< Sefania 1 >
1 Neno la Bwana lililomjia Sefania mwana wa Kushi, mwana wa Gedalia, mwana wa Amaria, mwana wa Hezekia, wakati wa utawala wa Yosia mwana wa Amoni mfalme wa Yuda:
Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Zefania, zanak’ i Kosy, zanak’ i Gedalia, zanak’ i Amaria, zanak’ i Hezekia, tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda.
2 Bwana asema, “Nitafagia kila kitu kutoka kwenye uso wa dunia.”
Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ ny tany, hoy Jehovah;
3 “Nitafagilia mbali watu na wanyama; nitafagilia mbali ndege wa angani na samaki wa baharini. Wafanyao maovu watapata tu kokoto, nami nitamkatilia mbali mwanadamu atoke katika dunia,” asema Bwana.
Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin’ ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin’ ny tany ny olona, hoy Jehovah.
4 “Nitaiadhibu Yuda na wote wakaao Yerusalemu. Kutoka mahali hapa nitakatilia mbali kila mabaki ya Baali, majina ya wapagani na makuhani waabuduo sanamu:
Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin’ ity tany ity ny sisa amin’ i Bala, Sy ny anaran’ ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy mbamin’ ny tena mpisorona,
5 wale ambao husujudu juu ya mapaa kuabudu jeshi la vitu vya angani, wale ambao husujudu na kuapa kwa Bwana na ambao pia huapa kwa Malkamu,
Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin’ izay eny amin’ ny lanitra, Ary izay miankohoka sy mianiana ho an’ i Jehovah Sady mianiana amin’ i Malkama,
6 wale wanaoacha kumfuata Bwana, wala hawamtafuti Bwana wala kutaka shauri lake.
Ary izay nihemotra niala tamin’ i Jehovah, Sy izay tsy nitady an’ i Jehovah na nanontany taminy.
7 Nyamazeni mbele za Bwana Mwenyezi, kwa maana siku ya Bwana iko karibu. Bwana ameandaa dhabihu, amewaweka wakfu wale aliowaalika.
Mangìna eo anatrehan’ i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
8 Katika siku ya dhabihu ya Bwana nitawaadhibu wakuu na wana wa mfalme na wale wote wanaovaa nguo za kigeni.
Ary raha mby amin’ ny andro hamonoan’ i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak’ andriana Mbamin’ izay rehetra mitafy ny fitafin’ ny firenena hafa.
9 Katika siku hiyo nitaadhibu wote ambao hukwepa kukanyaga kizingiti, ambao hujaza hekalu la miungu yao kwa dhuluma na udanganyifu.”
Ary amin’ izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon’ ny tompony.
10 Bwana asema, “Katika siku hiyo kilio kitapanda juu kutoka lango la Samaki, maombolezo kutoka mtaa wa pili, na mshindo mkubwa kutoka vilimani.
Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin’ ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin’ ny havoana.
11 Ombolezeni, ninyi mnaoishi katika eneo la sokoni; wafanyabiashara wenu wote wameangamizwa, wote ambao wanafanya biashara ya fedha wataangamizwa.
Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.
12 Wakati huo nitasaka mji wa Yerusalemu kwa taa, na kuwaadhibu wale ambao wanakaa katika hali ya kuridhika, ambao ni kama divai iliyobaki kwenye machicha, ambao hudhani, ‘Bwana hatafanya lolote, jema au baya.’
Ary amin’ izany andro izany dia hotsiloviko amin’ ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
13 Utajiri wao utatekwa nyara, nyumba zao zitabomolewa. Watajenga nyumba, lakini hawataishi ndani yake; watapanda mizabibu lakini hawatakunywa divai yake.
Ka dia ho tonga babo ny fananan’ ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
14 “Siku kubwa ya Bwana iko karibu: iko karibu na inakuja haraka. Sikilizeni! Kilio katika siku ya Bwana kitakuwa kichungu, hata shujaa atapiga kelele.
Efa antomotra ny andro lehiben’ i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon’ ny andron’ i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
15 Siku ile ni siku ya ghadhabu, siku ya fadhaa na dhiki, siku ya uharibifu na ukiwa, siku ya giza na utusitusi, siku ya mawingu na giza nene,
Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
16 siku ya tarumbeta na mlio wa vita dhidi ya miji yenye ngome na dhidi ya minara mirefu.
Andro fahaveloman’ ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ ny zorony.
17 Nitawaletea watu dhiki, nao watatembea kama vipofu, kwa sababu wametenda dhambi dhidi ya Bwana. Damu yao itamwagwa kama vumbi na matumbo yao kama taka.
Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin’ i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.
18 Fedha yao wala dhahabu yao hazitaweza kuwaokoa katika siku hiyo ya ghadhabu ya Bwana. Katika moto wa wivu wake dunia yote itateketezwa, kwa maana ataleta mwisho wa wote wanaoishi katika dunia ghafula.”
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, Fa holevonin’ ny afon’ ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ ny mponina amin’ ny tany.