< 2 Wafalme 19 >
1 Ikawa kuhusu kwamba wakati Mfalme Hezekia aliposikia taazrifa zao, akararua mavazi yake, akavaa nguo za magunia, na kwenda kwenye nyumba ya Yahwe.
Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’ i Jehovah,
2 Akamtuma Elkana, ambaye alikua msimamizi wa nyumba ya mfalme, na Shebna yule mwandishi, na wazee wa makuhani, wote walikuwa wamefunikwa na nguo za magunia, kwenda kwa Isaya mwana wa Amozi, yule nabii.
Ary izy naniraka an’ i Eliatima, lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan’ ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza.
3 Wakamwambia, “Hezekia wakisema, 'siku hii ni siku ya mateso, shutuma, na fedheha, kwa kuwa wakati umewadia watoto kuzaliwa, lakini hakuna nguvu ili wazaliwe.
Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain’ i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
4 Inaweza kuwa Yahwe Mungu wako atasikia maneno yote ya amiri jeshi mkuu, ambaye mfalme wa Ashuru bwana wake amemtuma kumkaidi Mungu aliye hai, naye atayakemea yale maneno ambayo Yahwe Mungu wako aliyasikia. Sasa inua maombi yako juu kwa ajili ya mabaki yaliyo bakia hapo.”'
Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
5 Hivyo watumishi wa mfalme Hezekia wakaja kwa Isaya,
Dia nankany amin’ Isaia ny mpanompon’ i Hezekia mpanjaka.
6 na Isaya akawaambia, “Mwambieni bwana wenu: 'Yahwe asema hivi, “Usiyaogope maneno ambayo uliyoyasikia, pamoja na kwamba watumishi wa mfalme wa Ashuru wamenitukana.
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ ny tomponareo hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’ iretsy ankizilahin’ ny mpanjakan’ i Asyria iretsy Ahy.
7 Tazama, nitaweka roho ndani yake, na yamkini atasikia taarifa na kurudi kwenye nchi yake mwenyewe. Nitamfanya aanguke kwa upanga katika nchi yake mwenyewe."”'
Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin’ ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8 Kisha amiri jeshi mkuu akarudi na kumkuta mfalme wa Ashuru akipigana dhidi ya Libna, kwa kuwa alisikia kwamba mfalme alikuwa ameenda kutoka Lakishi.
Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon’ ny mpanjakan’ i Asyria fahirano tamin’ izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9 Kisha Senakeribu akasikia kwamba Tirhaka mfalme wa Kushi na Misri alihamasisha kupigana dhidi yake, hivyo akatuma wajumbe tena kwa Hezekia pamoja na ujumbe:
Ary nony ren’ i Sankeriba ny amin’ i Tiraka, mpanjakan’ i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin’ i Hezekia izy nanao hoe:
10 “Mwambieni Hezekia mfalme wa Yuda, 'Asikudanganye Mungu wako unayemwamini, kusema, “Yerusalemu haitawekwa kwenye mikono ya mikono ya mfalme wa Ashuru.”
Izao no holazainareo amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda: Aza mety hofitahin’ ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria.
11 Tazama, umesikia kwamba wafalme wa Ashuru wamemaliza nchi zote kwa kuziharibu kabisa. Kwa hiyo je utaokoka?
Indro, ianao efa nandre izay nataon’ ireo mpanjakan’ i Asyria tamin’ ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
12 Je wale miungu wa mataifa wamewaokoa, mataifa ambao baba zangu waliyaharibu: Gozani, Harani, Resefu, na watu wa Edeni katika Telasari?
Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak’ i Edena, izay tao Telasara?
13 Je yuko wapi mfalme wa Hamathi, mfalme Arpadi, mfalme wa miji ya Sefarvaimu, wa Hena, na Iva?”'
Aiza ny mpanjakan’ i Hamata sy ny mpanjakan’ i Arpada ary ny mpanjakan’ ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14 Hezekia akapokea hii barua kutoka wale wajumbe na kuisoma. Kisha akapanda hata kwenye nyumba ya Yahwe na kuukunjua mbele yake.
Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tanan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.
15 Kisha Hezekia akaomba mbele ya Yahwe na kusema, “Yahwe wa majeshi, Mungu wa Israeli, uketiye juu ya makerubi, wewe ni Mungu wa pekee juu ya tawala zote za dunia. Uliyeziumba mbingu na nchi.
Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
16 Tega sikio lako, Yahwe, na usikie. Fungua macho yako, Yahwe, na tazama, na sikia maneno ya Senakeribu, ambayo ameyatuma kumdhihaki Mungu aliye hai.
Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin’ i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an’ Andriamanitra velona.
17 Ni kweli, Yahwe, wafalme wa Ashuru ameyaharibu mataifa na nchi zao.
Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny
18 Wameiweka miungu yao kwenye moto, kwa kuwa hawakuwa miungu lakini ilikuwa kazi ya mikono ya watu, ilikuwa miti na mawe. Hivyo Waashuru wamewaharibu.
ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.
