< Mithali 20 >

1 Mvinyo ni mdhihaki na kileo ni mgomvi; yeyote apotoshwaye navyo hana hekima.
Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry.
2 Ghadhabu ya mfalme ni kama ngurumo ya simba; yeye amkasirishaye hupoteza uhai wake.
Ny fampitahoran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ ny ainy,
3 Ni kwa heshima ya mtu kujitenga ugomvi, bali kila mpumbavu ni mwepesi kugombana.
Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
4 Mvivu halimi kwa majira; kwa hiyo wakati wa mavuno hutazama lakini hapati chochote.
Ny malaina tsy mety miasa amin’ ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.
5 Makusudi ya moyo wa mwanadamu ni maji yenye kina, lakini mtu mwenye ufahamu huyachota.
Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
6 Watu wengi hujidai kuwa na upendo usiokoma, bali mtu mwaminifu ni nani awezaye kumpata?
Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
7 Mtu mwenye haki huishi maisha yasiyo na lawama, wamebarikiwa watoto wake baada yake.
Izay olona marina mandeha amin’ ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
8 Wakati mfalme aketipo katika kiti chake cha enzi kuhukumu, hupepeta ubaya wote kwa macho yake.
Mipetraka eo amin’ ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
9 Ni nani awezaye kusema, “Nimeuweka moyo wangu safi; mimi ni safi na sina dhambi?”
Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
10 Mawe ya kupimia yaliyo tofauti na vipimo tofauti, Bwana huchukia vyote viwili.
Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
11 Hata mtoto hujulikana kwa matendo yake, kama tabia yake ni safi na adili.
Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
12 Masikio yasikiayo na macho yaonayo, Bwana ndiye alivifanya vyote viwili.
Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon’ i Jehovah avokoa.
13 Usiupende usingizi la sivyo utakuwa maskini, uwe macho nawe utakuwa na chakula cha akiba.
Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
14 “Haifai, haifai!” asema mnunuzi, kisha huondoka akijisifia ununuzi wake.
Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
15 Dhahabu kunayo, na marijani kwa wingi, lakini midomo inenayo maarifa ni kito cha thamani kilicho adimu.
Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.
16 Chukua vazi la yule awekaye dhamana kwa ajili ya mgeni; lishikilie iwe dhamana kama anafanya hivyo kwa ajili ya mwanamke mpotovu.
Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny niantohany.
17 Chakula kilichopatikana kwa hila ni kitamu kwa mwanadamu, bali huishia na kinywa kilichojaa changarawe.
Mamin’ ny olona ny hanina azo amin’ ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
18 Fanya mipango kwa kutafuta mashauri, ukipigana vita, tafuta maelekezo.
Ny hevitra rehetra dia aorin’ ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
19 Maneno ya kusengenya husababisha kutokuaminika, kwa hiyo mwepuke mtu anayezungumza kupita kiasi.
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin’ izay mibedibedy foana.
20 Ikiwa mtu atamlaani baba yake au mama yake, taa yake itazimwa katika giza nene.
Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin’ ny alim-pito ny jirony.
21 Urithi upatikanao haraka mwanzoni, hautabarikiwa mwishoni.
Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.
22 Usiseme, “Nitakulipiza kwa ajili ya kosa hili!” Mngojee Bwana, naye atakuokoa.
Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
23 Bwana anachukia sana mawe ya kupimia ya udanganyifu, nazo mizani zisizo halali hazimpendezi.
Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
24 Hatua za mtu huongozwa na Bwana. Anawezaje basi mtu yeyote kuelewa njia yake mwenyewe?
Avy amin’ i Jehovah ny dian’ ny olona, Ary hataon’ izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
25 Ni mtego kwa mtu kuweka wakfu kitu kwa haraka na baada ya kitambo kidogo kufikiria tena nadhiri zake.
Fandrika amin’ ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masìna ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
26 Mfalme mwenye hekima hupepeta waovu, hulipitisha gurudumu la kupuria juu yao.
Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
27 Taa ya Bwana huchunguza roho ya mwanadamu, huchunguza utu wake wa ndani.
Jiron’ i Jehovah ny fanahin’ ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
28 Upendo na uaminifu humweka mfalme salama, kwa njia ya upendo, kiti chake cha enzi huwa salama.
Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin’ ny famindram-po ny seza fiandrianany.
29 Utukufu wa vijana ni nguvu zao, mvi ni fahari ya uzee.
Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.
30 Mapigo na majeraha huusafisha ubaya, nayo michapo hutakasa utu wa ndani.
Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.

< Mithali 20 >