< 2 Nyakati 5 >
1 Wakati ilipomalizika kazi aliyofanya Selemani kwa ajili ya Yahwe, Selemani akapeleka vitu ndani, ambavyo Daudi, baba yake, aliviweka wakifu kwa kusudi hilo, pamoja na zile fedha, dhahabu, na vyombo vyote akavileta ndani ya hazina ya nyumba ya Mungu.
Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’ i Solomona ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra.
2 Kisha Selemanai akawakusanya wazee wa Israeli, wakuu wa makabila yote, na viongozi wa familia za watu wa Israeli, katika Yerusalemu, ili walilete sanduku la agano la Yahwe kutoka mji wa Daudi, ambao ni Sayuni.
Ary tamin’ izany dia novorin’ i Solomona ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehiben’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakavian’ ny Zanak’ isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy any Ziona, Tanànan’ i Davida.
3 Wanaume wote wa Israeli wakakusanyika mbele za mfalme katika sikukuu, ambayo ilikuwa katika mwezi wa saba.
Dia nivory ho any amin’ ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro firavoravoana tamin’ ny volana fahafito.
4 Wazee wote wa Israeli wakaja, na Walawi wakalichukua sanduku.
Ary tonga koa ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,
5 Wakalileta sanduku, hema ya kukutania, na vyombo vitakatifu vyote ambavyo vilikuwa ndani ya hema. Makuhani waliokuwa wa kabila la Lawi wakavileta vtu hivyo.
dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masìna rehetra izay tao amin’ ny lay. Nampakarin’ ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.
6 Mfalme Selemanai na kusanyiko lote la Israeli wakaja pamoja, mbele ya sanduku, wakitoa sadaka za kondoo na maksai ambao hawakuweza kuhesabika.
Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’ osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
7 Makuhani wakalileta sanduku la anago la Yahwe ndani mahali pake, katika chumba cha ndani cha nyumba, kwenye patakatifu pa patakatifu, chini ya mabawa ya makerubi.
Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima;
8 Kwa kuwa makerubi walitandaza mabawa yao juu ya mahali pa sanduku, na walilifunika sanduku na na miti yake ya kulibebea.
fa nivelatra tambonin’ ny fitoeran’ ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
9 Miti ilikuwa mirefu sana kwamba ncha zake zlionekana kutoka ile sehemu takatifu mbele ya chumba cha andani, lakini hazikuweza kuonekana kutoka nje. Zipo hapo hadi leo.
Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin’ ny fiara eo anoloan’ ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.
10 Hapakuwa na kitu katika sanaduku isipokuwa zile meza mbili ambazo Musa aliziweka humo huko Horebu, wakati Mungu alipofanya agano na watu wa Israeli, walipotoka nje ya Misri.
Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’ i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’ i Jehovah nanao fanekena tamin’ ny Zanak’ isiraely, tamin’ ny nivoahany avy tany Egypta.
11 Ilikuwa makuhani walipotoka nje ya sehemu takatifu. Makuhanai wote wliokuwepo wakajiweka wakifu wenyewe kwa Yahwe, bila kujiamuru wenyewe kulingana na sehemu zao.
Ary nony nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masìna ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
12 Pia makuhani waliokuwa waimbaji, wote kwa ujumla wao, pamoja na Asafu, Hemani, Yeduthuni, na wana wao na ndugu zao, wakiwa wamevalia kitani safi na wakipiga matoazi, vinanda, na vinubi, wakaasimama upande wa mashariki wa mwisho wa madhabahu. Pamoja nao palikuwa na makuhuni 120 wakipuliza tarumbeta.
ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan’ ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
13 Ikawa kwamba wapuruza tarumbeta na waimbaji wakafanya mziki pamoja, wakifanya sauti moja isikike kwa ajili ya kumsifu na kumshukuru Yahwe. Walipaza sauti zao kwa tarumbeta, toazi na vyombo vingine, na wakamsifu Yahwe. Wakaimba, “Kwa maana Yeye ni mwema, kwa kuwa uaminifu wa agano lake wadumu milele.” Kisha nyumba, ile nyumba ya Yahwe, ikajawa na wingu.
ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’ i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’ i Jehovah;
14 Makuhani hawakuweza kusimama ili wahudumu kwa sababu ya lile wingu, kwa maana utukufu wa Yahwe uliijaza nyumba yake.
ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon’ Andriamanitra.