< 2 Samweli 3 >
1 Kulikuwa na vita ya mda mrefu kati ya nyumba ya Sauli na nyumba ya Daudi. Daudi akaendelea kupata nguvu zaidi, lakini nyumba ya Sauli iliendelea kudhoofika na kuthoofika.
Ary naharitra ela ny adin’ ny tamingan’ i Saoly sy ny tamingan’ i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan’ i Saoly kosa nihahosa.
2 Wana wakazaliwa kwa Daudi huko Hebron. Mzaliwa wake wa kwanza alikuwa Amnoni, kwa Ahinoamu wa Yezreeli.
Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;
3 Mwanawe wa pili, Kileabu, alizaliwa kwa Abigaili, mjane wa Nabali wa Karmeli. Wa tatu, Absalomu, alikuwa mwana wa Maaka, binti Talmai, mfalme wa Geshuri.
ary Kileaba, tamin’ i Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora;
4 Mwana wa nne wa Daudi, Adoniya, alikuwa mwana wa Hagithi. Mwanawe wa tano alikuwa Shefatia mwana wa Abitali,
ary ny fahefatra dia Adonia, zanak’ i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak’ i Abitala;
5 na wa sita, Ithreamu, alikuwa mwana wa Egla mkewe Daudi. Hawa wote walizaliwa kwa Daudi huko Hebroni.
ary ny fahenina dia Jitreama, tamin’ i Egla, vadin’ i Davida. Ireo no naterak’ i Davida tao Hebrona.
6 Ikawa wakati wa vita kati ya nyumba ya Sauli na nyumba ya Daudi Abneri akajifanya mwenye nguvu katika nyumba ya Sauli.
Ary raha mbola niady ny tamingan’ i Davida sy ny tamingan’ i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin’ ny tamingan’ i Saoly.
7 Sauli alikuwa na suria jina lake Rispa, binti Aiya. Ishboshethi akamuuliza Abneri, “Kwa nini umelala na suria wa baba yangu?”
(Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin’ i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin’ i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon’ ikaky?
8 Hata ikawa Abneri akakasirika sana kutokana na maneno ya Ishboshethi naye akasema, “Je mimi ni kichwa cha mbwa wa Yuda? Ninaonesha uaminifu kwa nyumba ya Sauli, baba yako, kwa jamaa yake, na rafiki zake, kwa kutokukuweka katika mkono wa Daudi. Na bado leo unanishutumu kuhusu mwanamke.
Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin’ Isboseta, ka hoy izy: Lohan’ alika no miandany amin’ ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan’ i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan’ i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin’ iny vehivavy iny?
9 Mungu na anifanyie hivyo, Abneri, na kuzidi, ikiwa sitafanya kwa Daudi kama Yahwe alivyomwapia,
Hataon’ Andriamanitra amin’ i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’ i Jehovah tamin’ i Davida,
10 kuuhamisha ufalme kutoka nyumba ya Sauli na kukisimika kiti cha enzi cha Daudi juu ya Israeli na juu ya Yuda, kutoka Dani hadi Beersheba.”
ka hampiala ny fanjakana amin’ ny tamingan’ i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan’ i Davida amin’ ny Isiraely sy amin’ ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
11 Ishboshethi hakuweza kumjibu Abneri neno tena, kwani alimuogopa.
Dia tsy nahavaly an’ i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
12 Kisha Abneri akatuma wajumbe kwa Daudi kusema, “Nchi hii ni ya nani? Fanya agano nami, nawe utaona kwamba mkono wangu uko nawe, kuiIeta Israeli yote kwako.”
Ary Abnera dia naniraka olona tany amin’ i Davida niaraka tamin’ izay hanao hoe: An’ iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.
13 Daudi akajibu, “Vema, nitafanya agano nawe. Lakini neno moja ninalolitaka kutoka kwako ni kwamba hautauona uso wangu usipomuleta kwanza Mikali, binti Sauli, unapokuja kuonana nami.”
Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin’ i Saoly.
14 Kisha Daudi akatuma wajumbe kwa Ishboshethi, mwana wa Sauli, kusema, “Nipe Mikali, mke wangu niliyetoa kwa ajili yake govi mia moja za Wafilisti.”
Ary Davida naniraka olona nankany amin’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy.
15 Hivyo Ishboshethi akatuma kwa Mikali na kumchukua kutoka kwa mme wake, Paltieli mwana wa Laishi.
Ary Isboseta naniraka naka an’ i Mikala tany amin’ i Paltiela vadiny, zanak’ i Laisy.
16 Mme wake akafuatana naye, huku akilia, akaendelea hadi Bahurimu. Kisha Abneri akamwambia, “basi sasa rudi nyumbani.” Hivyo akarudi.
Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.
17 Abneri akaongea na wazee wa Israeli kusema, “Zamani mlitaka Daudi awe mfalme wenu.
Ary Abnera efa niteny tamin’ ny loholon’ ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’ i Davida ho mpanjakanareo;
18 Basi sasa fanyeni hivyo. Kwa maana Yahwe alisema kuhusu Daudi kusema, “Kwa mkono wa Daudi mtumishi wangu nitawaokoa watu wangu Israeli kutoka katika mkono wa Wafilisti na kutoka katika mkono wa adui zao wote.”
koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’ i Davida hoe: Amin’ ny tànan’ i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ ny tanan’ ny Filistina sy amin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra.
19 Pia Abneri akasema na watu wa Benjamini ana kwa ana. Kisha Abneri akaenda kuongea na Daudi huko Hebroni akaeleza kila jambo ambalo Israeli na nyumba yote ya Benjamini walitamani kulitimiza.
Ary Abnera efa niteny tamin’ ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin’ i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian’ ny Isiraely sy ny taranak’ i Benjamina rehetra hatao.
