, 'Macho yenu yameona yote yale Yahwe Mungu wenu amefanya kwa hawa wafalme wawili; Yahwe atafanya hivyo kwa falme zote kote mtakakoenda.
Dia nandidy an’ i Josoa aho tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon’ i Jehovah amin’ ny fanjakana rehetra izay halehanao.
22 Hamtawaogopa, kwa kuwa Yahwe Mungu wenu ndiye atakaoawapigania.'
Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
23 Nilimsihi Yahwe kwa wakati huo, kusema,
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe:
24 'O Bwana Yahwe, umeanza kumuonesha mtumwa wako ukuu wako na mkono wako wa hodari; kwa kuwa nani mungu aliyeko huko mbinguni au duniani ambaye anaweza kufanya kazi zilezile kama ilivyofanya, na matendo yaleyale makuu?
Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin’ ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
25 Hebu niende juu, Ninakuoma, na nione nchi nzuri ambayo ng'ambo ya pili ya Yordani, ile nchi nzuri ya mlima, na pia Lebanoni.
Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin’ i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.
26 Lakini Yahwe alikuwa amenikasirikia mimi kwa sababu yenu, hakunisikiliza mimi. Yahwe alisema kwangu, “Hebu hii iwe ya kutosha kwako - usizungumze zaidi tena kwangu kuhusu jambo hili.
Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin’ izany zavatra izany ianao.
27 nenda juu ya kilele cha Pisgah na uinue macho yako magharibi, mashariki, kusini na mashariki; tazama kwa macho yako kwa kuwa hautaenda zaidi ya Yordani.
Miakara eo an-tampon’ i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao;
28 Badala yake, mwelekeze Yoshua na kumtia moyo na kumuimarisha, kwa kuwa ataenda zaidi mbele ya watu, na atawasababisha kuirithi nchi ambayo mtaiona.
fa mandidia an’ i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan’ ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao.
29 Kwa hiyo tulibaki katika bonde mkabala mwa Beth Peor.
Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin’ i Beti-peora isika.

< Torati 3 >