< Zaburi 118 >

1 Mshukuruni Bwana, kwa kuwa ni mwema; upendo wake wadumu milele.
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
2 Israeli na aseme sasa: “Upendo wake wadumu milele.”
Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
3 Nyumba ya Aroni na iseme sasa: “Upendo wake wadumu milele.”
Aoka ny taranak’ i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
4 Wote wamchao Bwana na waseme sasa: “Upendo wake wadumu milele.”
Aoka izay matahotra an’ i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
5 Wakati wa maumivu yangu makuu nilimlilia Bwana, naye akanijibu kwa kuniweka huru.
Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
6 Bwana yuko pamoja nami, sitaogopa. Mwanadamu anaweza kunitenda nini?
Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko?
7 Bwana yuko pamoja nami, yeye ni msaidizi wangu. Nitawatazama adui zangu wakiwa wameshindwa.
Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy.
8 Ni bora kumkimbilia Bwana kuliko kumtumainia mwanadamu.
Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona.
9 Ni bora kumkimbilia Bwana kuliko kuwatumainia wakuu.
Tsara ny matoky an’ i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
10 Mataifa yote yalinizunguka, lakini kwa jina la Bwana naliwakatilia mbali.
Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa;
11 Walinizunguka pande zote, lakini kwa jina la Bwana naliwakatilia mbali.
Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
12 Walinizunguka kama kundi la nyuki, lakini walikufa haraka kama miiba iteketeayo; kwa jina la Bwana naliwakatilia mbali.
Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
13 Nilisukumwa nyuma karibu kuanguka, lakini Bwana alinisaidia.
Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
14 Bwana ni nguvu yangu na wimbo wangu, yeye amefanyika wokovu wangu.
Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
15 Sauti za shangwe na ushindi zinavuma hemani mwa wenye haki: “Mkono wa kuume wa Bwana umetenda mambo makuu!
Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery;
16 Mkono wa kuume wa Bwana umeinuliwa juu, mkono wa kuume wa Bwana umetenda mambo makuu!”
Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery.
17 Sitakufa, bali nitaishi, nami nitatangaza yale Bwana aliyoyatenda.
Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah.
18 Bwana ameniadhibu vikali, lakini hakuniacha nife.
Nofaizan’ i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ ny fahafatesana.
19 Nifungulie malango ya haki, nami nitaingia na kumshukuru Bwana.
Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.
20 Hili ni lango la Bwana ambalo wenye haki wanaweza kuliingia.
Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
21 Nitakushukuru, kwa kuwa ulinijibu, umekuwa wokovu wangu.
Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
22 Jiwe walilolikataa waashi, limekuwa jiwe kuu la pembeni.
Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
23 Bwana ametenda hili, nalo ni la kushangaza machoni petu.
Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.
24 Hii ndiyo siku Bwana aliyoifanya, tushangilie na kufurahi ndani yake.
Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.
25 Ee Bwana, tuokoe, Ee Bwana, utujalie mafanikio.
Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
26 Heri yule ajaye kwa jina la Bwana. Kutoka nyumba ya Bwana tunakubariki.
Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.
27 Bwana ndiye Mungu, naye ametuangazia nuru yake. Mkiwa na matawi mkononi, unganeni kwenye maandamano ya sikukuu hadi kwenye pembe za madhabahu.
Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza.
28 Wewe ni Mungu wangu, nitakushukuru, wewe ni Mungu wangu, nitakutukuza.
Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.
29 Mshukuruni Bwana kwa kuwa ni mwema; upendo wake wadumu milele.
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.

< Zaburi 118 >