< Mithali 27 >

1 Usijisifu kwa ajili ya kesho, kwa kuwa hujui ni nini kitakachozaliwa kwa siku moja.
Aza mirehareha ny amin’ ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
2 Mwache mwingine akusifu, wala si kinywa chako mwenyewe; mtu mwingine afanye hivyo na si midomo yako mwenyewe.
Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
3 Jiwe ni zito na mchanga ni mzigo, lakini kukasirishwa na mpumbavu ni kuzito kuliko vyote viwili.
Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran’ ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
4 Hasira ni ukatili na ghadhabu kali ni gharika, lakini ni nani awezaye kusimama mbele ya wivu?
Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan’ ny fahasaro-piaro?
5 Afadhali karipio la wazi kuliko upendo uliofichika.
Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
6 Majeraha kutoka kwa rafiki yaonyesha uaminifu, bali kubusu kwa adui ni kwingi sana.
Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan’ ny fahavalo.
7 Yeye aliyeshiba huchukia kabisa asali, bali kwa mwenye njaa hata kile kilicho kichungu kwake ni kitamu.
Hitsakitsahin’ ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin’ ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
8 Kama ndege atangatangavyo mbali na kiota chake, ndivyo alivyo mtu atangatangaye mbali na nyumbani mwake.
Toy ny voron-kely miala amin’ ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ ny fonenany.
9 Manukato na uvumba huleta furaha moyoni, nao uzuri wa rafiki huchipuka kutoka kwenye ushauri wake wa uaminifu.
Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin’ ny sakaiza dia avy amin’ ny ana-panahy ataony.
10 Usimwache rafiki yako wala rafiki wa baba yako, tena usiende nyumbani mwa ndugu yako wakati umepatwa na maafa. Bora jirani wa karibu kuliko ndugu aliye mbali.
Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin’ ny tranon’ ny rahalahinao amin’ ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
11 Mwanangu, uwe na hekima, nawe ulete furaha moyoni mwangu, ndipo nitakapoweza kumjibu yeyote anitendaye kwa dharau.
Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
12 Mtu mwenye busara huona hatari na kujificha, bali mjinga huendelea mbele nayo ikamtesa.
Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
13 Chukua vazi la yule awekaye dhamana kwa ajili ya mgeni; lishikilie iwe dhamana kama anafanya hivyo kwa ajili ya mwanamke mpotovu.
Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny janga niantohany izy.
14 Kama mtu akimbariki jirani yake kwa sauti kuu asubuhi na mapema, itahesabiwa kama ni laana.
Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin’ ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
15 Mke mgomvi ni kama matone yasiyokoma ya siku ya mvua.
Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
16 Kumzuia yeye ni kama kuuzuia upepo au kukamata mafuta kwa kiganja cha mkono.
Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.
17 Kama vile chuma kinoavyo chuma, ndivyo mtu amnoavyo mwenzake.
Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ ny sakaizany.
18 Yeye autunzaye mtini atakula tunda lake, naye amtunzaye bwana wake ataheshimiwa.
Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
19 Kama uso uonekanavyo kwenye maji, ndivyo hivyo moyo wa mtu humwonyesha alivyo.
Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin’ ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan’ ny fon’ ny olona amin’ ny an’ olona.
20 Kuzimu na Uharibifu havishibi kadhalika macho ya mwanadamu. (Sheol h7585)
Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan’ ny mason’ ny olona. (Sheol h7585)
21 Kalibu ni kwa ajili ya fedha na tanuru kwa ajili ya dhahabu, bali mtu hupimwa kwa sifa azipokeazo.
Ny memy ho an’ ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an’ ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
22 Hata ukimtwanga mpumbavu kwenye kinu, ukimtwanga kama nafaka kwa mchi, hutauondoa upumbavu wake.
Na dia miara-totoinao ny fanoto amin’ ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
23 Hakikisha kuwa unajua hali ya makundi yako ya kondoo na mbuzi, angalia kwa bidii ngʼombe zako.
Fantaro tsara ny tarehin’ ny ondry aman’ osinao, Ary miahia tsara ny andian’ ny bibinao;
24 Kwa kuwa utajiri haudumu milele, nayo taji haidumu vizazi vyote.
Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin’ ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
25 Wakati majani makavu yameondolewa na mapya yamechipua, nayo majani toka milimani yamekusanywa,
Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
26 wana-kondoo watakupatia mavazi na mbuzi thamani ya shamba.
Ny zanak’ ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;
27 Utakuwa na maziwa mengi ya mbuzi kukulisha wewe na jamaa yako, na kuwalisha watumishi wako wa kike.
Ary ho ampy hosotroinao ny rononon’ osy Sy ho an’ ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman’ ny ankizivavinao.

< Mithali 27 >