< Zaburi 40 >
1 Kwa mwimbishaji. Zaburi ya Daudi. Nilimngoja Bwana kwa saburi, naye akaniinamia, akasikia kilio changu.
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Niandry dia niandry an’ i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.
2 Akanipandisha kutoka shimo la uharibifu, kutoka matope na utelezi; akaiweka miguu yangu juu ya mwamba na kunipa mahali imara pa kusimama.
Dia nampakatra ahy avy tao amin’ ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin’ ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
3 Akaweka wimbo mpya kinywani mwangu, wimbo wa sifa kwa Mungu wetu. Wengi wataona na kuogopa na kuweka tumaini lao kwa Bwana.
Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an’ Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an’ i Jehovah.
4 Heri mtu yule amfanyaye Bwana kuwa tumaini lake, asiyewategemea wenye kiburi, wale wenye kugeukia miungu ya uongo.
Sambatra izay olona manao an’ i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman’ ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin’ ny lainga.
5 Ee Bwana Mungu wangu, umefanya mambo mengi ya ajabu. Mambo uliyopanga kwa ajili yetu hakuna awezaye kukuhesabia; kama ningesema na kuyaelezea, yangekuwa mengi mno kuyaelezea.
Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.
6 Dhabihu na sadaka hukuvitaka, lakini umefungua masikio yangu; sadaka za kuteketezwa na sadaka za dhambi hukuzihitaji.
Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao;
7 Ndipo niliposema, “Mimi hapa, nimekuja: imeandikwa kunihusu katika kitabu.
Dia hoy izaho: inty aho tonga ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana ahy.
8 Ee Mungu wangu, natamani kuyafanya mapenzi yako; sheria yako iko ndani ya moyo wangu.”
Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
9 Nimehubiri haki katika kusanyiko kubwa, sikufunga mdomo wangu, Ee Bwana, kama ujuavyo.
Efa nilaza teny mahafaly ny amin’ ny fahamarinana teo amin’ ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.
10 Sikuficha haki yako moyoni mwangu; ninasema juu ya uaminifu wako na wokovu wako. Sikuficha upendo wako na kweli yako mbele ya kusanyiko kubwa.
Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin’ ny fiangonana lehibe aho.
11 Ee Bwana, usizuilie huruma zako, upendo wako na kweli yako daima vinilinde.
Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.
12 Kwa maana taabu zisizo na hesabu zimenizunguka, dhambi zangu zimenikamata, hata nisiweze kuona. Zimekuwa nyingi kuliko nywele za kichwa changu, nao moyo unazimia ndani yangu.
Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
13 Ee Bwana, uwe radhi kuniokoa; Ee Bwana, njoo hima unisaidie.
Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
14 Wote wanaotafuta kuuondoa uhai wangu, waaibishwe na kufadhaishwa; wote wanaotamani kuangamizwa kwangu, warudishwe nyuma kwa aibu.
Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory.
15 Wale waniambiao, “Aha! Aha!” wafadhaishwe na iwe aibu yao.
Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay!
16 Lakini wote wakutafutao washangilie na kukufurahia, wale wapendao wokovu wako siku zote waseme, “Bwana atukuzwe!”
Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah.
17 Lakini bado mimi ni maskini na mhitaji; Bwana na anifikirie. Wewe ndiwe msaada wangu na Mwokozi wangu; Ee Mungu wangu, usikawie.
Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô.