< Mithali 10 >

1 Mithali za Solomoni: Mwana mwenye hekima huleta furaha kwa baba yake, lakini mwana mpumbavu huleta huzuni kwa mama yake.
Ohabolan’ i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
2 Hazina zilizopatikana kwa njia mbaya hazifai, lakini uadilifu huokoa kutoka mautini.
Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana.
3 Bwana hawaachi waadilifu kukaa njaa, lakini hupinga tamaa ya mtu mwovu.
Tsy avelan’ i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ ny marina; Fa foanany ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
4 Mikono mivivu hufanya mtu kuwa maskini lakini mikono yenye bidii huleta utajiri.
Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin’ ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan’ ny mazoto.
5 Yeye akusanyaye mazao wakati wa kiangazi ni mwana mwenye hekima, lakini yeye alalaye wakati wa mavuno ni mwana mwenye kuaibisha.
Izay manangona amin’ ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin’ ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
6 Baraka huwa taji kichwani mwa mwenye haki, lakini jeuri hufunika kinywa cha mwovu.
Fitahiana no ho ao amin’ ny lohan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
7 Kumbukumbu ya mwenye haki itakuwa baraka, lakini jina la mwovu litaoza.
Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.
8 Mwenye hekima moyoni hupokea maagizo, lakini mpumbavu apayukaye huangamia.
Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
9 Mtu mwadilifu hutembea salama, lakini mtu aendaye katika njia zilizopotoka atagunduliwa.
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin’ ny alehany dia fantatra.
10 Yeye akonyezaye kwa nia mbaya husababisha huzuni, naye mpumbavu apayukaye huangamia.
Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
11 Kinywa cha mwenye haki ni chemchemi ya uzima, lakini jeuri hufunika kinywa cha mwovu.
Loharanon’ aina ny vavan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
12 Chuki huchochea faraka, lakini upendo husitiri mabaya yote.
Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
13 Hekima hupatikana katika midomo ya wenye kupambanua, lakini fimbo ni kwa ajili ya mgongo wake asiye na ufahamu.
Amin’ ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin’ ny lamosin’ ny tsy ampy saina.
14 Wenye hekima huhifadhi maarifa, bali kinywa cha mpumbavu hualika maangamizi.
Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan’ ny adala eo akaikin’ ny fandringanana.
15 Mali ya tajiri ni mji wake wenye ngome, bali ufukara ni maangamizi ya maskini.
Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan’ ny ory no fandringanana azy.
16 Ujira wa wenye haki huwaletea uzima, lakini mapato ya waovu huwaletea adhabu.
Ho fiainana ny asan’ ny marina; Fa ho ota ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy.
17 Anayekubali kuadibishwa yuko katika njia ya uzima, lakini yeyote anayepuuza maonyo hupotosha wengine.
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ ny lalan’ ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
18 Yeye afichaye chuki yake ana midomo ya uongo, na yeyote anayeeneza uchonganishi ni mpumbavu.
Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
19 Wakati maneno ni mengi, dhambi haikosekani, lakini yeye ambaye huzuia ulimi wake ni mwenye busara.
Ny teny maro tsy ilaozan’ izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
20 Ulimi wa mwenye haki ni fedha iliyo bora, bali moyo wa mwovu una thamani ndogo.
Volafotsy voafantina ny lelan’ ny marina; Fa ny fon’ ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
21 Midomo ya mwenye haki hulisha wengi, lakini wapumbavu hufa kwa kukosa ufahamu.
Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
22 Baraka ya Bwana hutajirisha, wala haichanganyi huzuni.
Ny fitahian’ i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon’ ny fisasarana ampiana izany.
23 Mpumbavu hufurahia tabia mbaya, lakini mtu mwenye ufahamu hupendezwa na hekima.
Toa laolaon’ ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.
24 Kile anachoogopa mwovu ndicho kitakachompata; kile anachoonea shauku mwenye haki atapewa.
Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ ny marina no homena azy.
25 Tufani inapopita, waovu hutoweka, lakini wenye haki husimama imara milele.
Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
26 Kama siki ilivyo kwa meno na moshi kwa macho, ndivyo alivyo mvivu kwa wale waliomtuma.
Toy ny vinaingitra amin’ ny nify sy ny setroka amin’ ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin’ izay maniraka azy.
27 Kumcha Bwana huongeza urefu wa maisha, lakini miaka ya mwovu inafupishwa.
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan’ ny ratsy fanahy hohafohezina.
28 Tarajio la mwenye haki ni furaha, bali matumaini ya mwovu huwa si kitu.
Ny fanantenan’ ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan’ ny ratsy fanahy ho foana.
29 Njia ya Bwana ni kimbilio kwa wenye haki, lakini ni maangamizi ya wale watendao mabaya.
Ny lalan’ i Jehovah dia fiarovana mafy ho an’ izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an’ ny mpanao ratsy.
30 Kamwe wenye haki hawataondolewa, bali waovu hawatasalia katika nchi.
Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin’ ny tany.
31 Kinywa cha mwenye haki hutoa hekima, bali ulimi wa upotovu utakatwa.
Eo amin’ ny vavan’ ny marina no itsimohan’ ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
32 Midomo ya wenye haki inajua kile kinachofaa, bali kinywa cha mwovu hujua kile kilichopotoka tu.
Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy dia feno fitaka.

< Mithali 10 >