< Hesabu 17 >
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Sema na Waisraeli, na ujipatie fimbo kumi na mbili kutoka kwao, moja kutoka kwa kila mmoja wa viongozi wa kabila za baba zao. Andika jina la kila mtu kwenye fimbo yake.
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan’ ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin’ ny folo; ary samy soraty eo amin’ ny tehiny avy ny anaran’ izy rehetra.
3 Kwenye fimbo ya Lawi andika jina la Aroni, kwa maana ni lazima iwepo fimbo moja kwa kila kiongozi kwa ajili ya kila kabila la baba zao.
Fa ny anaran’ i Arona no hosoratanao amin’ ny tehin’ i Levy; fa tehina iray avy no ho an’ ny lohan’ ny fianakaviany.
4 Ziweke hizo fimbo ndani ya Hema la Kukutania mbele ya Sanduku la Ushuhuda, mahali nikutanapo nawe.
Dia hataonao ao amin’ ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan’ ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.
5 Fimbo ya mtu nitakayemchagua itachipuka, nami mwenyewe nitayakomesha haya manungʼuniko ya mara kwa mara ya Waisraeli dhidi yako.”
Ary ny tehin’ ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.
6 Hivyo Mose akasema na Waisraeli, nao viongozi wao wakampa fimbo kumi na mbili, fimbo moja kwa ajili ya kila kabila la baba zao, nayo fimbo ya Aroni ikiwa miongoni mwa hizo.
Ary Mosesy dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka ny lohan’ ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin’ ny folo; ary ny tehin’ i Arona dia teo afovoan’ ireo tehiny ireo.
7 Mose akaziweka hizo fimbo mbele za Bwana ndani ya Hema la Ushuhuda.
Dia napetrak’ i Mosesy teo anatrehan’ i Jehovah, dia tao amin’ ny trano lain’ ny Vavolombelona ireo tehina ireo.
8 Siku iliyofuata Mose aliingia kwenye Hema la Ushuhuda akaona ile fimbo ya Aroni ambayo iliwakilisha jamaa ya Lawi haikuwa tu imechipuka, bali pia ilikuwa imetoa machipukizi, kuchanua maua na kuzaa malozi.
Ary nony ampitso dia niditra tao amin’ ny trano-lain’ ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin’ i Arona, izay ho an’ ny taranak’ i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.
9 Ndipo Mose akaleta zile fimbo zote kwa Waisraeli wote kutoka mbele za Bwana. Wakaziangalia, na kila mtu akaichukua fimbo yake mwenyewe.
Dia nentin’ i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan’ i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.
10 Bwana akamwambia Mose, “Rudisha fimbo ya Aroni mbele ya Sanduku la Ushuhuda, ili ihifadhiwe kama alama kwa waasi. Hili litakomesha manungʼuniko yao dhidi yangu, ili kwamba wasife.”
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Avereno ny tehin’ i Arona ho eo anoloan’ ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an’ ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.
11 Mose akafanya kama Bwana alivyomwamuru.
Dia nataon’ i Mosesy izany; araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
12 Waisraeli wakamwambia Mose, “Tutakufa! Tumepotea, sote tumepotea!
Dia niteny tamin’ i Mosesy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.
13 Yeyote akaribiaye Maskani ya Bwana atakufa. Je, sisi sote tutakufa?”
Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin’ i Jehovah; ho lany maty va izahay?