< Zaburi 77 >
1 Kwa mwimbishaji. Mtindo wa Yeduthuni. Zaburi ya Asafu. Nilimlilia Mungu ili anisaidie, nilimlilia Mungu ili anisikie.
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’ i Asafa. Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
2 Nilipokuwa katika taabu, nilimtafuta Bwana, usiku nilinyoosha mikono bila kuchoka na nafsi yangu ilikataa kufarijika.
Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
3 Ee Mungu, nilikukumbuka wewe, nikalia kwa huzuni; nikatafakari, roho yangu ikadhoofika.
Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. (Sela)
4 Ulizuia macho yangu kufumba; nilikuwa nasumbuka, nikashindwa kusema.
Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
5 Nilitafakari juu ya siku zilizopita, miaka mingi iliyopita,
Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
6 nilikumbuka nilivyoimba nyimbo usiku. Moyo wangu ulitafakari na roho yangu ikauliza:
Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
7 “Je, Bwana atakataa milele? Je, hatatenda mema tena?
Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
8 Je, upendo wake usio na mwisho umetoweka milele? Je, ahadi yake imekoma nyakati zote?
Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
9 Je, Mungu amesahau kuwa na huruma? Je, katika hasira amezuia huruma yake?”
Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny? (Sela)
10 Ndipo nikawaza, “Huu ndio udhaifu wangu: lakini nitakumbuka miaka ya mkono wa kuume wa Aliye Juu Sana.”
Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ ny tanana ankavanan’ ny Avo Indrindra.
11 Nitayakumbuka matendo ya Bwana; naam, nitaikumbuka miujiza yako ya zamani.
Hampahatsiaro ny asan’ i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
12 Nitazitafakari kazi zako zote na kuyawaza matendo yako makuu.
Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
13 Ee Mungu, njia zako ni takatifu. Ni mungu yupi aliye mkuu kama Mungu wetu?
Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masìna ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra?
14 Wewe ndiwe Mungu utendaye miujiza, umeonyesha uwezo wako katikati ya mataifa.
Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao.
15 Kwa mkono wako wenye nguvu umewakomboa watu wako, uzao wa Yakobo na Yosefu.
Navotan’ ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’ i Jakoba sy Josefa. (Sela)
16 Maji yalikuona, Ee Mungu, maji yalikuona yakakimbia, vilindi vilitetemeka.
Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
17 Mawingu yalimwaga maji, mbingu zikatoa ngurumo kwa radi, mishale yako ikametameta huku na huko.
Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
18 Ngurumo yako ilisikika katika upepo wa kisulisuli, umeme wako wa radi ukaangaza dunia, nchi ikatetemeka na kutikisika.
Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
19 Njia yako ilipita baharini, mapito yako kwenye maji makuu, ingawa nyayo zako hazikuonekana.
Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
20 Uliongoza watu wako kama kundi kwa mkono wa Mose na Aroni.
Ny tanan’ i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.