< Hesabu 27 >

1 Binti za Selofehadi mwana wa Heferi, mwana wa Gileadi, mwana wa Makiri, mwana wa Manase, walikuwa wa koo za Manase mwana wa Yosefu. Majina ya hao binti yalikuwa Mahla, Noa, Hogla, Milka na Tirsa. Walikaribia
Ary avy ny zanakavavin’ i Zelofada, zanakalahin’ i Hefera, zanak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),
2 ingilio la Hema la Kukutania na kusimama mbele ya Mose, kuhani Eleazari, viongozi na kusanyiko lote, wakasema,
dia nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:
3 “Baba yetu alikufa jangwani. Hakuwa miongoni mwa wafuasi wa Kora, ambao walifungamana pamoja dhidi ya Bwana, lakini alikufa kwa ajili ya dhambi yake mwenyewe na hakuacha wana.
Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan’ ny antokon’ i Kora izay niangona hiodina tamin’ i Jehovah tsy akory; fa matin’ ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
4 Kwa nini jina la baba yetu lifutike kutoka ukoo wake kwa sababu hakuwa na mwana? Tupatie milki miongoni mwa ndugu za baba yetu.”
Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin’ ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin’ ny rahalahin’ ny rainay izahay.
5 Kwa hiyo Mose akalileta shauri lao mbele za Bwana,
Ary nalahatr’ i Mosesy teo anatrehan’ i Jehovah ny tenin’ ireo.
6 naye Bwana akamwambia Mose,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
7 “Wanachosema binti za Selofehadi ni sawa. Ni lazima kwa hakika uwape milki kama urithi miongoni mwa ndugu za baba yao, na kubadili urithi wa baba yao uwe wao.
Marina ny tenin’ ny zanakavavin’ i Zelofada: omeo zara-tany eo amin’ ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.
8 “Waambie Waisraeli, ‘Ikiwa mtu atakufa naye hakuacha mwana, utampa binti yake urithi wake.
Ary lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.
9 Ikiwa hana binti, wape ndugu zake wa kiume urithi wake.
Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.
10 Ikiwa hana ndugu wa kiume toa urithi wake kwa ndugu za baba yake.
Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
11 Ikiwa baba yake hakuwa na ndugu wa kiume, toa urithi wake kwa ndugu wa karibu katika ukoo wake, ili aumiliki. Hili litakuwa dai la sheria kwa Waisraeli, kama Bwana alivyomwamuru Mose.’”
Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin’ ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak’ Isiraely izany araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
12 Kisha Bwana akamwambia Mose, “Panda juu ya mlima huu katika kilele cha Abarimu uione nchi ambayo nimewapa Waisraeli.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely.
13 Baada ya kuiona, wewe pia utakusanywa pamoja na watu wako kama ndugu yako Aroni alivyokusanywa,
Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin’ ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an’ i Arona rahalahinao;
14 kwa kuwa jumuiya ilipoasi amri yangu kwenye maji katika Jangwa la Sini, wakati jumuiya ilipogombana nami, nyote wawili mliacha kuitii amri yangu ya kuniheshimu kama mtakatifu mbele ya macho yao.” (Haya yalikuwa maji ya Meriba huko Kadeshi, katika Jangwa la Sini.)
fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin’ ilay nilan’ ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ ny rano teo imasony. (Izany no ranon’ i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)
15 Mose akamwambia Bwana,
Ary Mosesy niteny tamin’ i Jehovah hoe:
16 “Bwana, Mungu wa roho zote za wanadamu, na amteue mtu juu ya jumuiya hii
Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
17 ili atoke na kuingia mbele yao, atakayewaongoza katika kutoka kwao na kuingia kwao, ili watu wa Bwana wasiwe kama kondoo wasio na mchungaji.”
ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’ i Jehovah.
18 Kwa hiyo Bwana akamwambia Mose, “Mchukue Yoshua mwana wa Nuni, mtu ambaye Roho yuko ndani yake, uweke mkono juu yake.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak’ i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;
19 Msimamishe mbele ya kuhani Eleazari pamoja na kusanyiko lote, umpe maagizo mbele yao.
ary asaovy mijoro eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.
20 Mpe sehemu ya mamlaka yako ili jumuiya yote ya Waisraeli ipate kumtii.
Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra azy.
21 Atasimama mbele ya kuhani Eleazari, ambaye atapokea maamuzi kwa ajili yake, kwa kuuliza mbele za Bwana kwa ile Urimu. Kwa amri yake, yeye na jumuiya yote ya Waisraeli watatoka, na kwa amri yake, wataingia.”
Ary Josoa hijanona eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ ny fitsaran’ i Orima eo anatrehan’ i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
22 Mose akafanya kama Bwana alivyomwagiza. Akamtwaa Yoshua na kumsimamisha mbele ya kuhani Eleazari na kusanyiko lote.
Ary nataon’ i Mosesy araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy; dia naka an’ i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra
23 Kisha akaweka mikono yake juu ya kichwa cha Yoshua na kumpa maagizo, kama vile Bwana alivyoelekeza kupitia kwa Mose.
ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.

< Hesabu 27 >