< 2 Samweli 13 >
1 Ikawa baada ya hayo kwamba Amnoni mwana wa Daudi, akamtamani sana Tamari dada yake wa kambo aliyekuwa mzuri, alikuwa tumbo moja na Absalome, mwana wingine wa Daudi.
Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak’ i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak’ i Davida.
2 Amnoni akasononeka sana kiasi cha kuugua kwa ajili ya Tamari dada yake. Tamari alikuwa bikra, na hivyo ilionekana haiwezekani Amnoni kufanya neno lolote kwake.
Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin’ i Amnona ny haka azy.
3 Lakini Amnoni alikuwa na rafiki jina lake Yehonadabu mwana wa Shama, nduguye Daudi.
Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
4 Yehonadabu alikuwa mtu mwelevu sana. Akamwambia Amnoni, “Kwa nini, mwana wa mfalme, unadhoofika kila siku? Kwa nini uniambii? Ndipo Amnoni akamjibu, “Nampenda Tamari, dada yake Absalome ndugu yangu.”
Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan’ andro isan’ andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an’ i Tamara, anabavin’ i Absaloma rahalahiko, aho.
5 Ndipo Yehonadabu akamwambia, “Lala kitandani mwako na ujifanye kuwa mgonjwa. Wakati baba yako atakapo kuja kukuona, mwambie, Tafadhari mtume dada yangu Tamari aandaye chakula mbele yangu, ili kwamba nikione na kula kutoka mkononi mwake?”
Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin’ ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
6 Hivyo Amnoni akalala na kujifanya kuwa mgonjwa. Mfalme alipokuja kumwona, Amnoni akamwambia mfalme, “Tafadhari mtume Tamari dada yangu aandaye chakula kwa ajili ya ugonjwa wangu mbele yangu ili kwamba nikile kutoka mkononi mwake.
Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
7 Ndipo Daudi katika kasri lake akatuma neno kwa Tamari, kusema, “Nenda katika nyumba ya nduguyo Amnoni na umwandalie chakula. Hivyo
Ary Davida naniraka nankany amin’ i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon’ i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
8 Tamari akaenda katika nyumba ya Amnoni nduguye alipokuwa amelala. Akachukua donge na kulifinyanga na kuandaa mkate mbele zake, kisha akauoka.
Dia nandeha Tamara nankany an-tranon’ i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.
9 Akachukua kikaangio na kumpa mkate, lakini akakataa kula. Kisha Amnoni akawambia waliokuwepo, “Kila mtu na aondoke.” Hivyo kila mmoja akaondoka.
Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
10 Amnoni akamwambia Tamari, “Lete chakula chumbani kwangu nikile katika mkono wako.” Tamari akachukua mkate aliokuwa ameuandaa, na kuuleta katika chumba cha Amnoni kaka yake.
Ary hoy Amnona tamin’ i Tamara: Ento atỳ amin’ ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain’ i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin’ ny efi-trano tao amin’ i Amnona anadahiny.
11 Alipoleta chakula kwake, Amnoni akamshikilia na kumwambia, “Njoo, ulale nami, dada yangu.”
Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an’ i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.
12 Yeye akamjibu, “Hapana, kaka yangu, usinilazimishe, kwani hakuna jambo kama hili linapaswa kufanyika katika Israeli. Usifanye jambo la aibu kiasi hiki!
Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin’ ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao.
13 Nitakwenda wapi ili nijiepushe na aibu ambayo jambo hili litaileta juu ya maisha yangu? Na tendo hili litakuonesha kuwa mpumbavu usiye na aibu katika Israeli yote. Tafadhari, ninakuomba uongee na mfalme. Yeye atakuruhusu unioe.”
Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin’ ny adala eto amin’ ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin’ ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
14 Lakini Amnoni hakuweza kumsikiliza. Kwa kuwa alikuwa zaidi akamkamata na akalala naye.
Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.
15 Kisha Amnoni akamchukia Tamari kwa chuki kuu. Akamchukia zaidi ya jinsi alivyokuwa amemtamani. Amnoni akamwambia, “Inuka na uondoke.”
Ary dia halan’ i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
16 Lakini yeye akamjibu, “Hapana! kwa maana uovu wa kunifanya ni uondoke ni mbaya zaidi ya kile ulichonitenda!” Lakini Amnoni hakumsikiliza.
Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
17 Badala yake, akamwita mtumishi wake na akasema, “Mwondoe mwanamke huyu mbele yangu, na uufunge mlango nyuma yake.”
Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
18 Hivyo mtumishi wake akamtoa na kufunga mlango. Tamari alikuwa amevaa vazi lilinakishiwa kwani ndivyo binti za wafalme waliobikra valivyokuwa wakivaa.
Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon’ ny zanakavavin’ ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan’ ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.
19 Tamari akaweka majivu juu ya kichwa chake na akalirarua vazi lake
Ary nasian’ i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
20 Absalome, kaka yake, akamwambia, “Amnoni, kaka yako, amekuwa nawe? Lakini sasa nyamaza, dada yangu. Yeye ni kaka yako. Usiliweke hili moyoni.” Hivyo Tamari akakaa peke yake katika nyumba ya Absalomu kaka yake.
Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangìna ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon’ i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
21 Mfalme Daudi aliposikia haya yote, alikasirika sana.
Fa nony ren’ i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.
22 Absalome hakusema chochote kwa Amnoni, kwa maana Absalome alimchukia kwa kile alichokifanya, kumdhalilisha Tamari, dada yake.
Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin’ i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan’ i Absaloma izy noho ny nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
23 Ikawa baada ya miaka miwili mizima Absalomu akawa na wakatao kondoo manyoya wakifanya kazi huko Baali Hazori, ulioko karibu na Efraim, naye Absalomu akawaarika wana wote wa mfalme kufika huko.
Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an’ i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra izy.
24 Absalomu akamwendea mfalme na kusema, “Tazama sasa, mtumishi wako anao wakatao kondoo manyoya. Tafadhari, naomba mfalme na watumishi wake waende nami, mtumishi wako.”
Ary nankao amin’ ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao.
25 Mfalme akamjibu Absalomu, “hapana mwanangu, tusiende sisi yote kwani tutakuwa mzigo kwako.” Absalomu akamhakikishia mfalme, lakini yeye asikubali kwenda, ila alimbariki Absalomu.
Fa hoy ny mpanjaka tamin’ i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany.
26 Kisha Absalomu akasema, “kama sivyo, basi tafadhari mwache ndugu yangu Amnoni aende nasi.” Mfalme akamuliza, “Kwa nini Amnoni aende nanyi?”
Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
27 Absalomu akamsihi Daudi, hivyo akamruhusu Amnoni na wana wengine wa mfalme kwenda naye.
Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy.
28 Absalomu akawaamuru watumishi wake kusema, “Sikilizeni kwa makini. Amnoni atakapokuwa amelewa mvinyo, na nitakapowambia, 'Mpigeni Amnoni,' msiogope mwueni. Je siyo mimi niliyewamru? Mwe jasiri na hodari.”
Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’ i Amnona azon’ ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
29 Hivyo watumishi wa Absalome wakamtendea Amnoni kama walivyoamriwa. Kisha wana wote wa mfalme wakainuka na kila mmoja akapanda nyumbu wake akakimbia.
Ary ny zatovon’ i Absaloma nanao tamin’ i Amnona araka ny teny nomen’ i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
30 Hata ikawa wakati wakiwa njiani habari zikafika kwa Daudi kusema, “Absalomu ameua wana wote wa mfalme na hakuna hata mmoja aliyesalia.”
Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin’ i Davida ny filazana hoe: novonoin’ i Absaloma avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
31 Kisha mfalme akainuka na kurarua mavazi yake na kujilaza juu ya sakafu; watumishi wake wote wakasimama karibu naye mavazi yao yameraruriwa.
Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin’ ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
32 Yehonadabu mwana wa Shama, nduguye Daudi, akajibu na kusema, “Bwana wangu asidhani kuwa vijana wote ambao ni wana wa mfalme wameuawa, kwa maana ni Amnoni pekee ndiye aliyeuawa. Absalomu alilipanga jambo hili tangu siku ile Amnoni alivyomwaribu Tamari, dada yake.
Ary Jonadaba, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin’ ny andro nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
33 Kwa hiyo basi, bwana wangu mfalme asiiweke taarifa hii moyoni, kudhani kwamba wana wote wa mfalme wameuawa, kwani aliyeuawa ni Amnoni peke yake.”
Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.
34 Absalomu akakimbia. Mtumishi aliyekuwa akiangalia akainua macho yake na kuona watu wengi wakija njiani kando ya kilima upande wake wa magharibi.
Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan’ ny tendrombohitra.
35 Kisha Yehonadabu akamwambia mfalme, “Tazama, wana wa mfalme wanakuja. kama mtumishi wako alivyosema.”
Ary hoy Jonadaba tamin’ ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin’ ny mpanjaka, dia araka ny nolazain’ ny mpanomponao tokoa.
36 Ikawa mara alipomaliza kusema wana wa mfalme wakafika, wakainua sauti zao na kulia. Na mfalme pamoja na watumishi wake wote pia wakalia kwa uchungu.
Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin’ ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa.
37 Lakini Absalomu akakimbia na kwenda kwa Talmai mwana wa Amihudi, mfalme wa Geshuri. Mfalme akaomboleza kila siku kwa ajili ya mwanaye.
Fa Absaloma nandositra nankany amin’ i Talmay, zanakalahin’ i Amihoda, mpanjakan’ i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
38 Hivyo Absalomu akakimbia na kwenda Geshuri na akakaa huko kwa miaka mitatu.
Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.
39 Moyo wa mfalme Daudi ukatamani kwenda kumwona Absalomu, kwa maana alikuwa amefarijika kwa habari ya kifo cha Amnoni.
Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin’ i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin’ i Amnona, satria efa maty izy.