< Hesabu 15 >
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Sema na Waisraeli uwaambie: ‘Baada ya ninyi kuingia katika nchi ninayowapa kama nyumbani,
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo
3 nanyi mkitoa sadaka za kuteketezwa kwa moto, kutoka makundi ya ngʼombe au kondoo, kama harufu nzuri inayompendeza Bwana, ikiwa ni sadaka za kuteketezwa au dhabihu, kwa ajili ya nadhiri maalum ama sadaka ya hiari au sadaka ya sikukuu zenu,
ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry aman’ osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin’ ny sitrapo na amin’ ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah:
4 ndipo yeye aletaye sadaka yake ataiweka mbele za Bwana sadaka ya nafaka, sehemu ya kumi ya efa ya unga laini uliochanganywa na robo ya hini ya mafuta.
izay manatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
5 Pamoja na kila mwana-kondoo kwa ajili ya sadaka ya kuteketezwa au dhabihu, andaa robo ya hini ya divai kwa sadaka ya kinywaji.
ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
6 “‘Pamoja na kondoo dume andaa sadaka ya nafaka ya sehemu mbili za kumi za efa za unga laini uliochanganywa na theluthi moja ya hini ya mafuta,
Ary ho fanampin’ ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ampahatelon’ ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;
7 na theluthi moja ya hini ya divai kama sadaka ya kinywaji. Vitoe kama harufu nzuri inayompendeza Bwana.
ary divay ampahatelon’ ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
8 “‘Unapoandaa fahali mchanga kama sadaka ya kuteketezwa au dhabihu, kwa ajili ya nadhiri maalum au sadaka ya amani kwa Bwana,
Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drà ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah,
9 leta pamoja na huyo fahali sadaka ya nafaka ya unga laini sehemu tatu za kumi za efa uliochanganywa na nusu ya hini ya mafuta.
dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin’ ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;
10 Pia utaleta nusu ya hini ya divai kama sadaka ya kinywaji. Itakuwa sadaka iliyoteketezwa kwa moto, harufu nzuri inayompendeza Bwana.
ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
11 Kila fahali au kondoo dume, kila mwana-kondoo au mbuzi mchanga, atatayarishwa kwa njia hii.
Izany no hatao amin’ ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak’ ondry iray, na ny isan-janak’ osy iray.
12 Fanyeni hivi kwa ajili ya kila mmoja, kwa kadiri ya wingi wa mtakavyoandaa.
Tahaka izany no hataonareo amin’ izy rehetra, araka ny isan’ ny zavatra aterinareo.
13 “‘Kila mmoja ambaye ni mzawa ni lazima afanye vitu hivi kwa njia hii hapo aletapo sadaka ya kuteketezwa kwa moto kama harufu nzuri inayompendeza Bwana.
Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izy.
14 Kwa vizazi vijavyo, wakati wowote mgeni au mtu mwingine yeyote anayeishi miongoni mwenu aletapo sadaka ya kuteketezwa kuwa harufu nzuri ya kumpendeza Bwana, ni lazima afanye sawasawa kabisa na jinsi mnavyofanya ninyi.
Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
15 Jumuiya itakuwa na sheria hizo hizo kwenu na kwa mgeni aishiye miongoni mwenu; hii ni amri ya kudumu kwa vizazi vijavyo. Ninyi na mgeni mtakuwa sawa mbele za Bwana:
Ary ny amin’ ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan’ i Jehovah na ianareo na ny vahiny.
16 Sheria hizo hizo na masharti hayo hayo hayo, yatawahusu ninyi na mgeni aishiye miongoni mwenu.’”
Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.
17 Bwana akamwambia Mose,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
18 “Sema na Waisraeli na uwaambie: ‘Mtakapoingia katika nchi ninayowapeleka
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany izay itondrako anareo ianareo
19 nanyi mkala chakula cha nchi hiyo, toeni sehemu ya chakula hicho kama sadaka kwa Bwana.
ka hihinana mofo avy amin’ ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an’ i Jehovah.
20 Toeni andazi kutoka kwa malimbuko ya chakula chenu kitokacho katika ardhi, na mkitoe kama sadaka kutoka sakafu ya kupuria nafaka.
Hanokana mofo iray izay hatao amin’ ny voalohan’ ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin’ ny famoloana no hanokananareo izany.
