< Zekaria 4 >

1 Kisha malaika aliyezungumza nami akarudi na kuniamsha, kama mtu aamshwavyo kutoka usingizi wake.
Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.
2 Akaniuliza, “Unaona nini?” Nikajibu, “Ninaona kinara cha taa cha dhahabu tupu, nacho kina bakuli juu yake na taa zake saba juu yake, tena iko mirija saba ya kuleta mafuta, kwenye taa zote zilizo juu yake.
Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ ny isan’ ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
3 Pia kuna mizeituni miwili karibu yake, mmoja upande wa kuume wa bakuli na mwingine upande wa kushoto.”
ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo ankavanan’ ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.
4 Nikamuuliza malaika aliyezungumza nami, “Hivi ni vitu gani, bwana wangu?”
Dia niteny tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5 Akanijibu, “Hujui kuwa hivi ni vitu gani?” Nikajibu, “Hapana, bwana wangu.”
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.
6 Kisha akaniambia, “Hili ni neno la Bwana kwa Zerubabeli: ‘Si kwa uwezo, wala si kwa nguvu, bali ni kwa Roho yangu,’ asema Bwana Mwenye Nguvu Zote.
Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin’ i Jehovah amin’ i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
7 “Wewe ni kitu gani, ee mlima mkubwa sana? Mbele ya Zerubabeli wewe utakuwa ardhi tambarare. Kisha ataweka jiwe la juu kabisa la mwisho na watu wakipiga kelele wakisema, ‘Mungu libariki! Mungu libariki!’”
Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’ i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
8 Kisha neno la Bwana likanijia:
Dia tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
9 “Mikono ya Zerubabeli iliweka msingi wa Hekalu hili, mikono yake pia italimalizia. Kisha mtajua ya kuwa Bwana Mwenye Nguvu Zote amenituma mimi kwenu.
Ny tànan’ i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
10 “Ni nani anayeidharau siku ya mambo madogo? Watu watashangilia watakapoona timazi mkononi mwa Zerubabeli. “(Hizi saba ni macho ya Bwana ambayo huzunguka duniani kote.)”
Fa iza no nanamavo ny andron’ ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan’ i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason’ i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra
11 Kisha nikamuuliza yule malaika, “Hii mizeituni miwili iliyoko upande wa kuume na wa kushoto wa kinara cha taa ni nini?”
Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?
12 Tena nikamuuliza, “Haya matawi mawili ya mizeituni karibu na hiyo mirija miwili ya dhahabu inayomimina mafuta ya dhahabu ni nini?”
Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon’ oliva roa eo amin’ ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
13 Akajibu, “Hujui kuwa haya ni nini?” Nikamjibu, “Hapana, bwana wangu.”
Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.
14 Kwa hiyo akasema, “Hawa ni wawili ambao wamepakwa mafuta ili kumtumikia Bwana wa dunia yote.”
Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.

< Zekaria 4 >