< Mithali 29 >

1 Mtu anayeendelea kuwa na shingo ngumu baada ya maonyo mengi, ataangamia ghafula, wala hapati dawa.
Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
2 Wenye haki wanapostawi, watu hufurahi; waovu watawalapo, watu hulia kwa huzuni.
Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
3 Mtu apendaye hekima huleta furaha kwa baba yake, bali aambatanaye na makahaba hutapanya mali yake.
Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin’ ny vehivavy janga dia mandany harena.
4 Kwa haki mfalme huipa nchi uthabiti, bali mfalme aliye na tamaa ya rushwa huiangamiza.
Ny rariny no ampandrian’ ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.
5 Yeyote amsifuye jirani yake isivyostahili, anautandaza wavu kuitega miguu yake.
Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
6 Mtu mbaya hutegwa na dhambi yake mwenyewe bali mwenye haki huweza kuimba na kufurahi.
Misy fandrika amin’ ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
7 Mwenye haki hujali haki kwa ajili ya maskini, bali mwovu hajishughulishi na hilo.
Ny marina mihevitra ny adin’ ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
8 Wenye mzaha huuchochea mji, bali watu wenye hekima hugeuzia mbali hasira.
Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.
9 Kama mwenye hekima akienda mahakamani na mpumbavu, mpumbavu hukasirika na kudhihaki, wala hakuna amani.
Raha iadian’ ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.
10 Watu wamwagao damu humchukia mtu mwadilifu na hutafuta kumuua mtu mnyofu.
Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.
11 Mpumbavu huonyesha hasira yake yote, bali mwenye hekima hujizuia.
Ny fahatezeran’ ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
12 Kama mtawala akisikiliza uongo, maafisa wake wote huwa waovu.
Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
13 Mtu maskini na mtu anayeonea wanafanana kwa jambo hili: Bwana hutia nuru macho yao wote wawili.
Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason’ izy roa tonta.
14 Kama mfalme akiwaamua maskini kwa haki, kiti chake cha enzi kitakuwa thabiti siku zote.
Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
15 Fimbo ya maonyo hutia hekima, bali mtoto aliyeachiwa bila maonyo humwaibisha mama yake.
Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
16 Wakati waovu wanapostawi, pia dhambi vivyo hivyo, lakini wenye haki wataliona anguko lao.
Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
17 Mrudi mwanao, naye atakupa amani, atakufurahisha nafsi yako.
Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ ny fanahinao.
18 Mahali pasipo na ufunuo, watu kujizuia, bali ana heri mtu yule aishikaye sheria.
Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
19 Mtumishi hawezi kuonywa kwa maneno matupu, ajapoelewa, hataitikia.
Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.
20 Je, unamwona mtu azungumzaye kwa haraka? Kuna matumaini zaidi kwa mpumbavu kuliko yeye.
Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
21 Kama mtu akimdekeza mtumishi wake tangu ujanani, atamletea sikitiko mwishoni.
Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
22 Mtu mwenye hasira huchochea ugomvi, naye mtu mwenye hasira ya haraka hutenda dhambi nyingi.
Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
23 Kiburi cha mtu humshusha, bali mtu mwenye roho ya unyenyekevu hupata heshima.
Ny fiavonavonan’ ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
24 Anayekubaliana na mwizi ni adui wa nafsi yake mwenyewe; huapishwa lakini hathubutu kushuhudia.
Izay miray tetika amin’ ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
25 Kuwaogopa watu huwa ni mtego, bali yeyote amtumainiaye Bwana atakuwa salama.
Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’ i Jehovah no hovonjena.
26 Wengi hutafuta kusikilizwa na mtawala, bali mtu hupata haki kutoka kwa Bwana.
Maro no mila sitraka amin’ ny mpanapaka; Fa avy amin’ i Jehovah ny fitsarana ny olona.
27 Mwenye haki huwachukia sana wasio waaminifu; waovu huwachukia sana wenye haki.
Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason’ ny ratsy fanahy kosa.

< Mithali 29 >