< Zaburi 92 >

1 Zaburi. Wimbo wa siku ya Sabato. Ni vyema kumshukuru Bwana na kuliimbia jina lako, Ee Uliye Juu Sana,
Salamo. Tonon-kira hatao amin’ ny andro Sabata. Tsara ny hidera an’ i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
2 kuutangaza upendo wako asubuhi, na uaminifu wako wakati wa usiku,
Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
3 kwa zeze yenye nyuzi kumi na kwa sauti ya kinubi.
Amin’ ny valiha tory folo Sy amin’ ny feon-dokanga.
4 Ee Bwana, kwa kuwa matendo yako yamenifurahisha, nitaziimba kwa shangwe kazi za mikono yako.
Fa ampifalinao amin’ ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan’ ny tananao no hihobiako.
5 Ee Bwana, tazama jinsi yalivyo makuu matendo yako, tazama jinsi yalivyo ya kina mawazo yako!
Jehovah ô, akory ny halehiben’ ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
6 Mjinga hafahamu, mpumbavu haelewi,
Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
7 ingawa waovu huchipua kama majani na wote watendao mabaya wanastawi, wataangamizwa milele.
Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
8 Bali wewe, Ee Bwana, utatukuzwa milele.
Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
9 Ee Bwana, hakika adui zako, hakika adui zako wataangamia. Wote watendao mabaya watatawanyika.
Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
10 Umeitukuza pembe yangu kama ile ya nyati dume, mafuta mazuri yamemiminwa juu yangu.
Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an’ ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
11 Macho yangu yamewaona adui zangu wakishindwa, masikio yangu yamesikia maangamizi ya adui zangu waovu.
Ary faly ny masoko mahita ny amin’ ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
12 Wenye haki watastawi kama mtende, watakuwa kama mwerezi wa Lebanoni,
Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;
13 waliopandwa katika nyumba ya Bwana, watastawi katika nyua za Mungu wetu.
Efa nambolena tao an-tranon’ i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’ Andriamanitsika;
14 Wakati wa uzee watakuwa bado wanazaa matunda, watakuwa wabichi tena wamejaa nguvu,
Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
15 wakitangaza, “Bwana ni mkamilifu; yeye ni Mwamba wangu, na ndani yake hamna uovu.”
Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.

< Zaburi 92 >