< Zaburi 58 >
1 Kwa mwimbishaji. Mtindo wa “Usiharibu!” Utenzi wa Daudi. Enyi watawala, je, kweli mwanena kwa haki? Je, mnahukumu kwa unyofu miongoni mwa watu?
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak’ olombelona?
2 La, mioyoni mwenu mnatunga udhalimu, na mikono yenu hupima jeuri duniani.
Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan’ ny tananareo etỳ an-tany ianareo.
3 Waovu ni wapotovu tangu kuzaliwa kwao, toka tumboni mwa mama zao ni wakaidi na husema uongo.
Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
4 Sumu yao ni kama sumu ya nyoka, kama ile ya fira ambaye ameziba masikio yake,
Misy poizina tahaka ny an’ ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,
5 ambaye hatasikia sauti ya kutumbuiza ya mwaguzi, hata kama mganga angecheza kwa ustadi kiasi gani.
Ka tsy mihaino ny feon’ ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.
6 Ee Mungu, yavunje meno katika vinywa vyao; Ee Bwana, vunja meno makali ya hao simba!
Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan’ ny liona tanora, Jehovah ô.
7 Na watoweke kama maji yapitayo kwa kasi, wavutapo pinde zao, mishale yao na iwe butu.
Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;
8 Kama konokono ayeyukavyo akitembea, kama mtoto aliyezaliwa akiwa mfu, wasilione jua.
Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.
9 Kabla vyungu vyenu havijapata moto wa kuni za miiba, zikiwa mbichi au kavu, waovu watakuwa wamefagiliwa mbali.
Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
10 Wenye haki watafurahi waonapo wakilipizwa kisasi, watakapochovya nyayo zao katika damu ya waovu.
Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ ny ran’ ny ratsy fanahy izy;
11 Ndipo wanadamu watasema, “Hakika utulivu wa wenye haki bado una thawabu, hakika kuna Mungu ahukumuye dunia.”
Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an’ ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin’ ny tany.