< Hesabu 23 >
1 Balaamu akasema, “Nijengee hapa madhabahu saba, mnitayarishie mafahali saba na kondoo dume saba.”
Ary hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
2 Balaki akafanya kama Balaamu alivyosema; hao wawili kila mmoja wao akatoa fahali mmoja na kondoo dume mmoja juu ya kila madhabahu.
Dia narahin’ i Balaka izay efa nolazain’ i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
3 Kisha Balaamu akamwambia Balaki, “Kaa hapa kando ya sadaka yako wakati mimi ninakwenda kando. Huenda Bwana atakuja kukutana nami. Lolote atakalonifunulia, nitakuambia.” Basi akaenda hata mahali peupe palipoinuka.
Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin’ ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
4 Mungu akakutana naye, kisha Balaamu akasema, “Nimekwisha kutengeneza madhabahu saba, na juu ya kila madhabahu nimetoa sadaka ya fahali mmoja na kondoo dume mmoja.”
Ary Andriamanitra dia nihaona tamin’ i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara aho.
5 Bwana akaweka ujumbe katika kinywa cha Balaamu na kusema, “Rudi kwa Balaki umpe ujumbe huu.”
Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan’ i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin’ i Balaka, ary izany no holazainao.
6 Basi Balaamu akarudi kwa Balaki, akamkuta amesimama kando ya sadaka yake akiwa na wakuu wote wa Moabu.
Dia niverina tany amin’ i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan’ ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’ i Moaba rehetra.
7 Ndipo Balaamu akasema ujumbe wake: “Balaki amenileta kutoka Aramu, mfalme wa Moabu kutoka milima ya mashariki. Akasema, ‘Njoo, unilaanie Yakobo; njoo unishutumie Israeli.’
Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan’ i Moaba nampaka ahy avy tany amin’ ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
8 Nitawezaje kuwalaani, hao ambao Mungu hajawalaani? Nitawezaje kuwashutumu hao ambao Bwana hakuwashutumu?
Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’ Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’ i Jehovah?
9 Kutoka vilele vya miamba ninawaona, kutoka mahali palipoinuka ninawatazama. Ninaliona taifa ambalo wanaishi peke yao, nao hawahesabiwi kama mojawapo ya mataifa.
Fa eto an-tampon’ ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin’ ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ ny jentilisa.
10 Ni nani awezaye kuhesabu mavumbi ya Yakobo, au kuhesabu robo ya Israeli? Mimi na nife kifo cha mtu mwenye haki, na mwisho wangu na uwe kama wao!”
Iza no mahisa ny vovok’ i Jakoba, na ny isan’ ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
11 Balaki akamwambia Balaamu, “Ni nini ulichonitendea? Nimekuleta ulaani adui zangu, lakini wewe badala yake umewabariki!”
Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
12 Balaamu akajibu, “Je, hainipasi kusema kile Bwana anachoweka katika kinywa changu?”
Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon’ i Jehovah eto am-bavako?
13 Ndipo Balaki akamwambia, “Twende pamoja mahali pengine ambapo unaweza kuwaona; utawaona baadhi tu wala si wote. Nawe kutoka huko, unilaanie hao.”
Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin’ ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.
14 Basi akampeleka kwenye shamba la Sofimu, juu ya kilele cha Mlima Pisga. Pale akajenga madhabahu saba na kutoa sadaka ya fahali na kondoo dume mmoja juu ya kila madhabahu.
Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon’ i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
15 Balaamu akamwambia Balaki, “Kaa hapa kando ya sadaka yako wakati ninapokwenda kuonana na Mungu kule.”
Dia hoy izy tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’ i Jehovah.
16 Bwana akakutana na Balaamu, akaweka ujumbe katika kinywa chake akasema, “Rudi kwa Balaki umpe ujumbe huu.”
Ary Jehovah nihaona tamin’ i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin’ i Balaka ary izany no holazainao.
17 Basi Balaamu akarudi kwa Balaki, akamkuta amesimama kando ya sadaka yake, akiwa na wakuu wa Moabu. Balaki akamuuliza, “Je, Bwana amesema nini?”
Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan’ ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’ i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain’ i Jehovah?
18 Ndipo Balaamu akasema ujumbe wake: “Balaki, inuka na usikilize, nisikie mimi, wewe mwana wa Sipori.
Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak’ i Zipora;
19 Mungu si mtu, hata aseme uongo, wala yeye si mwanadamu, hata ajute. Je, anasema, kisha asitende? Je, anaahidi, asitimize?
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
20 Nimepokea agizo kubariki; amebariki, nami siwezi kubadilisha.
Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
21 “Haijaonekana bahati mbaya katika Yakobo, wala taabu katika Israeli. Bwana, Mungu wao yu pamoja nao, nayo sauti kuu ya Mfalme imo katikati yao.
Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’ andriana no re eo aminy.
22 Mungu aliwatoa kutoka Misri; wao wana nguvu za nyati.
Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
23 Hakuna uchawi dhidi ya Yakobo, wala hakuna uaguzi dhidi ya Israeli. Sasa itasemwa kuhusu Yakobo na Israeli, ‘Tazama yale Mungu aliyotenda!’
Fa tsy misy fisikidianana eo amin’ i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin’ Isiraely. Fa amin’ ny fotoana no hilazana amin’ i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’ i Jehovah.
24 Taifa lainuka kama simba jike; linajiinua kama simba ambaye hatulii mpaka amalize kurarua mawindo yake na kunywa damu ya mawindo yake.”
Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran’ ny voavono.
25 Kisha Balaki akamwambia Balaamu, “Usiwalaani kabisa, wala usiwabariki kabisa!”
Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
26 Balaamu akajibu, “Je, sikukuambia ni lazima nifanye lolote analosema Bwana?”
Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin’ i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain’ i Jehovah, izany no hataoko?
27 Basi Balaki akamwambia Balaamu, “Njoo, nikupeleke mahali pengine. Huenda itampendeza Mungu kukuruhusu unilaanie hao watu kutoka mahali hapo.”
Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Andeha ho entiko any amin’ izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak’ Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
28 Balaki akamchukua Balaamu juu ya Mlima Peori, unaotazamana na nyika.
Ary Balama dia nentin’ i Balaka ho ao an-tampon’ i Peora, izay manatrika ny efitra.
29 Balaamu akasema, “Nijengee hapa madhabahu saba, uandae mafahali saba na kondoo dume saba kwa ajili yangu.”
Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
30 Balaki akafanya kama Balaamu alivyosema, kisha akatoa sadaka ya fahali mmoja na kondoo dume mmoja juu ya kila madhabahu.
Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain’ i Balama ka nanatitra vantotr’ ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.