< Zaburi 114 >

1 Wakati Israeli walipotoka Misri, nyumba ya Yakobo kutoka kwa watu wa lugha ngeni,
Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak’ i Jakoba avy tany amin’ ny firenena hafa fiteny,
2 Yuda alifanywa makao matakatifu ya Mungu, Israeli akawa milki yake.
Joda no fitoerany masìna, Isiraely no fanjakany.
3 Bahari ilitazama ikakimbia, Yordani ulirudi nyuma,
Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.
4 milima ilirukaruka kama kondoo dume, vilima kama wana-kondoo.
Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak’ ondry.
5 Ee bahari, ni nini kilichokufanya ukakimbia, nawe, ee Yordani, ukarudi nyuma,
Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao?
6 enyi milima mkarukaruka kama kondoo dume, enyi vilima, kama wana-kondoo?
Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak’ ondry?
7 Ee dunia, tetemeka mbele za Bwana, mbele za Mungu wa Yakobo,
Mihorohoroa eo anatrehan’ ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Jakoba.
8 aliyegeuza mwamba kuwa dimbwi la maji, mwamba mgumu kuwa chemchemi za maji.
Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.

< Zaburi 114 >