< 1 Nyakati 16 >

1 Wakaleta ndani Sanduku la Mungu na kuweka katika ya hema ambalo Daudi aliandaa. Kisha wakatoa sadaka ya kuteketeza na sadaka ya ushirika mbele ya Mungu.
Ary nampiditra ny Fiaran’ Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ ny lay izay naorin’ i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
2 Daudi alipo maliza kutoa dhabiu ya kuteketeza na sadaka za ushirika, aliwabariki watu kwa jina la Yahweh.
Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin’ ny anaran’ i Jehovah izy.
3 Alisambaza kwa kila Misraeli, mwanaume na mwanamke, kipande cha mkate, na kipande cha nyama, na keki ya mzabibu.
Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an’ ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.
4 Daudi aliewapangia baadhi ya Walawi kutumika mbele ya sanduku la Yahweh, na kusheherekea, kushukuru na kumsifu Yahweh, Mungu wa Israeli.
Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
5 Hawa Walawi walikuwa Asafu kiongozi, wa pili kutoka kwake Zekaria, Yeieli, Shemiramothi, Yehieli, Matithia, Eliabu, Benaia, Obedi Edomu, na Yeieli. Hawa walikuwa wacheze na vyombo vya uzi na vinubi. Asafu alikuwa apige upatu, kwa kelele.
Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
6 Benaia na Yahazieli walikuwa wakupiga tarumbeta kila mara, mbele sanduku la agano la Mungu.
Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra.
7 Kisha katika hiyo siku Daudi akawachagua Asafu na kaka zake kuimba hii nyimbo ya shukurani kwa Yahweh.
Tamin’ izay andro izay no voalohan’ ny nanendren’ i Davida an’ i Asafa sy ny rahalahiny hidera an’ i Jehovah.
8 Mpeni shukurani Yahweh, liitieni jina lake; fahamisheni mataifa matendo yake.
Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
9 Mwiimbieni, imbeni sifa kwake; semeni matendo yake ya ajabu.
Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
10 Jisifuni katika jina lake takatifu; mioyo ya wanao mtafuta Yahweh ishangilie.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
11 Mtafute Yahweh na nguvu zake; tafuteni uwepo wake siku zote.
Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
12 Kumbukeni matendo aliyo ya fanya kwenu, miujiza yake na amri za kinywa chake,
Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,
13 enyi uzao wa Israeli mtumishi wake, enyi watu wa Yakobo, wateule wake.
Hianareo taranak’ Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.
14 Yeye ni Yahweh, Mungu wetu. Amri zake zipo duniani kote.
Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
15 Tunzeni agano lake akilini mwenu milele, neno alilo liamuru kwa vizazi elfu moja.
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,
16 Anakumbuka agano alilo lifanya na Ibrahimu, na nadhiri yake kwake Isaka.
Eny, dia ilay nataony tamin’ i Abrahama sy ny fianianany tamin’ Isaka,
17 Hili ndilo alilo lithibitisha kwa Yakobo kama amri maalumu, na kwa Israeli kama agano la milele.
Izay naoriny ho lalàna ho an’ i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,
18 Alisema, “Nitakupa nchi ya Kanani kama sehemu ya urithi wako.”
Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina;
19 Nilisema hili mlipo kuwa wachache kwa idadi, wachache sana, mlipo kuwa wageni katika nchi.
Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
20 Walienda taifa hadi taifa, kutoka ufalme mmoja hadi mwingine.
Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,
21 Hakuwaruhusu yeyote awatese; aliwahadhibu wafalme kwa ajili yao.
Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
22 Alisema, “Msiwaguse wapakwa mafuta wangu, na msiwadhuru manabii wangu.”
Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
23 Imbeni kwa Yahweh, dunia yote; tangazeni wokovu wake siku hadi siku.
Mihira ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.
24 Kirini utukufu wake kwa mataifa, matendo yake makuu kwa mataifa yote.
Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
25 Kwa kuwa Yahweh ni mkuu na ni wakusifiwa sana, na ni wakuogopewa kuliko miungu yote.
Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ ny andriamanitra rehetra.
26 Kwa kuwa miungu ya mataifa ni sanamu, lakini ni Yahweh aliye umba mbingu.
Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
27 Uzuri wa ajabu na utukufu upo uweponi mwake. Uwezo na furaha upo kwake.
Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ ny fitoerany.
28 Mpeni sifa Yahweh, enyi koo za watu, mpeni sifa Yahweh utukufu na uwezo;
Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.
29 Mpeni Yahweh utukufu upasao jina lake. Leta sadaka na mje kwake. Muinamieni Yahweh katika utakatifu wa uzuri wake.
Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna
30 Mtetemeke mbele zake, dunia yote. Dunia imeimarishwa; haiwezi kutikisika.
Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
31 Mbingu nazo ziwe nafuraha, na dunia ifurahi; na wasema kwa mataifa yote, “Yahweh anatawala.”
Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin’ ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
32 Bahari na ingurume, na inayo ijaza ipige kelele kwa furaha. Mashamba yawe na furaha tele, na vyote vilivyomo ndani yake.
Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
33 Na miti iliyopo misituni ipige kelele kwa Yahweh, kwa kuwa anakuja kuhukumu dunia.
Dia hihoby eo anatrehan’ i Jehovah amin’ izay ny hazo an’ ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
34 Toeni shukurani kwa Yahweh, kwa kuwa ni mwema, uaminifu wa agano lake la dumu ata milele.
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
35 Kisha sema, “Tuokoe, Mungu wa wokovu wetu. Tukusanye pamoja na utuokoe kutoka kwa mataifa mengine, ilikwamba tutoe shukurani kwa jina lako takatifu na tufurahi katika sifa zako.”
Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
36 Na Yahweh, Mungu wa Israeli, asifiwe kutoka milele na milele. Watu wote wakasema, “Amina” na wakamsifu Yahweh.
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an’ i Jehovah.
37 Hivyo Daudi akamwacha Asafu na kaka zake pale mbele ya sanduku la Yahweh, kutumika daima mbele ya sanduku, kama kazi za kila siku zilivyo itaji. Obedi Edomu pamoja na ndugu sitini na nane walijumuishwa.
Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan’ i Davida teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan’ andro,
38 Obedi Edomu mwana wa Yeduthuni, pamoja na Hosa, walikuwa wawe walinzi wa lango.
ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak’ i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.
39 Zadoki kuhani na makuhani wenzake walikuwa watumike mbele ya hema la Yahweh katika mahali pa juu huko Gibeoni.
Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah teo amin’ ny fitoerana avo any Gibeona,
40 Walikuwa watoe sadaka za kuteketeza kwa Yahweh kwenye madhabahu ya sadaka za kuteketeza daima asubui na jioni, kwa mujibu wa yote yalio andikwa katika amri za Yahweh, aliyo wapa Waisraeli kama sheria.
hanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah marain-tsy hariva eo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
41 Hemani na Yeduthuni walikuwa nao, pamoja na walio chaguliwa kwa jina, kumpa shukurani Yahweh, kwasababu uaminifu wa agano lake la dumu ata milele
ary naman’ ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
42 Hemani na Yeduthuni walikuwa viongozi wa wao waliopiga tarumbeta, upatu, na vyombo vingine kwa muziki wa kumuabudu Mungu. Wana wa Yeduthuni walilinda lango.
Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.
43 Kisha watu wote walirudi nyumbani, na Daudi akarudi kubariki nyumba yake.
Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.

< 1 Nyakati 16 >