< 2 Nyakati 14 >

1 Abiya kalala pamoja na babu zake, na wakamzika kataika maji wa Daudi. Asa, mwanaye, akawa mfalme katika nafasi yake. Katika siku yake nchi ilikuwa na miaka kumi.
Ary Abia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin’ ny andron’ i Asa dia nandry folo taona ny tany.
2 Asa alifanya yaliyomema na sahihi katika macho ya Yahwe Mungu wake,
Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitra;
3 kwa maana aliziondosha mbali madhabahu za kigeni na sehemu za juu. Akaziangusha chini nguzo za mawe na kuzikata nguzo za Maashera.
fa nandrava ny alitaran’ ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.
4 Akawaamuru Yuda kumtafuta Yahwe, Mungu wa babu zao, na kuzishika sheria na amri.
Ary nandidy ny Joda hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy.
5 Pia akaziondosha mbali sehemu za juu na madhabahu za kufukiza kutoka miji yote ya Yuda. Ufalme ulikuwa na pumziko chini yake.
Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.
6 Akajenga miji ya ngome katika Yuda, kwa maana nchi ilikuwa tulivu, na hakuwa na vita katika miaka hiyo, kwa sababu Yahwe alikuwa amempa amani.
Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’ izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
7 Kwa maana Asa aliwaambia Yuda, “Tuijenge miji hii na kuizungushia kuta, na minara, mageti, na makomeo; nchi bado yetu kwa sababu tumemtafuta Yahwe Mungu wetu. Tumemtafuta yeye, na ametupa amani katika kila upande.” Kwa hiyo walijenga na wakafanikiwa.
Dia hoy izy tamin’ ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an’ i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin’ ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.
8 Asa alikuwa na jeshi ambalo lilibeba ngao na mikuki; kutoka Yuda alikuwa na wanaume 300, 000, na kutoka Benyamini, wanaume 280, 000 waliobeba ngao na kuvuta pinde.
Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin’ ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin’ ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.
9 Zera Mwethiopia akaja juu yao na jeshi la wanajeshi milioni moja na magari mia tatu; akaja Maresha.
Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin’ ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.
10 Kisha Asa akatoka nje kukutana naye, na wakapanga mistari ya vita ya mapigano katika bonde la Sefatha huko Maresha.
Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaikin’ i Maresa izy.
11 Asa kamlilia Yahwe, Mungu wake, na akasema, “Yahwe, hakuna aliye kama wewe lakini ni wewe wa kumsaidia mtu asiye na nguvu anapokutana na mengi. Tusaidie, Yahwe, Mungu wetu, kwa maana tunakutegemea wewe, na katika jina lako tumekuja kupambana na idadi hii kubwa ya adui. Yahwe, wewe ni Mungu wetu; usimuache mtu akushinde.”
Ary Asa nitaraina tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
12 Kwa hiyo Yahwe akawapiga Waethiopia mbele za ASa na Yuda; Waethiopia wakakimbia.
Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan’ i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny.
13 Asa pamoja na wanajeshi waliokuwa pamoja naye wakawafukuza hadi Gerari. Kwa hiyo Waethiopia wengi wakajeruhiwa kiasi kwamba hawakuweza kupona, kwa maana waliangamizwa kabisa mbele za Yahwe na jeshi lake. Jeshsi likachukua mateka wengi sana.
Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan’ i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan’ ny Joda babo betsaka.
14 Jeshi likaviangamiza vijiji vyote jirani na Garari, kwa kuwa hofu ya Yahwe ilikuwa imekuja juu ya wakaaji. Jeshi likateka vijiji vyote, na vilikuwa na hazina nyingi sana ndani yake.
Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an’ i Gerara izy; fa ny fahatahorana an’ i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.
15 Jeshi pia likaipiga hema ya makazi yawachungaji; wakabeba kondoo kwa wingi, ngamia vile vile, na kisha wakarudi Yerusalemu.
Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman’ osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.

< 2 Nyakati 14 >