< 1 Wafalme 18 >

1 Kwa hiyo baada ya siku nyingi neno la BWANA likamjia Eliya, katika mwaka wa tatu wa ukame, likisema, “Nenda ukajionyeshe mwenyewe kwa Ahabu nami nitainyeshea ardhi mvua.”
Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin’ i Elia ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin’ i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin’ ny tany Aho.
2 Eliya akaenda kujionyesha mwenyewe kwa Ahabu; sasa njaa ilikuwa kali sana kule Samaria.
Dia niainga Elia hiseho amin’ i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria.
3 Ahabu akamwita Obadia, aliyekuwa mkuu wa ikulu. Obadia alimheshimu sana BWANA,
Ary Ahaba niantso an’ i Obadia, izay lehiben’ ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an’ i Jehovah tokoa,
4 kwa kuwa wakati Yezebeli alipokuwa akiwaua manabii wa BWANA, Obadia alichukua manabii mia akawaficha katika makundi ya hamsini hamsini katika pango na akawalisha kwa mikate na maji.
ka nony naringan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia nalain’ i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
5 Ahabu akamwambia Obadia, “Pita katika nchi yote na katika chemichemi zote za maji na vijito. Yamkini tunaweza kupata maji na nyasi ili tuwaokoa hawa farasi na nyumbu, ili tusiwakose wanyama wote.”
Ary hoy Ahaba tamin’ i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin’ ny loharano rehetra sy hatrany amin’ ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika.
6 Kwa hiyo wakaigawa nchi kati yao ili wapite kati yake wakitafuta maji. Ahabu akaenda njia yake mwenyewe na Obadia naye akaenda njia yake.
Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin’ ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin’ ny lalana iray.
7 Wakati Obadia akiwa njiani, akakutana na Eliya pasipo kutegemea. Obadia akamtambua na akalala kifudifudi chini. Akamwambia, “Ndiye wewe, bwana wangu Eliya?”
Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?
8 Naye Eliya akamjibu, Ni mimi. Nenda umwambie bwana wako, 'Tazama, Eliya yuko hapa.'”
Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
9 Obadia akamjibu. “Nimekoseaje, kwamba umtoe mtumishi wako katika mkono wa Ahabu ili aniue?
Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tànan’ i Ahaba hamonoany ahy?
10 Kama BWANA Mungu wako aishivyo, hakuna taifa wala ufalme ambapo bwana wangu hajatuma watu kukutafuta. Kila taifa au ufalme unaposema, “Eliya hayuko hapa,' Ahabu hufanya waape ni kweli hawajakuona.
Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’ ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
11 Na sasa wewe unasema, 'Nenda, ukamwambie bwana wako kwamba Eliya yuko hapa.'
Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
12 Mara tu baada ya kukuacha Roho wa BWANA atakuchukua na kukupeleka mahali ambapo sitapajua. Kisha nikienda na kumwambia Ahabu, na asipokuona, ataniua. Bado, mimi, mtumishi wako, nimekuwa nikimwabudu BWANA kutoka ujana wangu.
Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin’ ny Fanahin’ i Jehovah any amin’ izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’ i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an’ i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
13 Je, haujaambiwa, bwana wangu, nilichokifanya wakati Yezebeli alipowaua manabii wa BWANA, jinsi nilivyowaficha wale manabii mia moja wa BWANA katika makundi ya hamsini kwenye pango na kuwalisha kwa mikate na maji?
Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ ilay namonoan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin’ i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
14 Na sasa unasema, 'Nenda umwambie bwana wako kwamba Eliya yuko hapa,' kwa hiyo ataniua.”
Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba.
15 Ndipo Eliya alipomjibu, “Kama vile BWANA wa majeshi aishivyo, ambaye mimi ninasimama, Kwa hakika nitajionyeshakwa Ahabu leo.”
Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio.
16 Kwa hiyo Obadia akaenda kukutana na Ahabu, nakumwambia kile Eliya alichokuwa amemwambia. Ndipo mfalme alipoenda kukutana na Eliya.
Dia lasa Obadia nitsena an’ i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an’ i Elia.
17 Ahabu alipomwona Eliya, akamwambia, “Je, ni wewe? Wewe mtabishaji wa Israeli!”
Ary nony hitan’ i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin’ ny Isiraely!
18 Eliya akamwambia, “Mimi sijaitabisha Israeli, Lakiini wewe na familia ya baba yako ndio watabishaji kwa kuziacha amri za BWANA na kufuata sanamu za Baali.
Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin’ ny rainao ihany tamin’ ny nandavanareo ny didin’ i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
19 Kwa hiyo sasa, Tuma neno na unikusanyie Israeli yote katika mlima Kameli, pamoja na manabii 450 wa Baali na wale manabii 400 wa Ashera wanaokula kwenye meza ya Yezebeli.”
Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin’ i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin’ ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin’ ny latabatr’ i Jezebela.
20 Kwa hiyo Ahabu akatuma neno kwa watu wote wa Israeli na akawakusanya manabii wote kwenye mlima Kameli.
Dia naniraka tany amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
21 Eliya akaja karibu na watu wote akasema, “Mtaendelea kubadilisha mawazo yenu mpaka lini? Kama BWANA ni Mungu, mfuateni yeye, Lakini kama Baali ni Mungu, basi mfuateni yeye,” Lakini watu hawakumjibu neno.
Ary dia nankeo amin’ ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
22 Kisha Eliya akawaambia wale watu, “Mimi, pekee yangu, ndiye niliyebaki kuwa nabii wa BWANA, lakini manabii wa Baali wako 450.
Dia hoy Elia tamin’ ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin’ ny mpaminanin’ i Jehovah; fa ny mpaminanin’ i Bala kosa dia dimam-polo amby efa-jato lahy.
23 Hebu tutoleeni ng'ombe wawili. Nao wajichagulie ng'ombe mmoja na wamchinje na kumkatakata katika vipnde, na wamweke kwenye kuni, na wasitie moto chini yake. Nami nitamwandaa yule wa pili na kumweke juu ya kuni nami sitatia moto chini yake.
Koa aoka ireo no hanome vantotr’ ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.
24 Kisha mtaliita jina la mungu wenu, nami nitaliita jina la BWANA, na Mungu atakayejibu kwa moto, huyo ndiye Mungu.” Watu wote wakajibu na kusema, “Hilo ni jambo jema.”
Ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’ i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.
25 Kwa Eliya akawaambia manabii wa Baali, “Chagueni ng'ombe mmoja kwa ajili yenu na mwe wa kwanza kumwamdaa, kwa kuwa ninyi ni wengi, Kisha liiteni jina la mungu wenu, lakini msiwashe moto.”
Ary hoy Elia tamin’ ireo mpaminanin’ i Bala: Mifidiana vantotr’ ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.
26 Nao wakamchukua yule ng'ombe waliokuwa wamepewa na wakamwandaa, na ndipo walipoliita jina la Baali kuanzia asubuhi hadi adhuhuri, wakisema, “Baali, tusikie.” Lakini hapakuwepo na Sauti, na wala hakuna aliyejibu. Wakachezacheza kuizunguka madhabahu waliyotengeneza.
Dia naka ny vantotr’ ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’ i Bala hatramin’ ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ ny alitara izay nataony izy.
27 Ilipofika adhuhuri Eliya akawakejeli akisema, “Mwiteni kwa nguvu! Huyo ni mungu! labda anawaza kitu, au amepumzika, au yuko safarini, au pengine amelala sharti aamshwe.”
Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
28 Kwa hiyo wakamwita kwa nguvu, wakajikatakata kama kawaida yao ilivyokuwa, kwa upanga na nyembe, mpaka damu ikawachuruzika.
Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin’ ny tenany.
29 Ikawa wakati wa adhuhuri ulipopita, na bado walikuwa wakiendelea kutabiri mpaka wakati wa jioni wa kutoa dhabihu, lakini hapakuwepo na sauti wala mtu wa kuwajibu; wala hapakuwepo na yeyote wa kujibu wala wa kuangalia.
Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
30 Kisha Eliya akawaambia watu wote, “Nisogeleeni,” na watu wote wakamsogelea. Naye akatengeneza ile madhabahu ya BWANA ambayo ilikuwa imeharibika.
