< Mithali 9 >

1 Hekima amejenga nyumba yake; amechonga nguzo zake saba.
Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
2 Ameandaa nyama na kuchanganya divai yake; pia ameandaa meza yake.
Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
3 Amewatuma watumishi wake wa kike, naye huita kutoka mahali pa juu sana pa mji.
Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
4 Anawaambia wale wasio na akili, “Wote ambao ni wajinga na waje hapa!
Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy:
5 Njooni, mle chakula changu na mnywe divai niliyoichanganya.
Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
6 Acheni njia zenu za ujinga nanyi mtaishi; tembeeni katika njia ya ufahamu.
Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana.
7 “Yeyote anayemkosoa mwenye mzaha hukaribisha matukano; yeyote anayekemea mtu mwovu hupatwa na matusi.
Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
8 Usimkemee mwenye mzaha la sivyo atakuchukia; mkemee mwenye hekima naye atakupenda.
Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9 Mfundishe mtu mwenye hekima naye atakuwa na hekima zaidi; mfundishe mtu mwadilifu naye atazidi kufundishika.
Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
10 “Kumcha Bwana ndicho chanzo cha hekima, na kumjua Aliye Mtakatifu ni ufahamu.
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina.
11 Kwa maana kwa msaada wangu siku zako zitakuwa nyingi, na miaka itaongezwa katika maisha yako.
Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
12 Kama wewe una hekima, hekima yako itakupa tuzo; kama wewe ni mtu wa mzaha, wewe mwenyewe ndiwe utateseka.”
Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany.
13 Mwanamke aitwaye Mpumbavu ana kelele; hana adabu na hana maarifa.
Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
14 Huketi kwenye mlango wa nyumba yake, juu ya kiti katika mahali pa juu sana pa mji,
Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna,
15 akiita wale wapitao karibu, waendao moja kwa moja kwenye njia yao.
Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe:
16 Anawaambia wale wasio na akili, “Wote ambao ni wajinga na waje hapa ndani!”
Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy:
17 “Maji yaliyoibiwa ni matamu; chakula kinacholiwa sirini ni kitamu!”
Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana,
18 Lakini hawajui hata kidogo kuwa wafu wako humo, kwamba wageni wake huyo mwanamke wako katika vilindi vya kuzimu. (Sheol h7585)
Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy. (Sheol h7585)

< Mithali 9 >