< 1 Wathesalonike 4 >

1 Hatimaye, ndugu, twawatia moyo na kuwasihi kwa Yesu Kristo. Kama mlivyopokea maelekezo toka kwetu namna iwapasavyo kuenenda na kumpendeza Mungu, kwa njia hiyo pia muenende na kutenda zaidi.
Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’ i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’ Andriamanitra ― dia araka ny andehananareo ihany ― no hitomboanareo bebe kokoa.
2 Kwa kuwa mwajua ni maelekezo gani tuliyowapa kupitia Bwana Yesu.
Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’ i Jesosy Tompo.
3 Kwa kuwa haya ndiyo mapenzi ya Mungu: utakaso wenu - kwamba muepuke zinaa,
Fa izao no sitrapon’ Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana,
4 Kwamba kila mmoja wenu anajua namna ya kumiliki mke wake mwenyewe katika utakatifu na heshima.
mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ ny fahamasinana sy ny voninahitra,
5 Usiwe na mke kwa ajili ya tamaa za mwili (kama Mataifa wasiomjua Mungu).
tsy amin’ ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’ Andriamanitra,
6 Asiwepo mtu yeyote atakaye vuka mipaka na kumkosea nduguye kwa ajili ya jambo hili. Kwa kuwa Bwana ndiye mwenye kulipa kisasi kwa mambo yote haya, kama tulivyo tangulia kuwaonya na kushuhudia.
mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’ izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’ izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo.
7 Kwa kuwa Bwana hakutuita kwa uchafu, bali kwa utakatifu.
Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ ny fahalotoana, fa amin’ ny fahamasinana.
8 Kwa hiyo anayelikataa hili hawakatai watu, bali anamkataa Mungu, anayewapa Roho Mtakatifu wake.
Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masìna.
9 Kuhusu upendo wa ndugu, hakuna haja ya mtu yeyote kukuandikia, kwa kuwa mmefundishwa na Mungu kupendana ninyi kwa ninyi.
Fa ny amin’ ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’ Andriamanitra hifankatia.
10 Hakika, mlifanya haya yote kwa ndugu walioko Makedonia yote, lakini twawasihi, ndugu, mfanye hata na zaidi.
Fa manao izany ihany ianareo amin’ ny rahalahy rehetra eran’ i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
11 Twawasihi mtamani kuishi maisha ya utulivu, kujali shughuli zenu, na kufanya kazi kwa mikono yenu, kama tulivyowaamuru.
ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
12 Fanya haya ili uweze kuenenda vizuri na kwa heshima kwa hao walio nje ya imani, ili usipungukiwe na hitaji lolote.
mba handehananareo amin’ izay fitondran-tena mahamendrika amin’ ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo.
13 Hatutaki ninyi muelewe isivyo sahihi, enyi ndugu, juu ya hao waliolala, ili msije mkahuzunika kama wengine wasio na uhakika kuhusu wakati ujao.
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
14 Iwapo tunaamini kuwa Yesu alikufa na akafufuka tena, vivyo hivyo Mungu atawaleta pamoja na Yesu hao waliolala mauti katika yeye.
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’ Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’ i Jesosy hiaraka aminy.
15 Kwa ajili ya hayo twawaambia ninyi kwa neno la Bwana, kwamba sisi tulio hai, tutakaokuwepo wakati wa kuja kwake Bwana, hakika hatutawatangulia wale waliolala mauti.
Fa izao no lazainay aminareo amin’ ny tenin’ ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
16 Kwa kuwa Bwana mwenyewe atashuka toka mawinguni. Atakuja na sauti kuu, pamoja na sauti ya malaika mkuu, pamoja na parapanda ya Mungu, nao waliokufa katika Kristo watafufuka kwanza.
Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
17 Kisha sisi tulio hai, tuliobaki, tutaungana katika mawingu pamoja nao kumlaki Bwana hewani. Kwa njia hii tutakuwa na Bwana siku zote.
ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika.
18 Kwa hiyo, mfarijiane ninyi kwa ninyi kwa maneno haya.
Koa dia mifampionòna ianareo amin’ izany teny izany.

< 1 Wathesalonike 4 >