< Hesabu 9 >

1 Bwana akasema na Mose katika Jangwa la Sinai katika mwezi wa kwanza wa mwaka wa pili baada ya Waisraeli kutoka Misri. Akasema,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 “Waamuru Waisraeli waadhimishe Pasaka katika wakati ulioamriwa.
Aoka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Paska amin’ ny fotoany.
3 Adhimisheni wakati ulioamriwa, yaani wakati wa kuzama jua siku ya kumi na nne ya mwezi huu, kufuatana na desturi zake zote na masharti yake.”
Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity no hitandremanareo azy amin’ ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.
4 Hivyo Mose akawaambia Waisraeli waiadhimishe Pasaka,
Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitandrina ny Paska.
5 nao wakafanya hivyo kwenye Jangwa la Sinai wakati wa kuzama jua siku ya kumi na nne ya mwezi wa kwanza. Waisraeli wakafanya kila kitu kama vile Bwana alivyomwamuru Mose.
Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’ i Sinay izy tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.
6 Lakini baadhi yao hawakuweza kuadhimisha Pasaka siku ile kwa sababu walikuwa najisi kwa taratibu za kiibada kwa ajili ya kugusa maiti. Kwa hiyo wakamwendea Mose na Aroni siku ile ile,
Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’ izany andro izany; dia nankeo anatrehan’ i Mosesy sy Arona izy tamin’ izany andro izany
7 wakamwambia Mose, “Tumekuwa najisi kwa sababu tumegusa maiti, lakini kwa nini tuzuiliwe kumtolea Bwana sadaka yake pamoja na Waisraeli wengine katika wakati ulioamriwa?”
ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoany?
8 Mose akawajibu, “Ngojeni mpaka nitafute kile Bwana anachoagiza kuwahusu ninyi.”
Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian’ i Jehovah ny aminareo.
9 Ndipo Bwana akamwambia Mose,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
10 “Waambie Waisraeli: ‘Wakati mmoja wenu au wazao wenu wanapokuwa najisi kwa sababu ya maiti au wakiwa safarini, hata hivyo wanaweza kuadhimisha Pasaka ya Bwana.
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah ihany koa izy.
11 Wataiadhimisha wakati wa kuzama jua siku ya kumi na nne ya mwezi wa pili. Watamla mwana-kondoo, pamoja na mkate usiotiwa chachu, na mboga chungu.
Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin’ ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.
12 Wasibakize chochote hadi asubuhi wala wasivunje mifupa ya mwana-kondoo. Wakati wanapoadhimisha Pasaka, hawana budi kufuata masharti yote.
Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
13 Lakini kama mtu ni safi kwa taratibu za kiibada naye hayuko safarini, asipoadhimisha Pasaka, mtu huyo hana budi kukatiliwa mbali na watu wake kwa sababu hakutoa sadaka ya Bwana kwa wakati ulioamriwa. Mtu huyo atawajibika kubeba matokeo ya dhambi yake.
Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
14 “‘Mgeni anayeishi miongoni mwenu ambaye anataka kuadhimisha Pasaka ya Bwana, lazima afanye hivyo kwa kufuata desturi na masharti. Lazima masharti yawe sawasawa kwa mgeni na mzawa.’”
Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin’ ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
15 Katika siku hiyo ambayo Maskani, Hema la Ushuhuda, iliposimamishwa, wingu liliifunika. Kuanzia jioni mpaka asubuhi wingu lililokuwa juu ya Maskani lilionekana kama moto.
Ary tamin’ ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain’ ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain’ ny andro.
16 Hivyo ndivyo lilivyoendelea kuwa; wingu liliifunika wakati wa mchana, na usiku lilionekana kama moto.
Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.
17 Wakati wowote wingu lilipoinuka kutoka juu ya Hema, nao Waisraeli waliondoka; mahali popote wingu liliposimama, Waisraeli walipiga kambi.
Ary rehefa niakatra niala tamin’ ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak’ Isiraely, ka teo amin’ izay nijanonan’ ny rahona no nitobiany.
18 Kwa amri ya Bwana Waisraeli waliondoka, na kwa amri yake walipiga kambi. Kwa muda wote wingu liliposimama juu ya Maskani, Waisraeli walibaki wamepiga kambi.
Araka ny didin’ i Jehovah no niaingan’ ny Zanak’ Isiraely, ary araka ny didin’ i Jehovah koa no nitobiany; tamin’ ny andro rehetra izay nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely no nitobiany.
19 Wakati wingu lilipobaki juu ya Maskani kwa muda mrefu, Waisraeli walitii amri ya Bwana nao hawakuondoka.
Ary na dia nijanona ela teo ambonin’ ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain’ i Jehovah notandremana ihany ny Zanak’ Isiraely ka tsy niainga.
20 Wakati mwingine wingu lilikuwa juu ya Maskani kwa siku chache tu; kwa amri ya Bwana wangelipiga kambi na kisha kwa amri yake wangeliondoka.
Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely; araka ny didin’ i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany.
21 Wakati mwingine wingu lilikuwepo kuanzia jioni mpaka asubuhi tu, na lilipoinuka asubuhi, nao waliondoka. Ikiwa ni mchana au usiku, wakati wowote wingu lilipoinuka, waliondoka.
Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak’ Isiraely; koa na andro na alina no niakaran’ ny rahona, dia niainga izy.
22 Ikiwa wingu lilikaa juu ya Maskani kwa siku mbili au mwezi au mwaka, Waisraeli wangebaki wamepiga kambi na hawakuondoka; lakini lilipoinuka, wangeondoka.
Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak’ Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
23 Kwa amri ya Bwana walipiga kambi, na kwa amri ya Bwana waliondoka. Walitii amri ya Bwana, kufuatana na agizo lake kupitia Mose.
Araka ny didin’ i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain’ i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.

< Hesabu 9 >