< Zaburi 20 >

1 Kwa mwimbishaji. Zaburi ya Daudi. Bwana na akujibu unapokuwa katika dhiki, jina la Mungu wa Yakobo na liwe kinga yako.
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba.
2 Na akutumie msaada kutoka patakatifu na akupatie msaada kutoka Sayuni.
Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
3 Na azikumbuke dhabihu zako zote, na azikubali sadaka zako za kuteketezwa.
Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. (Sela)
4 Na akujalie haja ya moyo wako, na aifanikishe mipango yako yote.
Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
5 Tutashangilia kwa furaha utakaposhinda, tutainua bendera zetu kwa jina la Mungu wetu. Bwana na akupe haja zako zote.
Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
6 Sasa nafahamu kuwa Bwana humwokoa mpakwa mafuta wake, humjibu kutoka mbingu yake takatifu kwa nguvu za wokovu wa mkono wake wa kuume.
Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana.
7 Wengine wanatumaini magari ya vita, na wengine farasi, bali sisi tutalitumainia jina la Bwana, Mungu wetu.
Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
8 Wao wameshushwa chini na kuanguka, bali sisi tunainuka na kusimama imara.
Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,
9 Ee Bwana, mwokoe mfalme! Tujibu tunapokuita!
Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin’ izay andro iantsoanay Azy.

< Zaburi 20 >