Ary hoy Elia tamin’ ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran’ i Jehovah izay efa rava
31 Eliya akachukua mawe kumi na mawili, kila jiwe moja liliwakilisha kabila moja la wana wa Yakobo - ni kupitia Yakobo kwamba neno la BWANA lilikuja, likisema, “Jina lako litakuwa Israel.”
ka naka vato roa ambin’ ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ ny zanak’ i Jakoba, izay nihavian’ ilay tenin’ i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;
32 Kwa kutumia hayo mawe aliijenga ile madhabahu kwa jina la BWANA na akachimba mfereji kuizunguka ile madhabahu kubwa kiasi cha kubeba lita kumi na tano za maji.
ary izany vato izany dia nataony alitara ho an’ ny anaran’ i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan’ ny famarana.
33 Kisha akaweka kuni kwa ajili ya moto na akamkatakata yule ng'ombe katika vipande vipande na akaweka vile vipande juu ya kuni. Na akasema, “Vijazeni maji hivyo vyombo na yamwageni kwenye hiyo sadaka ya kueketezwa na juu ya hizo kuni.”
Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr’ ombilahy ka nametraka azy teo ambonin’ ny kitay hazo,
34 Akasema tena fanyeni hivyo mara ya pili,” nao wakafanya kwa mara ya pili. kisha akasema, “Fanyeni mara ya tatu,” nao wakafanya kwa mara ya tatu.
dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ ny fanatitra dorana sy amin’ ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.
35 Maji yakaizunguka ile madhabahu na kuujaza ule mfereji.
Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.
36 Ikawa wakati wa kutoa dhabihu ya jioni, nabii Eliya akasogea na akasema, “BWANA, Mungu wa Abrahamu, na wa Isaka, na wa Israeli, na ijulikane leo kwamba wewe ndiye Mungu wa Israeli, na kwamba mimi ni mtumishi wako, na kwamba nimeyafanya mambo haya yote kwa jina lako.
Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
37 Nisikie, BWANA, nisike, ili hawa watu wajue kuwa wewe, BWANA, ndiye Mungu, na kwamba umeirudisha mioyo yao kwako tena.”
Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.
38 Ndipo moto wa BWANA ukashuka ukairamba ile sadaka, pamoja na zile kuni, mawe na mavumbi, na kuyaramba yale maji yaliyokuwa kwenye ule mfereji.
Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ ny hady kely.
39 watu wote walipoona haya, wakalala kifudifudi chini wakasema, “BWANA, ndiye Mungu! BWANA ndiye Mungu!
Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
40 Kwa hiyo Eliya akawaambia, “Wakamateni manabii wa Baali. Msimwache hata mmoja wao atoroke.” Kwa hiyo wakawakamata, na Eliya akawaleta manabii wa Baali chini kwenye kijito cha Kishoni na akawaua huko.
Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin’ i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin’ ny olona izy; ary nentin’ i Elia ho eo amin’ ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
41 Eliya akamwambia Ahabu, “Inuka, ule na kunywa, kwa kuwa kuna sauti ya mvua kubwa.”
Ary hoy Elia tamin’ i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.
42 Kwa hiyo Ahabu akaenda akala na knywa. Kisha Eliya akaenda juu ya mlima Kameli, akasudu chini na akaweka uso wake katikati ya magoti.
Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon’ i Karmela, dia niankohoka tamin’ ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan’ ny lohaliny
43 Akamwambia mtumishi wake, “Nenda sasa, utazame upande wa bahari.” mtumishi wake akaenda na akasema, “Hakuna kitu,” Eliya akamwambia, “Nenda tena, mpaka mara saba.”
Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.
44 Ile mara ya saba mtumishi wake akasema, “Tazama, kuna wingu linapanda kutoka baharini, ni dogo kama mkono wa mtu.” Eliya akamjibu, Nenda ukamwambie Ahabu, 'Andaa gari lako na ushuke kabla mvua haijakuzuia.'”
Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan’ olona miakatra avy eny amin’ ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin’ i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan’ ny ranonorana ianao.
45 Ikatokea baada ya muda mfupi mbingu zikawa nyeusi kwa mawingu na upepo, na kulikuwa na mvua kubwa. Ahabu akapanda gari akaenda zake Yezreeli,
Ary vetivety dia maintin’ ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin’ ny kalesy ka nankany Jezirela.
46 lakini mkono wa BWANA ulikuwa juu ya Eliya. Akalikaza vazi lake kwa mshipi wake na akakimbia mbele ya Ahabu kwenye lango la Yezreeli.
Ary ny tànan’ i Jehovah dia tao amin’ i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.

< 1 Wafalme 18 >