< Nehemia 1 >

1 Maneno ya Nehemia mwana wa Hakalia: Katika mwezi wa Kisleu katika mwaka wa ishirini, wakati nilikuwa ngomeni katika jumba la kifalme la Shushani,
Ny tantaran’ i Nehemia, zanak’ i Hakalia. Tamin’ ny volana Kisleo tamin’ ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,
2 Hanani, mmoja wa ndugu zangu, alikuja kutoka Yuda akiwa na watu wengine, nami nikawauliza kuhusu mabaki ya Wayahudi wale walionusurika kwenda uhamishoni na pia kuhusu Yerusalemu.
dia tonga Hanany, anankiray amin’ ny rahalahiko, mbamin’ ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin’ ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin’ ny fahababoana, ary ny amin’ i Jerosalema.
3 Wakaniambia, “Wale walionusurika kwenda uhamishoni, wale ambao wamerudi kwenye lile jimbo, wako katika taabu kubwa na aibu. Ukuta wa Yerusalemu umebomoka, na malango yake yamechomwa moto.”
Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin’ ny fahababoana izay any amin’ ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’ i Jerosalema sady nodoran’ ny afo ny vavahadiny.
4 Niliposikia mambo haya, niliketi, nikalia. Kwa siku kadhaa niliomboleza na kufunga na kuomba mbele za Mungu wa mbinguni.
Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ Andriamanitry ny lanitra
5 Kisha nikasema: “Ee Bwana, Mungu wa mbinguni, mkuu na mwenye kuogofya, ambaye hulishika agano lake la upendo na wale wampendao na kutii amri zake,
ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
6 tega masikio yako, na ufungue macho yako, ili usikie maombi ya mtumishi wako anayoomba mbele yako usiku na mchana kwa ajili ya watumishi wako, watu wa Israeli. Ninaungama dhambi zetu sisi Waisraeli, pamoja na zangu na za nyumba ya baba yangu, tulizotenda dhidi yako.
aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’ alina ho an’ ny Zanak’ Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ ny Zanak’ Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.
7 Tumetenda uovu sana mbele zako. Hatukutii amri, maagizo na sheria ulizompa Mose mtumishi wako.
Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao.
8 “Kumbuka agizo ulilompa Mose mtumishi wako, ukisema, ‘Kama mkikosa uaminifu, nitawatawanya miongoni mwa mataifa,
Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin’ ny firenena maro Aho;
9 lakini mkinirudia na kutii amri zangu, ndipo hata kama watu wenu walio uhamishoni wako mbali sana katika miisho ya dunia, nitawakusanya kutoka huko na kuwaleta mahali ambapo nimepachagua kuwa makao kwa ajili ya Jina langu.’
nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin’ ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
10 “Hawa ni watumishi wako na watu wako, uliowakomboa kwa nguvu zako kuu na mkono wako wenye nguvu.
Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin’ ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
11 Ee Bwana, tega sikio lako na usikie maombi ya huyu mtumishi wako, na maombi ya watumishi wako wanaofurahia kuliheshimu Jina lako. Nipe leo, mimi mtumishi wako, mafanikio kwa kunipa kibali mbele ya mtu huyu.” Kwa maana nilikuwa mnyweshaji wa mfalme.
Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason’ io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.

< Nehemia 1 >