< 1 Nyakati 12 >
1 Hawa walikuwa wanaume walio kuja kwa Daudi huko Zikilagi, wakati akiwa bado amefukuzwa katika uwepo wa Sauli mwana wa Kishi. Walikuwa miongoni mwa wanajeshi, wasaidizi wake katika mapambano.
Ary izao no nankany amin’ i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an’ i Saoly, zanak’ i Kisy; ary isan’ ny lehilahy mahery mpanampy amin’ ny ady ireo
2 Walikuwa wana upinde na waliweza kutumia mkono wa kuume na wakushoto kurusha mawe na manati na kupiga mishale kutoka kwenye upinde. Walikuwa Wabenjamini, ndugu wa kabila moja na Sauli.
sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ ny Benjamita, rahalahin’ i Saoly, ireo.
3 Kiongozi alikuwa Ahi Eza, halafu Yoashi, Wana wote wa Shemaa Mgibeathi. Kulikuwa na Yezieli na Peleti, wana wa Azimavethi. Kulikuwa pia na Beraka, Yehu Waanathothi,
Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak’ i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak’ i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita
4 Ishimaia Mgibeoni, mwanajeshi kati ya wale thelathini ( na kiongozi wa wale thelathini); Yeremia, Yahazieli, Yohana, Yozabadi Wagederathi,
ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan’ ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita
5 Eluzai, Yerimothi, Bealia, Shemaria, Shefatia Waharufi,
sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita
6 Wakorahi ni Elkana, Ishia, Azareli, Yoeza, Yashobeamu, na
sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraïta
7 Yoela na Zebadia, wana wa Yeroham wa Gedori.
ary Joela sy Zebadia, zanak’ i Jerohama avy any Gedora.
8 Baadhi ya Wagadi walijiunga na Daudi katika ngome iliyo nyikani. Walikuwa wanaume wapiganaji, waliofundishwa kwa mapambano, walioweza kumudu ngao na mkuki; ambao nyuso zao zilikuwa kali kama za simba. Walikuwa wepesi kwenye milima kama swala.
Ary tamin’ ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an’ i Davida ho amin’ ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.
9 Kulikuwa na Eza kiongozi, Obadia wapili, Eliabu watatu,
Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,
10 Mishimana wanne, Yeremia watano,
Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,
11 Atai wasita, Elieli wasaba,
Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,
12 Yohana wanane, Elizabadi watisa,
Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,
13 Yeremia wakumi, Makibanai wakumi na moja.
Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin’ ny folo.
14 Wana wa Gadi walikuwa viongozi wa jeshi. Wamwisho aliongoza mia moja, na mkubwa aliongoza elfu moja.
Ireo no isan’ ny taranak’ i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.
15 Walikatisha Yordani kwa mwezi wa kwanza, wakati vijito vyake vilipofurika, na kuwafukuza wote wanaoishi katika mabonde, pande zote za mashariki na magharibi.
Ireo no nita an’ i Jordana tamin’ ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.
16 Baadhi ya wanaume wa Benjamini na Yuda walikuja kwenye ngome kwa Daudi.
Ary nisy tamin’ ny taranak’ i Benjamina sy Joda nankany amin’ i Davida tany amin’ ny fiarovana.
17 Daudi alienda nje kuwasalimu na kuwahutubia: “kama mmekuja kwa amani kunisaidia, mnaweza kujiunga nami. Lakini kama mmekuja kunisaliti kwa maadui zangu, Ee Mungu wa mababu zetu awaone na kuwakemea, tangu sijafanya kosa.”
Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon’ ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
18 Kisha roho ikaja juu ya Amasai, ambaye alikuwa kiongozi wa wale thelathini. Amasai alisema, “Sisi ni wako, Daudi. Sisi tupo upande wako, mwana wa Yesse. na amani iwe juu ya yeyote atakaye kusaidia. Kuwa Mungu wako anakusaidia.” Kisha Daudi akawapokea na kuwafanya wakuu wa watu wake.
Ary Amasay, lehiben’ ny mpanafika malaza, dia nampitenenin’ ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak’ i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’ ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’ i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
19 Baadhi kutoka kwa Manase pia wakamwendea Daudi alipokuja na Wafilisti dhidi ya Sauli katika pambano. Lakini hawakuwasaidia Wafilisti kwasababu mabwana wa Wafilisti walishauriana na wakamfukuza Daudi. Walisema, “Atamwendea Bwana wake Sauli na kuhatarisha maisha yetu.”
Ary nisy sasany tamin’ ny Manase niala hanatona an’ i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin’ i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan’ ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin’ i Saoly tompony.
20 Alipokwenda kwa Zikilagi, wanaume wa Manase walioungana nae walikuwa Adina, Yozabadi, Yediaeli, Yozabadi, Elihu, na Zilethai, viongozi wa maelfu wa Manase.
Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin’ ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin’ ny Manase.
21 Walimsaidia Daudi kupigana na kikundi cha wezi, maana walikuwa wanaume wa mapambano. Baadae walikuwa wakuu katika jeshi.
Ary ireo dia nanampy an’ i Davida hamely ny antokon’ ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin’ ny miaramila.
22 Siku hadi siku, wanaume walikuja kwa Daudi kumsaidia, mpaka wakawa jeshi kubwa, kama jeshi la Mungu.
Fa tamin’ izany nisy nankany amin’ i Davida isan’ andro isan’ andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’ Andriamanitra.
23 Hii ni kumbukumbu ya wanajeshi wa vita, walio kuja kwa Daudi Hebroni, kuupindua ufalme wa Sauli kwake, ilikutimiza neno la Yahweh.
Ary izao no isan’ ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’ i Saoly ho azy araka ny tenin’ i Jehovah:
24 Kutoka Yuda walio beba ngao na mkuki ni 6, 800, tayari kwa vita.
Tamin’ ny taranak’ i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.
25 Kutoka kwa Wasimeoni walikuwa 7, 100 wanaume wa mapambano.
Tamin’ ny taranak’ i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin’ ny ady.
26 Kutoka kwa Walawi kulikuwa na wanaume wa mapambano 4, 600.
Tamin’ ny taranak’ i Levy, enin-jato amby efatra arivo.
27 Yehoiada alikuwa kiongozi wa uzao wa Aruni, na kwa yeye walikuwa 3, 700.
Ary Joiada dia lehiben’ ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;
28 Kwa Zadoki, kijana, mwenye nguvu, na mjasiri, walikuwa viongozi ishirini na mbili kwa familia ya baba yake.
ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.
29 Kutoka kwa Benjamini, kabila la Sauli, walikuwa elfu tatu. Wengi wao walibaki waaminifu kwa Sauli mpaka muda huu.
Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina, havan’ i Saoly, telo arivo; fa hatramin’ izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin’ i Saoly ihany.
30 Kutoka kwa Waefraimu palikuwa na wanume wa mapambano 20, 800, wanaume maharufu kwenye familia za baba zao.
Ary tamin’ ny taranak’ i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ ny fianakaviany avy.
31 Kutoka kabila nusu la Manase palikuwa na wanaume elfu kumi na nane maharufu walio kuja kufanya Daudi mfalme.
Ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an’ i Davida.
32 Kutoka kwa Isakari, palikuwa na viongozi mia mbili walio kuwa na ufahamu wa nyakati na walijua nini Israeli ya paswa kufanya. Ndugu zao wote walikuwa chini ya amri yao.
Ary tamin’ ny taranak’ Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon’ ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.
33 Kutoka Zebuloni palikuwa na wanaume elfu hamsini wa mapambano, tayari kwa vita, na silaha zote za vita, na tayari kutoa uwaminifu usio pungua.
Tamin’ ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin’ ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin’ ny firaisan-kina.
34 Kutoka kwa Naftali palikuwa na askari elfu moja, na pamoja nao wanaume elfu thelathini na saba wenye ngao na mikuki.
Ary tamin’ ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin’ ampinga lehibe sy lefona.
35 Kutoka kwa Wadani palikuwa na wanaume 28, 600 wameandaliwa kwa ajili ya pambano.
Ary tamin’ ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.
36 Kutoka kwa Asheri palikuwa na wanaume elfu arobaini wameandaliwa kwa pambano.
Ary tamin’ ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.
37 Kutoka upande wa pili wa Yordani, kutoka kwa Warubeni, Wagadi, na nusu kabila la Manase, palikuwa na wanaume 120, 000 wameandaliwa na silaha za kila namna kwa ajili ya pambano.
Ary avy tany an-dafin’ i Jordana, tamin’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra.
38 Wanajeshi hawa wote, waliandaliwa kwa pambano, kuja Hebroni kwa dhumuni maalumu la kumfanya Daudi mfalme wa Israeli yote. Israeli yote ilikubaliana na kumfanya Daudi mfalme.
Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’ i Davida amin’ ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an’ i Davida.
39 Walikuwa na Daudi siku tatu, kula na kunywa, kwa kuwa ndugu zao waliwapa mahitaji ya kwenda nayo.
Ary tao amin’ i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.
40 Kwa kuongezea, wao walio kuwa karibu nao, kwa umbali wa Isakari na Zebuloni na Naftali, walileta mkate kwa punda, ngamia, ng'ombe, na keki, mvinyo, mafuta, ng'ombe, na kondoo, kwa kuwa Israeli walikuwa wana sherehekea
Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin’ ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan’ aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman’ osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin’ ny Isiraely.