< Zekaria 10 >
1 Mwombeni Bwana mvua wakati wa vuli; ndiye Bwana atengenezaye mawingu ya tufani. Huwapa watu manyunyu ya mvua, pia mimea ya shambani kwa ajili ya kila mtu.
Mangataha ranonorana amin’ i Jehovah ianareo amin’ ny andro fara-orana, Dia amin’ i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
2 Sanamu huzungumza udanganyifu, waaguzi huona maono ya uongo; husimulia ndoto ambazo si za kweli, wanatoa faraja batili. Kwa hiyo watu wanatangatanga kama kondoo walioonewa kwa kukosa mchungaji.
Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.
3 “Hasira yangu inawaka dhidi ya wachungaji, nami nitawaadhibu viongozi; kwa kuwa Bwana Mwenye Nguvu Zote atalichunga kundi lake, nyumba ya Yuda, naye atawafanya kuwa kama farasi mwenye kiburi akiwa vitani.
Amin’ ny mpiandry ondry no irehetan’ ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, efa namangy ny taranak’ i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin’ ny ady.
4 Kutoka Yuda litatokea Jiwe la pembeni, kutoka kwake vitatoka vigingi vya hema, kutoka kwake utatoka upinde wa vita, kutoka kwake atatoka kila mtawala.
Avy ao aminy no hihavian’ ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian’ ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian’ ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian’ ny mpampahory rehetra.
5 Kwa pamoja watakuwa kama mashujaa wanaokanyaga barabara za matope wakati wa vita. Kwa sababu Bwana yu pamoja nao, watapigana na kuwashinda wapanda farasi.
Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
6 “Nitaiimarisha nyumba ya Yuda na kuiokoa nyumba ya Yosefu. Nitawarejesha kwa sababu nina huruma juu yao. Watakuwa kama watu ambao sijawahi kuwakataa kwa sababu mimi ndimi Bwana Mungu wao, nami nitawajibu.
Hampahery ny taranak’ i Joda Aho, Ary ny taranak’ i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.
7 Waefraimu watakuwa kama mashujaa, mioyo yao itafurahi kana kwamba ni kwa divai. Watoto wao wataona na kufurahi, mioyo yao itashangilia katika Bwana.
Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon’ ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin’ i Jehovah ny fony.
8 Nitawaashiria na kuwakusanya ndani. Hakika nitawakomboa, nao watakuwa wengi kama walivyokuwa mwanzoni.
Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
9 Ijapokuwa niliwatawanya miongoni mwa mataifa, hata hivyo wakiwa katika nchi za mbali watanikumbuka mimi. Wao na watoto wao watanusurika katika hatari nao watarudi.
Ary hafafiko any amin’ ny firenena izy, Ka any amin’ ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin’ ny zanany ka hiverina
10 Nitawarudisha kutoka Misri na kuwakusanya toka Ashuru. Nitawaleta katika nchi ya Gileadi na Lebanoni, na hapo hapatakuwa na nafasi ya kuwatosha.
Dia hampody azy avy any amin’ ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin’ ny tany Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
11 Watapita katika bahari ya mateso; bahari iliyochafuka itatulizwa na vilindi vyote vya Mto Naili vitakauka. Kiburi cha Ashuru kitashushwa, nayo fimbo ya utawala ya Misri itatoweka.
Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin’ i Neily rehetra, Haetry ny avonavon’ i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan’ i Egypta.
12 Nitawaimarisha katika Bwana, na katika jina lake watatembea,” asema Bwana.
Dia hampahereziko ao amin’ i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.