< Zaburi 113 >
1 Msifuni Bwana. Enyi watumishi wa Bwana msifuni, lisifuni jina la Bwana.
Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah.
2 Jina la Bwana na lisifiwe, sasa na hata milele.
Isaorana anie ny anaran’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.
3 Kuanzia mawio ya jua hadi machweo yake, jina la Bwana linapaswa kusifiwa.
Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah.
4 Bwana ametukuka juu ya mataifa yote, utukufu wake juu ya mbingu.
Avo ambonin’ ny jentilisa Jehovah; Ambonin’ ny lanitra ny voninahiny.
5 Ni nani aliye kama Bwana Mungu wetu, Yeye ambaye ameketi juu kwenye kiti cha enzi,
Iza no tahaka an’ i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ ny avo,
6 ambaye huinama atazame chini aone mbingu na nchi?
Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
7 Huwainua maskini kutoka mavumbini, na kuwanyanyua wahitaji kutoka kwenye jalala,
Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika,
8 huwaketisha pamoja na wakuu, pamoja na wakuu wa watu wake.
Mba hametraka azy ho naman’ ny mpanapaka ny olony.
9 Humjalia mwanamke tasa kutulia nyumbani mwake, akiwa mama watoto mwenye furaha. Msifuni Bwana.
Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.