< Zaburi 66 >
1 Kwa mwimbishaji. Wimbo. Zaburi. Mpigieni Mungu kelele za shangwe, dunia yote!
Ho an’ ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo.
2 Imbeni utukufu wa jina lake; mpeni sifa zake kwa utukufu!
Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
3 Mwambieni Mungu, “Jinsi gani yalivyo ya kutisha matendo yako! Uwezo wako ni mkuu mno kiasi kwamba adui wananyenyekea mbele zako.
Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao.
4 Dunia yote yakusujudia, wanakuimbia wewe sifa, wanaliimbia sifa jina lako.”
Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. (Sela)
5 Njooni mwone yale Mungu aliyoyatenda, mambo ya kutisha aliyoyatenda miongoni mwa wanadamu!
Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ ny zanak’ olombelona.
6 Alifanya bahari kuwa nchi kavu, wakapita kati ya maji kwa miguu, njooni, tumshangilie.
Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.
7 Yeye hutawala kwa uwezo wake milele, macho yake huangalia mataifa yote: waasi wasithubutu kujiinua dhidi yake.
Manjaka mandrakizay amin’ ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. (Sela)
8 Enyi mataifa, msifuni Mungu wetu, sauti ya sifa yake isikike,
Misaora an’ Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
9 ameyahifadhi maisha yetu na kuizuia miguu yetu kuteleza.
Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
10 Ee Mungu, wewe ulitujaribu, ukatusafisha kama fedha.
Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy.
11 Umetuingiza kwenye nyavu na umetubebesha mizigo mizito migongoni mwetu.
Efa nampiditra anay tamin’ ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
12 Uliwaruhusu watu watukalie vichwani, tulipita kwenye moto na kwenye maji, lakini ulituleta kwenye nchi iliyojaa utajiri tele.
Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ ny fitahiana mahatretrika Hianao.
13 Nitakuja hekaluni mwako na sadaka za kuteketezwa na kukutimizia nadhiri zangu:
Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
14 nadhiri ambazo midomo yangu iliahidi na nilizotamka kwa kinywa changu nilipokuwa katika shida.
Izay notononin’ ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
15 Nitakutolea dhabihu za wanyama wanono na sadaka za kondoo dume, nitakutolea mafahali na mbuzi.
Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. (Sela)
16 Njooni msikilize ninyi nyote mnaomcha Mungu, nami niwaambie aliyonitendea.
Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko.
17 Nilimlilia kwa kinywa changu, sifa zake zilikuwa katika ulimi wangu.
Izy no nantsoin’ ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ ny lelako.
18 Kama ningekuwa nimeyaficha maovu moyoni mwangu, Bwana asingekuwa amenisikiliza;
Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
19 lakini hakika Mungu amenisikiliza na amesikia sauti yangu katika maombi.
Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon’ ny fivavako Izy.
20 Sifa apewe Mungu, ambaye hakulikataa ombi langu wala kunizuilia upendo wake!
Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.