< 1 Nyakati 21 >

1 Adui akainuka dhidi ya Israeli na kumchochea Daudi kuhesabu Israeli.
Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin’ ny Isiraely ka nanome saina an’ i Davida hanisa ny Isiraely.
2 Daudi akamwabia Yoabu na kwa wakuu wa Jeshi, “Nenda, wahesabu watu wa Israeli kutoka Beerisheba mpaka Dani na uniletee taarifa, ilinijue idadi yao.”
Dia hoy Davida tamin’ i Joaba sy tamin’ ireo lehiben’ ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
3 Yoabu akasema, “Yahweh na afanya jeshi lake mara mia zaidi ya lilivyo. Lakini bwana wangu mfalme, kwani wote hawamtumikii bwana wangu? kwa nini bwana wangu anataka hili? Kwa nini ulete hatia kwa Israeli?”
Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
4 Lakini neno la mfalme halikubadilika kwa Yoabu. Hivyo Yoabu akaondoka na kwenda Israeli yote. Kisha akarudi Yerusalemu.
Nefa tsy azon’ i Joaba nolavina ny tenin’ ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.
5 Yoabu akatoa taarifa ya idadi ya jumla ya wanaume wa mapambano kwa Daudi. Kulikuwa ndani ya Israeli wanaume 1, 100, 000 walio beba upanga. Yuda peke yake kulikuwa na wanajeshi 470, 000.
Ary natolotr’ i Joaba an’ i Davida ny isan’ ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ ny Joda.
6 Lakini Levi na Benjamini hawaku hesabiwa miongoni mwao, kwa kuwa amri ya mfalme ilimuudhi Yoabu.
Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin’ i Joaba ny tenin’ ny mpanjaka.
7 Mungu alikwazika na hili tendo, akashambulia Israeli.
Ary tsy sitrak’ Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
8 Daudi akamwambia Mungu, “Nimetenda dhambi kubwa kwa kufanya hili. Sasa chukua hatia ya mtumishi wako, nimetenda kwa ujinga sana.”
Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
9 Yahweh akamwambia Gadi, nabii wa Daudi,
Ary hoy Jehovah tamin’ i Gada mpahitan’ i Davida:
10 “Nenda useme kwa Daudi, “Hili ndilo Yahweh anasema: Ninakupa maamuzi matatu. Chagua moja wapo.”
Mandehana, ka lazao amin’ i Davida hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
11 Hivyo Gadi akaenda kwa Daudi na kusema, “Yahweh anasema hivi, 'Chagua moja ya haya:
Ary Gada nankany amin’ i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Mifidia:
12 kati ya miaka mitatu ya ukame, miezi mitatu unakimbizwa na adui zako na kupatwa na upanga wao, au siku tatu za upanga wa Yahweh, yani, pigo katika nchi, malaika wa Yahweh akiharibu nchi yote ya Israeli.' Hivyo sasa, amua jibu gani ni mpelekee yeye aliye nituma.”
Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan’ ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr’ i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin’ i Jehovah handringana eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin’ Izay naniraka ahy.
13 Kisha Daudi akamwambia Gadi, “Nipo katika shida kubwa sana. Acha nianguke katika mikono ya Yahweh kuliko kuangukia mikono ya mwanadamu, sababu matendo yake ya rehema ni makubwa mno.”
Ary hoy Davida tamin’ i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’ izay tànan’ olona.
14 Hivyo Yahweh akatuma pigo Israeli, na watu elfu sabini wakafa.
Dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.
15 Mungu akatuma malaika Yerusalemu kuiharibu. Wakati alipo taka kuiharibu, Yahweh akatazama na kubadili nia yake kuhusu shambulio. Akasema kwa malaika wa uharibifu, “Imetosha! Rudisha mkono wako.” Wakati huo malaika wa Yahweh alikua amesimama eneo la kupeta la Orinani Myebusi.
Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anilan’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
16 Daudi akatazama juu na kuona malaika wa Yahweh amesimama kati ya nchi na mbingu, akiwa na upanga mkonono mwake akiuelekeza Yerusalemu. Kisha Daudi na wazee, wakiwa wamevaa magunia, wakalala chini uso ukiwa kwenye ardhi.
Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’ i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon’ ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
17 Daudi akamwambia Mungu, “Sio mimi niliye amuru jeshi kuhesabiwa? Nimefanya hichi kitu kiovu. Lakini hawa kondoo, wamefanya nini? Yahweh Mungu wangu! Acha mkono wako unipige mimi na familia yangu, lakini usiache pigo iliendelee kubaki kwa watu wako.”
Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ ny areti-mandringana.
18 Hivyo malaika wa Yahweh akamuamuru Gadi kusema kwa Daudi, kwamba Daudi aende juu na kujenga madhabahu ya Yahweh katika eneo la kupeta la Oranani Myebusi.
Ary Gada nasain’ Ilay Anjelin’ i Jehovah hilaza amin’ i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
19 Daudi akaenda kama Gadi alivyo muelekeza cha kufanya kwa jina la Yahweh.
Koa dia niakatra Davida araka ny tenin’ i Gada, izay nolazainy tamin’ ny anaran’ i Jehovah.
20 Wakati Orinani akipepeta ngano, aligeuka na kumuona malaika. Yeye na wana wake wanne wakajificha.
Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin’ izay.
21 Wakati Daudi alipo kuja kwa Orinani, Orinani akatazama na kumuona Daudi. Aliacha eneo la kupeta na akamuinamia Daudi uso wake ukiwa kwenye ardhi.
Ary nony tonga teo amin’ i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an’ i Davida, ary dia niala avy teo amin’ ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Davida.
22 Kisha Daudi akasema kwa Orinani, “Niuzie hili eneo la kupeta, iliniweze kumjenga Yahweh madhabahu. Nitalipa gharama yote, ili pigo liondolewe kwa watu.”
Ary hoy Davida tamin’ i Araona: Mba omeo ahy amin’ izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an’ i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
23 Orinani wakwambia Daudi, “Chukuwa kama lako, bwana wangu mfalme. Fanya nalo linalo kupendeza. Tazama, nitakupa ng'ombe kwa sadaka ya kuteketeza, vifaa vya kupeta kwa ajili ya mbao, na ngano kwa sadaka ya mbegu; nitakupa yote wewe.”
Fa hoy Araona tamin’ i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.
24 Mfalme Daudi akamwambia Orinani, “Hapana, nina sisitiza kununua kwa bei yote. Sitachukua kilicho chako na kutoa kama sadaka ya kuteketeza kwa Yahweh kama haitanighramu chochote.”
Fa hoy Davida mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an’ i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin’ izay azoko fotsiny.
25 Hivyo Daudi akalipa shekeli mia sita ya dhahabu kwa hilo eneo.
Dia nomen’ i Davida sekely volamena lanjan’ enin-jato Araona ho vidin’ ny tany.
26 Daudi akajenga madhabahu ya Yahweh pale na kutoa sadaka za kuteketezwa na sadaka za ushirika. Akamuita Yahweh, aliye mjibu kwa moto kutoka mbinguni kwenye madhabahu ya sadaka za kuteketezwa.
Ary Davida nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an’ i Jehovah izy ka novaliany tamin’ ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
27 Kisha Yahweh akampa agizo malaika, na malaika akarudisha upanga kwenye mfuko wake.
Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin’ ny tranony ny sabany.
28 Daudi alipo ona kuwa Yahweh amemjibu kwenye eneo la kupeta la Orinani Myebusi, alitoa dhabihu pale pale kwa wakati huo.
Tamin’ izany andro izany, nony hitan’ i Davida fa novalian’ i Jehovah teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.
29 Sasa kwa wakati huo, hema la kuabudia la Yahweh, ambalo Musa alilitengeneza nyikani, na madhabahu ya sadaka za kuteketezwa, zilikuwa sehemu ya juu huko Gibeoni.
Fa ny tabernakelin’ i Jehovah izay nataon’ i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;
30 Walakini, Daudi hakuweza kwenda huko kumuliza Mungu muelekeo, kwa kuwa alikuwa anaogopa upanga wa malaika wa Yahweh.
nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan’ izany hanontany amin’ Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr’ Ilay Anjelin’ i Jehovah.

< 1 Nyakati 21 >