20 Wakati Abneri na watu ishirini kati ya watu wake walifika Hebroni kumuona Daudi, Daudi akaandaa sherehe kwa ajili yao.
Dia tonga tany amin’ i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’ i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
21 Abneri akamweleza Daudi, “Nitainuka na kukukusanyia Israeli wote, bwana wangu mfalme, ili kwamba wafanye agano nawe, kwamba utawale juu ya yote unayotaka.” Hivyo Daudi akamruhusu Abneri kuondoka, Abneri akaondoka kwa amani.
Ary hoy Abnera tamin’ i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’ izay rehetra irin’ ny fonao. Ary Davida nampandeha an’ i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
22 Kisha askari wa Daudi na Yoabu wakarudi kutoka katika kuteka nyara na wakaja na nyara nyingi. Lakini Abneri hakuwepo Hebroni pamoja na Daudi. Daudi alikuwa amemruhusu kuondoka, na alikuwa ameondoka kwa amani.
Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an’ i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin’ i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
23 Wakati Yoabu na Jeshi lote walipofika, Yoabu aliambiwa, “Abneri mwana wa Neri alikuja kwa mfalme, na mfalme amemruhusu kuondoka, naye Abneri ameondoka kwa amani.”
Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin’ i Joaba hoe: Tonga tao amin’ ny mpanjaka Abnera, zanak’ i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
24 Kisha Yoabu akaja kwa mfalme na kusema, “Umefanya nini? Tazama, Abneri alikuja kwako! Kwa nini umemruhusu kuondoka, naye amenda?
Ary Joaba nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
25 Haujui kwamba Abneri mwana wa Neri alikuja kukudanganya na kupeleleza hali yako na kuangalia kila unalofanya?”
Fantatrao anefa ny amin’ i Abnera, zanak’ i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
26 Yoabu alipoondoka kwa Daudi, alituma wajumbe kumfuatia Abneri, nao wakamrudisha kutoka katika kisima cha Sirah, lakini Daudi hakulijua hili.
Dia nivoaka Joaba avy tao amin’ i Davida ka naniraka olona hanaraka an’ i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin’ ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr’ i Davida izany.
27 Abneri aliporudi Hebroni, Yoabu alimchukua kando kati ya lango ili aongee naye faraghani. Hapohapo Yoabu alimchoka tumboni na kumuua. Hivyo, akalipa kisasi cha damu ya Asaheli nduguye.
Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
28 Daudi alipolisikia jambo hili akasema, “Mimi na ufalme wangu hatuna hatia mbele za Yahwe daima, kuhusiana na damu ya Abneri mwana wa Neri.
Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan’ i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin’ ny ran’ i Abnera, zanak’ i Nera.
29 Hatia ya damu ya Abneri na iwe juu ya Yoabu na nyumba yote ya baba yake. Na asikosekane katika familia ya Yoabu mtu mwenye vidonda, au mwenye ukoma, au kirema atembeaye kwa fimbo au aliyeuawa kwa upanga au mwenye kukosa chakula.”
Hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’ izany; ary tsy ho tapaka amin’ ny taranak’ i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin’ ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
30 Hivyo Yoabu na Abishai nduguye wakamwua Abneri, kwa sababu alimwua Asaheli ndugu yao vitani huko Gibeoni.
Toy izany no namonoan’ i Joaba sy Abisay rahalahiny an’ i Abnera noho ny namonoany an’ i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin’ ny ady.
31 Daudi akamwambia Yoabu na wote waliokuwa pamoja naye, “Rarueni mavazi yenu, jivikeni nguo za magunia, na muomboleze mbele ya mwili wa Abneri.” Na mfalme Daudi akaufuata mwili wa Abneri wakati wa mazishi.
Ary hoy Davida tamin’ i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan’ i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.
32 Wakamzika Abneri huko Hebroni. Mfalme akalia kwa sauti katika kaburi la Abneri, na watu wote pia wakalia.
Dia nandevina an’ i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin’ ny fasan’ i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
33 Mfalme akamwombolea Abneri naye akaimbo, “Je ilipasa Abneri afe kama afavyo mpumbavu?
Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an’ i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan’ ny adala va no tokony ho nahafatesan’ i Abnera?
34 Mikono yako haikufungwa. Miguu yako hakuwa imefungwa minyororo. Kama mtu aangukavyo mbele ya wana wa uovu, ndivyo ulivyoanguka.” Watu wote wakamlilia zaidi.
Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok’ izay asian’ ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray.
35 Watu wote wakaja kumtaka Daudi ale wakati kungali mchana, lakini Daudi akaapa, “Mungu na anifanyie hivyo, na kuzidi, ikiwa nitaonja mkate au chochote kabla jua halijazama.”
Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an’ i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
36 Watu wote wakaiona huzuni ya Daudi, na ikawapendeza, hivyo kila alichokifanya mfalme kikawapendeza.
Ary azon’ ny vahoaka rehetra ny hevitr’ izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon’ ny mpanjaka.
37 Hivyo watu wote na Israeli wote wakatambua siku hiyo kwamba haikuwa nia ya mfalme Abneri mwana wa Neri afe.
Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin’ izany andro izany fa tsy avy tamin’ ny mpanjaka no nahafaty an’ i Abnera, zanak’ i Nera.
38 Mfalme akawaambia watumishi wake, “je hamjui kuwa mtu mkuu ameanguka leo hii katika Israeli?
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin’ ny Isiraely?
39 Nami leo nimedhoofika, japokuwa nimetiwa mafuta kuwa mfalme. Watu hawa, wana wa Seruya ni hatari sana kwangu. Yahwe na amrudishie mwovu kwa kumlipa kwa ajili ya uovu wake kama anavyostahili.
Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak’ i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.