< Amosi 7 >

1 Hivi ndivyo ambavyo Bwana Yahwe alivyonionyesha. Tazama, aliumba kundi kubwa la nzige wakati wa kuchipuka kwa mmea, na, tazama, ulikuwa ni mmea wa mwisho baada ya mavuno ya mfalme.
Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin’ ny voalohan’ ny nitsimohan’ ny kolokolon’ ahitra Izy; ary, indro, kolokolon’ izay nojinjana ho an’ ny mpanjaka izany.
2 Wakati walipomaliza kula mbogamboga za nchi, kisha nikasema, “Bwana Yahwe, tafadhali nisamehe; Je Yakobo ataishije? kwa kuwa yeye ni mdogo sana.”
Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin’ ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
3 Yahwe akapunguza hasira kuhusu hili. “Haitatokea,” akasema.
Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.
4 Hivi ndivyo ambavyo Bwana Yahwe alivyonionyesha: Tazama, Bwana Yahwe aliita juu ya moto kuhukumu. Nao ukakausha sana, kilindi chini ya dunia na kutaka kuitekeza nchi, pia.
Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin’ ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.
5 Lakini nikasema, “Bwana Yahwe, acha tafadhali; Yakobo ataishije? Kwa kuwa yeye ni mdigo sana.”
Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
6 Yahwe akagairi kuhusiana na hili, “Hili halitajitokeza pia,” asema Bwana Yahwe.
Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.
7 Hivi ndivyo ambavyo Yahwe alivyo nionyesha: Tazama, Bwana amesimama karibu na ukuta, pamoja na uzi wa timiza kwenye mkono wake.
Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin’ ny manda natao amin’ ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.
8 Yahwe akanambia, “Amosi, unaona nini?” nikasema, “Uzi wa timazi.” Kisha Bwana akasema, “Tazama, nitaweka uzi wa timazi miongoni mwa watu wangu Israeli. Sintowaharibu tena.
Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin’ ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;
9 Mahala pa juu pa Isaka pataharibiwa, patakatifu pa Israeli pataangamia, na nitainuka juu ya nyumba ya Yeroboamu kwa upanga.”
Dia ho foana ny fitoerana avon’ Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin’ Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak’ i Jeroboama.
10 Kisha Amazia, yule kuhani wa Betheli, akatuma ujumbe kwa Yeroboamu, mfalme wa Israeli: “amosi amefanya njama dhidi yako katikati ya nyumba ya Israeli. Nchi haiwezi kubeba maneno yote haya.
Dia naniraka tany amin’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin’ ny taranak’ Isiraely, ary tsy zakan’ ny tany ny teniny rehetra,
11 Kwa kuwa hivi ndivyo asemavyo Amosi, 'Yeroboamu atakufa kwa upanga, na hakika Israeli itakwenda utumwani kutoka nchi yake.”'
satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa ny Isiraely.
12 Amazia akamwambia Amosi, “Mwonaji, nenda, kimbia irudie nchi ya Yuda, na hapo ule mkate na kutabiri.
Ary hoy Amazia tamin’ i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ ny tanin’ ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;
13 Lakini usitabiri tena hapa katika Betheli, kwa kuwa ni patakatifu pa mfalme na nyumba ya kifalme.”
fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin’ ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
14 Kisha Amosi akamwambia Amazia, “Mimi sio nabii wala mwana wa nabii. Mimi ni mchungaji wa mifugo, na mtunza mikuyu.
Dia namaly Amosa ka nanao tamin’ i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,
15 Lakini Yahwe akanichukua kutoka kuchunga mifugo na kunambia, 'Nenda, katabiri kwa watu wangu Israeli.'
saingy nalain’ i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin’ ny Isiraely oloko.
16 Sasa sikia neno la Yahwe. Wewe usemaye, 'Usitabiri juu ya Israeli, na usiongee juu ya nyumba ya Isaka.
Ka mba henoy ny tenin’ i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak’ Isaka;
17 Kwa hiyo hivi ndivyo Yahwe asemavyo, 'Mke wako atakuwa kahaba katika mji; wana wako waume na binti zako wataanguka kwa upanga; nchi yako itapimwa na kugawanywa; utakufa katika nchi najisi, na Israeli hakika itakwenda utumwani kutoka nchi yake.”'
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin’ ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin’ ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa.

< Amosi 7 >