< Hesabu 10 >

1 Bwana akamwambia Mose:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Tengeneza tarumbeta mbili za fedha ya kufua, uzitumie kwa kuita jumuiya pamoja na wakati wa kuvunja makambi ili kuondoka.
Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
3 Tarumbeta zote mbili zikipigwa, jumuiya yote itakusanyika mbele yako katika ingilio la Hema la Kukutania.
Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.
4 Kama tarumbeta moja tu ikipigwa, viongozi, yaani wakuu wa koo za Israeli, ndio watakaokusanyika mbele yako.
Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan’ ny firenena, izay mpifehy arivo amin’ ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
5 Wakati mlio wa kujulisha hatari ukipigwa, makabila yaliyo na makambi upande wa mashariki yataondoka.
Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
6 Ukisikika mlio wa pili wa jinsi hiyo, walioko kwenye makambi ya kusini wataondoka. Mlio huo wa kujulisha hatari utakuwa ishara ya kuondoka.
Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.
7 Ili kukusanya kusanyiko, piga tarumbeta zote, lakini siyo kwa mlio wa kujulisha hatari.
Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.
8 “Wana wa Aroni, makuhani, ndio watakaopiga hizo tarumbeta. Hili litakuwa agizo la kudumu kwa ajili yenu na kwa vizazi vijavyo.
Ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.
9 Wakati mtakapopigana vita katika nchi yenu wenyewe dhidi ya adui anayewaonea, piga tarumbeta kwa mlio wa kujulisha hatari. Ndipo utakumbukwa na Bwana Mungu wenu na kuokolewa kutoka kwa adui zenu.
Ary raha misy ady eo amin’ ny taninareo, ka mandeha hiady amin’ ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ ny fahavalonareo.
10 Pia nyakati za furaha yenu, yaani sikukuu zenu zilizoamriwa na sikukuu za Mwezi Mwandamo, mtapiga tarumbeta juu ya sadaka zenu za kuteketezwa na sadaka zenu za amani, nazo zitakuwa ukumbusho kwa ajili yenu mbele za Mungu wenu. Mimi ndimi Bwana, Mungu wenu.”
Ary amin’ ny andro fifalianareo, sy amin’ ny fotoam-pivavahanareo, ary amin’ ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan’ Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
11 Katika siku ya ishirini ya mwezi wa pili wa mwaka wa pili, wingu liliinuka kutoka juu ya maskani ya Ushuhuda.
Ary tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa, no niakaran’ ny rahona niala teo ambonin’ ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
12 Ndipo Waisraeli wakaondoka kutoka Jangwa la Sinai wakasafiri kutoka sehemu moja hadi nyingine mpaka wingu lilipotua katika Jangwa la Parani.
Dia niainga tany an-efitr’ i Sinay ny Zanak’ Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.
13 Waliondoka kwa mara ya kwanza kwa agizo la Bwana kupitia kwa Mose.
Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
14 Vikosi vya kambi ya Yuda vilitangulia kwanza chini ya alama yao. Nashoni mwana wa Aminadabu alikuwa kiongozi wao.
Ary ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak’ i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
15 Nethaneli mwana wa Suari alikuwa kiongozi wa kabila la Isakari,
Ary Netanela, zanak’ i Zoara, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ Isakara.
16 naye Eliabu mwana wa Heloni alikuwa kiongozi wa kabila la Zabuloni.
Ary Eliaba, zanak’ i Helona, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Zebolona.
17 Ndipo Maskani iliposhushwa, nao wana wa Gershoni na wana wa Merari ambao waliibeba wakaondoka.
Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak’ i Gersona sy ny taranak’ i Merary, nitondra ny tabernakely.
18 Vikosi vya kambi ya Reubeni vilifuata, chini ya alama yao. Elisuri mwana wa Shedeuri alikuwa kiongozi wao.
Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak’ i Sedeora, no mpifehy ny antokony.
19 Shelumieli mwana wa Surishadai aliongoza kikosi cha kabila la Simeoni,
Ary Selomiela, zanak’ i Zorisaday, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Simeona.
20 naye Eliasafu mwana wa Deueli aliongoza kikosi cha kabila la Gadi.
Ary Eliasafa, zanak’ i Doela, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Gada.
21 Kisha Wakohathi wakaondoka, wakichukua vitu vitakatifu. Maskani ilikuwa isimamishwe kabla wao hawajafika.
Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masìna; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.
22 Vikosi vya kambi ya Efraimu vilifuata, chini ya alama yao. Elishama mwana wa Amihudi alikuwa kiongozi wao.
Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak’ i Amihoda, no mpifehy ny antokony.
23 Gamalieli mwana wa Pedasuri aliongoza kikosi cha kabila la Manase,
Ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Manase.
24 naye Abidani mwana wa Gideoni alikuwa kiongozi wa kikosi cha kabila la Benyamini.
Ary Abidana, zanak’ i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak’ i Benjamina.
25 Mwishowe, kama kikosi cha nyuma cha ulinzi wa vikosi vyote, vikosi vya kambi ya Dani viliondoka chini ya alama yao. Ahiezeri mwana wa Amishadai alikuwa kiongozi wao.
Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Dana, izay vodi-lalan’ ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak’ i Amisaday, no mpifehy ny antokony.
26 Pagieli mwana wa Okrani aliongoza kikosi cha kabila la Asheri,
Ary Pagiela, zanak’ i Okrana, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Asera.
27 naye Ahira mwana wa Enani aliongoza kikosi cha kabila la Naftali.
Ary Ahira, zanak’ i Enana, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Naftaly.
28 Huu ndio ulikuwa utaratibu wa kuondoka wa vikosi vya Waisraeli walipokuwa wanaondoka.
Izany no fandehan’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.
29 Basi Mose akamwambia Hobabu mwana wa Reueli, Mmidiani, mkwewe Mose, “Tunaondoka kwenda mahali ambapo Bwana amesema ‘Nitawapa ninyi mahali hapo.’ Twende pamoja nasi tutakutendea mema, kwa maana Bwana ameahidi mambo mema kwa Israeli.”
Dia hoy Mosesy tamin’ i Hobaba, zanak’ i Regoela Midianita, rafozan’ i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin’ ny Isiraely.
30 Akajibu, “Hapana, sitakwenda; nitarudi kwenye nchi yangu mwenyewe na watu wangu mwenyewe.”
Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin’ ny taniko sy ny havako.
31 Lakini Mose akasema, “Tafadhali usituache. Wewe unajua mahali ambapo yatupasa kupiga kambi jangwani, nawe unaweza kuwa macho yetu.
Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.
32 Ikiwa utafuatana nasi, tutashirikiana nawe mema yoyote tutakayopewa na Bwana.”
Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon’ i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
33 Hivyo waliondoka kutoka mlima wa Bwana, nao wakasafiri kwa siku tatu. Sanduku la Agano la Bwana liliwatangulia kwa zile siku tatu ili kuwatafutia mahali pa kupumzika.
Dia niainga niala tany an-tendrombohitr’ i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an’ ny olona.
34 Wingu la Bwana lilikuwa juu yao wakati wa mchana walipoondoka kambini.
Ary ny rahon’ i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ ny niaingany niala tamin’ ny nitobiany.
35 Wakati wowote Sanduku lilipoondoka, Mose alisema, “Ee Bwana, inuka! Watesi wako na watawanyike; adui zako na wakimbie mbele zako.”
Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.
36 Wakati wowote Sanduku liliposimama, alisema, “Ee Bwana, rudi, kwa maelfu ya Waisraeli wasiohesabika.”
Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin’ ny Isiraely tsy omby alinalina.

< Hesabu 10 >