< Zaburi 42 >
1 Kwa mwimbishaji. Utenzi wa wana wa Kora. Kama vile ayala aoneavyo shauku vijito vya maji, ndivyo nafsi yangu ikuoneavyo shauku, Ee Mungu.
Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila. Nataon’ ny Koraïta. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ ony no anirian’ ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
2 Nafsi yangu inamwonea Mungu kiu, Mungu aliye hai. Ni lini nitaweza kwenda kukutana na Mungu?
Mangetaheta an’ Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra?
3 Machozi yangu yamekuwa chakula changu usiku na mchana, huku watu wakiniambia mchana kutwa, “Yuko wapi Mungu wako?”
Ny ranomasoko no fiahiko andro aman’ alina, amin’ ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
4 Mambo haya nayakumbuka ninapoimimina nafsi yangu: Jinsi nilivyokuwa nikienda na umati wa watu, nikiongoza maandamano kuelekea kwenye nyumba ya Mungu, kwa kelele za shangwe na za shukrani katikati ya umati uliosherehekea.
Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon’ Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
5 Ee nafsi yangu, kwa nini unasononeka? Kwa nini unafadhaika hivyo ndani yangu? Weka tumaini lako kwa Mungu, kwa sababu bado nitamsifu, Mwokozi wangu na
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’ Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ ny tavany.
6 Mungu wangu. Nafsi yangu inasononeka ndani yangu; kwa hiyo nitakukumbuka kutoka nchi ya Yordani, katika vilele vya Hermoni, kutoka Mlima Mizari.
Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin’ ny tanin’ i Jordana sy amin’ ireo Hermona ary amin’ ny tendrombohitra Mizara.
7 Kilindi huita kilindi, katika ngurumo za maporomoko ya maji yako; mawimbi yako yote pamoja na viwimbi vimepita juu yangu.
Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon’ ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
8 Mchana Bwana huelekeza upendo wake, usiku wimbo wake uko nami: maombi kwa Mungu wa uzima wangu.
Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin’ Andriamanitry ny aiko.
9 Ninamwambia Mungu Mwamba wangu, “Kwa nini umenisahau? Kwa nini niendelee kuomboleza, nikiwa nimeonewa na adui?”
Hoy izaho amin’ Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ ny fahavaloko?
10 Mifupa yangu inateseka kwa maumivu makali adui zangu wanaponidhihaki, wakiniambia mchana kutwa, “Yuko wapi Mungu wako?”
Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan’ andro: Aiza izay Andriamanitrao?
11 Ee nafsi yangu, kwa nini unasononeka? Kwa nini unafadhaika hivyo ndani yangu? Weka tumaini lako kwa Mungu, kwa sababu bado nitamsifu, Mwokozi wangu na Mungu wangu.
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’ Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.