< Mithali 19 >

1 Afadhali mtu maskini ambaye mwenendo wake hauna lawama, kuliko mpumbavu ambaye midomo yake imepotoka.
Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin’ ny molony sady adala.
2 Sio vizuri kuwa na juhudi bila maarifa, wala kufanya haraka na kuikosa njia.
Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
3 Upumbavu wa mtu mwenyewe huharibu maisha yake hata hivyo moyo wake humkasirikia Bwana.
Ny fahadalan’ ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin’ i Jehovah no sosotra ny fony.
4 Mali huleta marafiki wengi, bali rafiki wa mtu maskini humwacha.
Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin’ ny sakaizany.
5 Shahidi wa uongo hataacha kuadhibiwa, naye amwagaye uongo hataachwa huru.
Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
6 Wengi hujipendekeza kwa mtawala na kila mmoja ni rafiki wa mtu atoaye zawadi.
Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’ izay mpanome zavatra.
7 Mtu maskini huepukwa na ndugu zake wote: Je, marafiki zake watamkwepa kiasi gani! Ingawa huwafuata kwa kuwasihi, hawapatikani popote.
Ny malahelo dia halan’ ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin’ ny teny tsy misy izy.
8 Yeye apataye hekima huipenda nafsi yake mwenyewe, yeye ahifadhiye ufahamu hustawi.
Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
9 Shahidi wa uongo hataacha kuadhibiwa, naye amwagaye uongo ataangamia.
Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
10 Haistahili mpumbavu kuishi katika anasa, itakuwa vibaya kiasi gani kwa mtumwa kuwatawala wakuu.
Ny ho velona amin’ ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an’ ny adala, Koa mainka izay hanapahan’ ny mpanompo ny zanak’ andriana.
11 Hekima ya mtu humpa uvumilivu, ni kwa utukufu wake kusamehe makosa.
Ny fahendren’ ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
12 Ghadhabu ya mfalme ni kama mngurumo wa simba, bali wema wake ni kama umande juu ya nyasi.
Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin’ ny ahitra.
13 Mwana mpumbavu ni maangamizi ya babaye, naye mke mgomvi ni kama kutonatona kusikoisha.
Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon’ ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
14 Nyumba na mali hurithiwa kutoka kwa wazazi, bali mke mwenye busara hutoka kwa Bwana.
Trano sy harena no lova avy amin’ ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’ i Jehovah.
15 Uvivu huleta usingizi mzito, naye mtu mzembe huona njaa.
Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
16 Yeye ambaye hutii mafundisho huulinda uhai wake, bali yeye anayezidharau njia zake atakufa.
Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
17 Yeye amhurumiaye maskini humkopesha Bwana, naye atamtuza kwa aliyotenda.
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
18 Mrudi mwanao, kwa maana katika hiyo kuna tumaini, usiwe mshirika katika mauti yake.
Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
19 Mtu mwenye kukasirika haraka ni lazima atapata adhabu yake, kama utamwokoa, itakubidi kufanya hivyo tena.
Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
20 Sikiliza mashauri na ukubali mafundisho, nawe mwishoni utakuwa na hekima.
Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin’ izay hiafaranao.
21 Kuna mipango mingi ndani ya moyo wa mtu, lakini kusudi la Bwana ndilo litakalosimama.
Maro ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa ny fisainan’ i Jehovah no haharitra.
22 Lile mtu alionealo shauku ni upendo usio na mwisho, afadhali kuwa maskini kuliko kuwa mwongo.
Fifaliana amin’ ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
23 Kumcha Bwana huongoza kwenye uzima, kisha mtu hupumzika akiwa ameridhika, bila kuguswa na shida.
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
24 Mtu mvivu hutumbukiza mkono wake kwenye sahani, lakini hawezi hata kuupeleka kwenye kinywa chake!
Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin’ ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin’ ny vavany dia tsy zakany.
25 Mpige mwenye mzaha, naye mjinga atajifunza busara, mkemee mwenye ufahamu naye atapata maarifa.
Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
26 Yeye amwibiaye baba yake na kumfukuza mama yake ni mwana aletaye aibu na fedheha.
Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
27 Mwanangu, ukiacha kusikiliza mafundisho, utatangatanga mbali na maneno ya maarifa.
Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin’ ny fahalalana.
28 Shahidi mla rushwa hudhihaki hukumu na kinywa cha mtu mwovu humeza ubaya kwa upesi.
Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan’ ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.
29 Adhabu zimeandaliwa kwa ajili ya wenye dhihaka na mapigo kwa ajili ya migongo ya wapumbavu.
Vonona ho amin’ ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin’ ny lamosin’ ny adala.

< Mithali 19 >