< 1 Samweli 5 >
1 Basi Wafilisti wakawa wamelitwaa sanduku la Mungu, wakalileta kutoka Ebenezeri hadi Ashdodi.
Dia nalain’ ny Filistina ny fiaran’ Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.
2 Wafilisti walilichukua sanduku la Mungu, wakalileta ndani ya nyumba ya Dagoni, na wakalikalisha pembeni mwa Dagoni.
Ary nony efa azon’ ny Filistina ny fiaran’ Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon’ i Dagona izy ka napetrany teo anilany.
3 Watu wa Ashdodi walipoamka mapema siku ya pili, tazama, Dagoni ilianguka chini kifudifudi mbele ya sanduku la BWANA. Hivyo waliichukua Dagoni na kuisimamisha tena katika sehemu yake.
Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah; dia narenin’ ny olona izy ka napetrany teo amin’ ny fitoerany indray.
4 Lakini walipoamka mapema kesho yake, tazama, Dagoni alikuwa ameanguka chini kifudifudi mbele ya sanduku la BWANA. Kichwa cha Dagoni na vitanga vyake miwili vilikatika na kulala mlangoni. Kiwiliwili cha Dagoni ndicho kilibaki tu.
Ary nony ampitson’ iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah, ary tapaka teo amin’ ny tokonam-baravarana ny lohan’ i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
5 Na hii ndiyo sababu, makuhani wa Dagoni na yeyote aingiae ndani ya nyumba ya Dagoni, hata leo, hawezi kukanyaga mlango wa Dagoni katika Ashdodi.
(izany no tsy anitsahan’ ny mpisoron’ i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran’ i Dagona ao Asdoda mandraka androany).
6 Mkono wa BWANA ulikuwa mzito juu ya watu wa Ashdodi. Aliwaangamiza akawatesa kwa majipu, Ashdodi na wilaya zake kwa pamoja.
Ary navesatra tamin’ ny Asdodita ny tànan’ i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin’ ny fari-taniny rehetra.
7 Watu wa Ashdodi walipotambua kilichokuwa kinatokea, walisema, “Sanduku la Mungu wa Israeli lisikae kwetu, kwa sababu mkono wake ni mzito juu yetu na juu ya mungu wetu Dagoni.”
Ary rehefa hitan’ ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin’ i Dagona andriamanitsika ny tànany.
8 Basi wakawatuma watu wawakusanye pamoja viongozi wote wa Wafilisti; wakawambia, “Tufanye nini na sanduku la Mungu wa Israeli?” Wakawajibu, “Sanduku la Mungu wa Israeli lihamishwe na kupelekwa Gathi.” Basi wakalihamisha hilo sanduku la Mungu wa Israeli hadi huko Gathi.
Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely.
9 Lakini baada ya kulipeleka huko, mkono wa BWANA ulikuwa juu ya mji huo, ukasababisha machafuko makubwa. Akawatesa watu wa mji huo, wakubwa kwa wadogo; na majipu yakaota juu ya miili yao.
Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan’ i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.
10 Basi, wakalipeleka sanduku la Mungu hadi Ekroni. Lakini mara tu sanduku la Mungu lilipoingia Ekroni, watu wa Ekroni walipiga kelele wakisema, “Wametuletea sanduku la Mungu wa Israeli kutuua sisi na watu wetu.”
Ary dia naterin’ ny olona nankany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran’ ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
11 Basi wakawatuma watu wawakusanye pamoja viongozi wote wa Wafilisti; wakawambia, “Lipelekeni mbali sanduku la Mungu wa Israeli, na lirudishwe katika makao yake, ili lisije kutuua sisi na watu wetu.” Kwa maana kulikuwa na hofu ya kutisha mjini mwote; Mkono wa Mungu ulikuwa mzito mno huko.
Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin’ ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron’ ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan’ Andriamanitra.
12 Watu ambao hawakufa waliteswa na majipu, na kilio cha mji kilipanda hadi mbinguni.
Ary ny olona izay tsy maty dia voan’ ny vay kosa, ka ny fitarainan’ ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.