< 1 Wathesalonike 1 >
1 Paulo, Silwano na Timotheo kwa kanisa la Wathesalonike katika Mungu Baba na Bwana Yesu Kristo. Neema na amani iwe nanyi.
Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
2 Tunatoa shukrani kwa Mungu kila mara kwa ajili yenu nyote, wakati tunapowataja katika maombi yetu.
Misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ ny fivavahanay,
3 Tunaikumbuka bila kukoma mbele ya Mungu na baba yetu kazi yenu ya imani, juhudi ya upendo, na uvumilivu wenye ujasiri kwa ajili ya baadaye katika Bwana Yesu Kristo.
sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’ Andriamanitra Raintsika;
4 Ndugu Mnaopendwa na Mungu, tunajua wito wenu.
fa fantatray, ry rahalahy malalan’ Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
5 Na jinsi injili yetu ilivyokuja kwenu si kwa neno tu, bali pia katika nguvu, katika Roho Mtakatifu, na katika uhakika. Kwa namna hiyo, mnajua pia sisi tulikuwa watu wa namna gani miongoni mwenu kwa ajili yenu.
fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ ny teny ihany, fa tamin’ ny hery koa sy ny Fanahy Masìna ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
6 Mlikuwa watu wa kutuiga sisi na Bwana, kama mlivyopokea neno katika taabu kwa furaha itokayo kwa Roho Mtakatifu.
Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ ny fahoriana be mbamin’ ny hafaliana avy amin’ ny Fanahy Masìna,
7 Na matokeo yake, mkawa mfano kwa wote katika Makedonia na Akaiya ambao wanaamini.
ka dia tonga fianarana ho an’ ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
8 Kwa kuwa kutoka kwenu neno la Mungu limeenea kote, na si kwa Mekadonia na Akaiya peke yake. Badala yake, kwa kila mahali imani yenu katika Mungu imeenea kote. Na matokeo yake, hatuhitaji kusema chochote.
Fa avy taminareo no nanenoan’ ny tenin’ ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan’ ny lazan’ ny finoanareo an’ Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
9 Kwa kuwa wao wenyewe wanaarifu ujio wetu ulikuwa wa namna gani kati yenu. Wanasimulia jinsi mulivyomgeukia Mungu kutoka katika sanamu na kumtumikia Mungu aliye hai na wa kweli.
Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ ny sampy hiverenana amin’ Andriamanitra mba hanompo an’ Andriamanitra velona sy marina,
10 Walitoa habari kuwa mnamsubiri Mwana wake kutoka mbinguni, aliyefufuliwa kutoka kwa wafu. Na huyu ni Yesu, anayetuweka huru kutoka kwenye ghadhabu ijayo.
ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin’ ny fahatezerana ho avy.