19 Basi sasa, Yahwe Mungu wetu, tuokoe, nakusihi, kutoka kwenye nguvu zake, ili kwamba mamlaka zote za dunia zipate kujua yakwamba wewe, Yahwe, ndiye Mungu wa pekee.”
Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin’ ny tànany, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
20 Kisha Isaya mwana wa Amozi akatuma ujumbe kwa Hezekia, akisema, “Yahwe, Mungu wa Israeli asema, 'Kwasababu umeomba kwangu kuhusiana na Senakeribu mfalme wa Ashuru, nimekusikia.
Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, dia efa nohenoiko.
21 Hili ndilo neno ambalo Yahwe ameliongea kuhusu yeye: “Bikira binti Sayuni amekudharau na kukucheka kwa dharau. Binti wa Yerusalemu akatikisa kichwa juu yako.
Koa izao no teny nolazain’ i Jehovah ny amin’ i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
22 Je ni nani uliyemchokoza na kumtukana? Dhidi ya nani umeinua sauti yako na kuinua macho yako katika majivuno? Juu ya Mtakatifu wa Israeli!
Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely.
23 Kupitia wajumbe wako wamemdharau Bwana, na kusema, 'Pamoja na wingi wa magari yangu ya farasi nimeenda juu ya vilele ya milima, hata juu ya kilele cha Lebanoni. Nitaikata mierezi mirefu na kuchagua miti ya mivinje huko. Nitaingia sehemu za makazi yake yaliyo mbali, msitu wake uzaao sana.
Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin’ ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon’ ny tendrombohitra, tao afovoan’ i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin’ ny faran’ ny azo iakarana ao aho sy any amin’ ny alany midokadoka.
24 Nimechimba visima na kunywa maji mageni. Nimekausha mito yote ya Misri chini ya soli ya miguu yangu.'
Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin’ ny lahin-drano rehetra any Egypta.
25 Je hukusikia jinsi nilivyoagiza tangu zamani, na kuyafanya tangu siku za zamani? Sasa ninalileta kupita. Uko hapa kupunguza miji isiyoingilika kwenye rundo la maangamizi.
Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
26 Makazi yao, ya nguvu kidogo, imevunjwa vunjwa na aibu. Wamekuwa mimea katika shamba, majani ya kijani, majani juu kwenye dari au kwenye shamba, lililochomwa kabla halijakua.
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
27 Lakini najua kuketi kwako chini, na kutoka kwako, kuingia kwako dhidi yangu.
Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
28 Kwasababu kiburi chako kimeyafikia masikio yangu, Nitaweka kulabu yangu kwenye pua yako, na hatamu yangu kwenye mdomo wako; nitakurudisha nyuma kwa njia ile ile uliyoijia.”
Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin’ ny lalana izay nihavianao ianao.
29 Hii ndiyo itakuwa ishara kwako: Mwaka huu mtakula vitu viotavyo porini, na katika mwaka wa pili vile vikuavyo katika huo. Lakini katika mwaka wa tatu ni lazima mpande na kuvuna, kupanda mashamba ya mizabibu na kula matunda yake.
Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin’ ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary amin’ ny taona manaraka dia ny kolokolon’ izany, fa amin’ ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
30 Mabaki ya nyumba ya Yuda ambayo yataokoka yatachukua tena mizizi na kuzaa matunda.
Ary izay sisa amin’ ny taranak’ i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
31 Kwa kuwa mabaki yatatoka Yerusalemu, kutoka Mlima Sayuni wenye kuokoka utakuja. Wivu wa Yahwe wa majeshi utafanya hivyo.
Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hanao izany.
32 Kwa hiyo Yahwe asema hivi kuhusu mfalme wa Ashuru: “Hatakuja kwenye huu mji wala kupiga mshale hapa. Wala hatakuja mbele yake na ngao au kujenga boma dhidi yake.
Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ i Asyria: Tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.
33 Njia ile ile aliyoijia ndiyo njia atakayoondokea; hatoingia mji huu - hivi ndivyo asemavyo Yahwe.”
Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
34 Kwa maana nitaulinda huu mji na kuuokoa, kwa ajili yangu mwenyewe na kwa ajili ya Daudi mtumishi wangu.”'
Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
35 Ikawa kuhusu usiku huo ambao malaika wa Yahwe alitoka na kuvamia kambi ya Waashuru, akawaua maaskari 185, 000. Kisha watu wakaamka asubuhi na mapema, miili ya watu waliokuwa wamekufa ilikuwa imelala kila mahali.
Ary tamin’ ny alin’ io dia avy ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
36 Hivyo Senakeribu mfalme wa Ashuru akaondoka Israeli na kwenda nyumbani na kuishi katika Ninawi.
Dia niainga Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
37 Baadaye, alipokuwa akiabudu kwenye nyumba ya Nisroki mungu wake, watoto wake Adramaleki na Shareza wakamuua kwa upanga. Kisha wakakimbilia kwenye nchi ya Ararati. Kisha Esarhodani mwanaye akawa mfalme katika mahali pake.
Ary raha niankohoka tao an-tranon’ i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian’ i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin’ ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.