< Ruth 1 >

1 Wakati Waamuzi walipotawala Israeli, kulikuwa na njaa katika nchi. Mtu mmoja kutoka nchi ya Bethlehemu ya Yuda, pamoja na mke wake na wanawe wawili, akaenda kuishi katika nchi ya Moabu.
Ary tamin’ ny andro nitsaran’ ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin’ ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny zanany roa lahy;
2 Mtu huyu aliitwa Elimeleki, mkewe aliitwa Naomi, na hao wanawe wawili waliitwa Maloni na Kilioni. Walikuwa Waefrathi kutoka Bethlehemu ya Yuda. Wakaenda katika nchi ya Moabu, wakaishi huko.
Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran’ ny vadiny, ary ny anaran’ ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin’ ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
3 Elimeleki mumewe Naomi akafa, hivyo Naomi akabaki na wanawe wawili.
Ary maty Elimeleka, vadin’ i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa.
4 Nao wakaoa wanawake Wamoabu, jina la mmoja aliitwa Orpa, na wa pili aliitwa Ruthu. Baada ya kama miaka kumi,
Ary naka vady tamin’ ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran’ ny anankiray, ary Rota no anaran’ ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.
5 Maloni na Kilioni pia wakafa. Basi Naomi akabaki hana mume wala wanawe wawili.
Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy.
6 Aliposikia akiwa huko Moabu kwamba Bwana amewasaidia watu wake kwa kuwapa chakula, Naomi na wakweze wakajiandaa kurudi nyumbani.
Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin’ ny tany Moaba; fa efa reny tany amin’ ny tany Moaba fa novangian’ i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.
7 Yeye na wakweze wawili wakaondoka pale walipokuwa wakiishi na kushika njia kurudi nchi ya Yuda.
Dia niala tamin’ izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin’ ny tanin’ ny Joda.
8 Ndipo Naomi akawaambia wale wakwe zake wawili, “Rudini, kila mmoja wenu nyumbani kwa mama yake. Bwana na awatendee fadhili kama mlivyowatendea hao waliofariki, na pia mimi.
Ary hoy Naomy tamin’ ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin’ ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin’ i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin’ ny maty sy tamiko koa.
9 Bwana na amjalie kila mmoja wenu maisha mema nyumbani kwa mume mwingine.” Kisha akawabusu, nao wakalia kwa sauti kubwa,
Homen’ i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin’ izay tranon’ ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.
10 wakamwambia, “Tutarudi pamoja na wewe nyumbani kwa watu wako.”
Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin’ ny firenenao.
11 Lakini Naomi akasema, “Rudini nyumbani, binti zangu. Kwa nini mnifuate? Je, mimi nitaweza tena kuwa na wana wengine ambao wataweza kuwaoa ninyi?
Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?
12 Rudini nyumbani, binti zangu; mimi ni mzee kiasi kwamba siwezi kumpata mume mwingine. Hata kama ningefikiria kuwa bado kuna tumaini kwangu, hata kama ningekuwa na mume usiku huu na kuwazaa wana,
Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
13 je, mngesubiri mpaka wakue? Mngebakia bila kuolewa mkiwasubiri? La, hasha, binti zangu. Nimepata uchungu kuliko ninyi, kwa sababu mkono wa Bwana umekuwa kinyume nami!”
moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan’ i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy.
14 Kisha wakalia tena kwa sauti. Orpa akambusu mama mkwe wake, akaenda zake, lakini Ruthu akaambatana naye.
Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.
15 Naomi akamwambia, “Tazama, mwenzako anarejea kwa watu wake na kwa miungu yake. Rudi pamoja naye.”
Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin’ ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.
16 Lakini Ruthu akajibu, “Usinisihi nikuache au niache kukufuata. Utakakokwenda nami nitakwenda, na wewe utakapoishi nitaishi. Watu wako watakuwa watu wangu, na Mungu wako atakuwa Mungu wangu.
Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin’ ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
17 Pale utakapofia nami nitafia hapo, na papo hapo nitazikwa. Bwana na aniadhibu vikali, kama kitu kingine chochote kitanitenga nawe isipokuwa kifo.”
izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’ i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
18 Naomi alipotambua kwamba Ruthu amenuia kufuatana naye, hakuendelea kumsihi tena.
Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy.
19 Kwa hiyo hao wanawake wawili wakaondoka, wakafika Bethlehemu. Walipofika Bethlehemu, mji mzima ulitaharuki, wanawake wakashangaa, wakasema, “Huyu aweza kuwa ni Naomi?”
Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?
20 Akawaambia, “Msiniite tena Naomi, niiteni Mara, kwa sababu Mwenyezi amenitendea mambo machungu sana.
Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon’ ny Tsitoha amiko.
21 Mimi niliondoka hali nimejaa, lakini Bwana amenirudisha mtupu. Kwa nini kuniita Naomi? Bwana amenitendea mambo machungu; Mwenyezi ameniletea msiba.”
Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin’ i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?
22 Kwa hiyo Naomi alirudi pamoja na Ruthu Mmoabu mkwe wake, nao wakafika Bethlehemu mwanzoni mwa kuvuna shayiri.
Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy, nomba azy tamin’ izy niverina avy tany amin’ ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin’ ny niandohan’ ny taom-pijinjana ny vary hordea.

< Ruth 1 >