21 Kwa vizazi vyote vijavyo hamna budi kutoa sadaka hii kwa Bwana kutoka kwa malimbuko ya unga wenu.
Ny voalohan’ ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an’ i Jehovah hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
22 “‘Basi kama pasipo kukusudia umeshindwa kushika mojawapo katika amri hizi ambazo Bwana alimpa Mose,
Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy,
23 amri yoyote ya Bwana kwenu kupitia Mose, tangu siku ile Bwana alipowapa na inaendelea hadi vizazi vyote vijavyo;
dia izay rehetra nasain’ i Jehovah nandidian’ i Mosesy anareo, hatramin’ ny andro izay nanaovan’ i Jehovah izany didy izany ka hatramin’ ny taranakareo fara mandimby,
24 ikiwa hili limefanyika pasipo kukusudia bila jumuiya kuwa na habari nalo, basi jumuiya yote itatoa fahali mchanga kuwa sadaka ya kuteketezwa ikiwa harufu nzuri inayompendeza Bwana, pamoja na sadaka ya nafaka na ya kinywaji zilizoamriwa kwayo, na mbuzi dume kwa ajili ya sadaka ya dhambi.
koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr’ ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah, mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
25 Kuhani atafanya upatanisho kwa ajili ya jumuiya yote ya Kiisraeli, nao watasamehewa, kwa kuwa haikuwa makusudi nao wamemletea Bwana sadaka iliyoteketezwa kwa moto na sadaka ya dhambi kwa ajili ya kosa lao.
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan’ i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
26 Jumuiya yote ya Kiisraeli pamoja na wageni waishio miongoni mwao watasamehewa, kwa sababu watu wote walihusika katika kosa lile lisilokusudiwa.
Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, mbamin’ izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,
27 “‘Lakini kama mtu mmoja peke yake akitenda dhambi pasipo kukusudia, ni lazima alete mbuzi mke wa mwaka mmoja kwa ajili ya sadaka ya dhambi.
Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.
28 Kuhani atafanya upatanisho mbele za Bwana kwa ajili ya yule aliyekosa kwa kufanya dhambi pasipo kukusudia, upatanisho utakapofanywa kwa ajili yake, atasamehewa.
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’ i Jehovah, ka dia havela ny helony.
29 Sheria hiyo moja itamhusu kila mmoja ambaye ametenda dhambi pasipo kukusudia, awe Mwisraeli mzawa ama mgeni.
Lalàna iray ihany no hatao amin’ izay manota tsy nahy, na amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny vahiny eo aminareo.
30 “‘Lakini yeyote ambaye amefanya dhambi kwa dharau awe mzawa au mgeni, anamkufuru Bwana, naye mtu huyo ni lazima akatiliwe mbali na watu wake.
Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an’ i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
31 Kwa sababu amelidharau neno la Bwana na kuvunja amri zake, mtu huyo ni lazima akatiliwe mbali; hatia yake inabaki juu yake.’”
Fa ny tenin’ i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.
32 Waisraeli walipokuwa jangwani, mtu mmoja alikutwa akikusanya kuni siku ya Sabato.
Ary raha tany an-efitra ny Zanak’ Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin’ ny andro Sabata.
33 Wale waliomkuta akikusanya kuni wakamleta kwa Mose, Aroni na kusanyiko lote,
Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.
34 nao wakamweka kifungoni, kwa sababu haikufahamika kwa wazi kwamba afanyiwe nini.
Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.
35 Ndipo Bwana akamwambia Mose, “Huyo mtu ni lazima afe. Kusanyiko lote lazima limpige mawe nje ya kambi.”
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra.
36 Hivyo kusanyiko likamtoa nje ya kambi na kumpiga mawe hadi akafa, kama Bwana alivyomwamuru Mose.
Dia namoaka azy ho eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ihany.
37 Bwana akamwambia Mose,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
38 “Sema na Waisraeli uwaambie: ‘Kwa vizazi vyote vijavyo jifanyieni vifundo katika pindo za mavazi yenu vikiwa na uzi wa buluu kwenye kila kifundo.
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin’ ny fitafiany hatramin’ ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin’ ny somotraviaviny.
39 Mtakuwa mkivitazama vifundo hivyo ili mpate kukumbuka amri zote za Bwana, ili mpate kuzitii msije mkajitia uzinzi wenyewe kwa kuzifuata tamaa za mioyo yenu na za macho yenu.
Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’ i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
40 Ndipo mtakumbuka kuzitii amri zangu zote nanyi mtawekwa wakfu kwa Mungu wenu.
mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masìna ho an’ Andriamanitrareo ianareo.
41 Mimi Ndimi Bwana Mungu wenu, niliyewatoa Misri niwe Mungu wenu. Mimi Ndimi Bwana Mungu wenu.’”
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.