< Zaburi 83 >

1 Wimbo. Zaburi ya Asafu. Ee Mungu, usinyamaze kimya, usinyamaze, Ee Mungu, usitulie.
Tonon-kira. Salamo nataon’ i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangìna; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
2 Tazama watesi wako wanafanya fujo, jinsi adui zako wanavyoinua vichwa vyao.
Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
3 Kwa hila, wanafanya shauri dhidi ya watu wako, wanafanya shauri baya dhidi ya wale unaowapenda.
Ny olonao no iokoany amin’ ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
4 Wanasema, “Njooni, tuwaangamize kama taifa, ili jina la Israeli lisikumbukwe tena.”
Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ Isiraely.
5 Kwa nia moja wanapanga mashauri mabaya pamoja, wanafanya muungano dhidi yako,
Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
6 mahema ya Edomu na Waishmaeli, ya Wamoabu na Wahagari,
Dia ny lain’ ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
7 Gebali, Amoni na Amaleki, Ufilisti, pamoja na watu wa Tiro.
Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin’ ny mponina any Tyro.
8 Hata Ashuru wameungana nao kuwapa nguvu wazao wa Loti.
Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin’ ny taranak’ i Lota ireo. (Sela)
9 Uwatendee kama vile ulivyowatendea Midiani, na kama vile ulivyowatendea Sisera na Yabini hapo kijito cha Kishoni,
Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’ i Sisera sy Jabina teo amin’ ny ony Kisona;
10 ambao waliangamia huko Endori na wakawa kama takataka juu ya nchi.
Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
11 Wafanye wakuu wao kama Orebu na Zeebu, watawala wao kama Zeba na Salmuna,
Ataovy tahaka an’ i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an’ i Zebaha sy Zaimona,
12 ambao walisema, “Na tumiliki nchi ya malisho ya Mungu.”
Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan’ Andriamanitra.
13 Ee Mungu wangu, wapeperushe kama mavumbi ya kisulisuli, kama makapi yapeperushwayo na upepo.
Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin’ ny rivotra,
14 Kama vile moto uteketezavyo msitu au mwali wa moto unavyounguza milima,
Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
15 wafuatilie kwa tufani yako na kuwafadhaisha kwa dhoruba yako.
Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin’ ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin’ ny tafio-drivotrao.
16 Funika nyuso zao kwa aibu ili watu walitafute jina lako, Ee Bwana.
Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
17 Wao na waaibishwe na kufadhaishwa milele, na waangamie kwa aibu.
Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
18 Hebu wajue kwamba wewe, ambaye jina lako ni Bwana, kwamba wewe peke yako ndiwe Uliye Juu Sana ya dunia yote.
Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin’ ny tany rehetra.

< Zaburi 83 >