< Nehemia 13 >
1 Siku hiyo, Kitabu cha Mose kilisomwa kwa sauti kuu, na watu wote wakasikia. Humo ilionekana imeandikwa kwamba hakuna Mwamoni wala Mmoabu atakayeruhusiwa katika kusanyiko la watu wa Mungu,
Tamin’ izany andro izany dia novakiana teo anatrehan’ ny olona ny teny tao amin’ ny bokin’ i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra mandrakizay,
2 kwa sababu hawakuwalaki Waisraeli kwa chakula na maji. Badala yake walimwajiri Balaamu kuwalaani (lakini hata hivyo Mungu wetu aligeuza laana kuwa baraka).
satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak’ Isiraely izy, fa nanamby an’ i Balama hanozona azy; kanjo nampodin’ Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
3 Watu waliposikia sheria hii, waliwatenga watu wote wasio Waisraeli waliokuwa wa uzao wa kigeni.
Ary rehefa ren’ ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin’ ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.
4 Kabla ya hili, kuhani Eliashibu alikuwa amewekwa kuwa msimamizi wa vyumba vya ghala ya nyumba ya Mungu wetu. Alikuwa na uhusiano wa karibu na Tobia,
Ary talohan’ izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika sady havan’ i Tobia akaikiny,
5 naye alikuwa amempa Tobia chumba kikubwa ambacho mwanzo kilikuwa kikitumika kuweka sadaka za nafaka, uvumba na vyombo vya Hekalu, pamoja na zaka za nafaka, divai mpya na mafuta waliyoagizwa Waisraeli kwa ajili ya Walawi, waimbaji na mabawabu wa lango, pamoja na matoleo kwa makuhani.
dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin’ ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon’ ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an’ ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an’ ny mpisorona.
6 Lakini wakati haya yote yalipokuwa yakitendeka, sikuwa Yerusalemu, kwa kuwa katika mwaka wa thelathini na mbili wa utawala wa Artashasta mfalme wa Babeli nilikuwa nimerudi kwa mfalme. Baadaye nilimwomba ruhusa,
Fa tamin’ izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin’ ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan’ i Artaksersesy, mpanjakan’ i Babylona, no nahatongavako tany amin’ ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin’ ny mpanjaka aho;
7 nikarudi Yerusalemu. Hapo niligundua jambo la uovu alilofanya Eliashibu kwa kumpa Tobia chumba katika nyua za nyumba ya Mungu.
ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon’ i Eliasiba ho an’ i Tobia tamin’ ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitra.
8 Nilikasirika sana na nikavitupa nje vyombo vyote vya Tobia.
Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an’ i Tobia hiala tamin’ ny efi-trano.
9 Nilitoa amri kutakasa vyumba, kisha nikavirudisha vifaa vya nyumba ya Mungu, pamoja na sadaka za nafaka na uvumba.
Ary nasaiko nodiovin’ ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.
10 Pia niligundua kuwa mafungu yaliyopangwa kupewa Walawi hawakuwa wamepewa, nao Walawi wote na waimbaji waliowajibika kwa huduma walikuwa wamerudi katika mashamba yao.
Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman’ ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.
11 Basi niliwakemea maafisa na kuwauliza, “Kwa nini nyumba ya Mungu imepuuzwa?” Kisha niliwaita pamoja na kuwaweka kwenye nafasi zao.
Dia nifandahatra tamin’ ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon’ Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin’ ny toerany avy.
12 Yuda wote walileta zaka za nafaka, divai mpya na mafuta kwenye ghala.
Dia nentin’ ny Joda rehetra ho ao amin’ ny trano firaketana ny ampahafolon’ ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.
13 Nikamweka kuhani Shelemia, mwandishi Sadoki, na Mlawi aliyeitwa Pedaya kuwa wasimamizi wa ghala, na kumfanya Hanani mwana wa Zakuri, mwana wa Matania kuwa msaidizi wao, kwa sababu watu hawa walionekana kuwa waaminifu. Walipewa wajibu wa kugawa mahitaji kwa ndugu zao.
Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin’ ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak’ i Zakora, zanak’ i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin’ ireo dia ny hizara ho an’ ny rahalahiny.
14 Ee Mungu wangu, unikumbuke kwa hili, wala usifute kile nilichokifanya kwa uaminifu kwa ajili ya nyumba ya Mungu wangu na kwa ajili ya huduma yake.
Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin’ ny tranon’ Andriamanitro sy ny amin’ ny raharaha tokony hatao ao.
15 Siku hizo nikaona watu katika Yuda wakikanyaga mashinikizo ya divai siku ya Sabato na kuleta nafaka wakiwapakiza punda, pamoja na divai, zabibu, tini na aina nyingine za mizigo. Nao walikuwa wakileta haya yote Yerusalemu siku ya Sabato. Kwa hiyo niliwaonya dhidi ya kuuza vyakula siku hiyo.
Ary tamin’ izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin’ ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin’ ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin’ ny andro nivarotany hanina.
16 Watu kutoka Tiro waliokuwa wakiishi Yerusalemu walileta samaki na aina nyingi za bidhaa na kuziuza Yerusalemu siku ya Sabato kwa watu wa Yuda.
Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin’ ny taranak’ i Joda sy tany Jerosalema tamin’ ny Sabata;
17 Niliwakemea wakuu wa Yuda na kuwaambia, “Ni uovu gani huu mnaofanya wa kuinajisi siku ya Sabato?
Dia nifandahatra tamin’ ireo manan-kaja amin’ ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo?
18 Je, baba zenu hawakufanya mambo kama haya, hata wakamsababisha Mungu wetu kuleta maafa haya yote juu yetu na juu ya mji huu? Sasa bado mnazidi kuchochea ghadhabu yake dhidi ya Israeli kwa kuinajisi Sabato.”
Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran’ Andriamanitsika amintsika sy amin’ ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin’ ny Isiraely amin’ ny andotoanareo ny Sabata.
19 Wakati vivuli vya jioni vilipoangukia juu ya malango ya Yerusalemu kabla ya Sabato, niliamuru milango ifungwe, wala isifunguliwe mpaka Sabato iishe. Nikawaweka baadhi ya watu wangu mwenyewe kwenye malango ili pasiwepo mzigo utakaoingizwa ndani siku ya Sabato.
Ary raha vao malomaloka ny vavahadin’ i Jerosalema talohan’ ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin’ ny andro Sabata.
20 Mara moja au mbili wachuuzi na wauzaji wa bidhaa za aina zote walilala usiku nje ya mji wa Yerusalemu.
Ka dia nandry teo ivelan’ i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;
21 Lakini niliwaonya na kuwaambia, “Kwa nini mnalala karibu na ukuta? Kama mkifanya hivi tena, nitawaadhibu.” Kuanzia wakati ule hawakuja tena siku ya Sabato.
dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan’ ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin’ izany andro izany dia tsy tonga tamin’ ny Sabata intsony izy.
22 Kisha nikawaamuru Walawi kujitakasa na kwenda kulinda malango ili kutunza Sabato iwe takatifu. Ee Mungu wangu, unikumbuke kwa ajili ya hili pia, nawe unionyeshe wema wako sawasawa na upendo wako mkuu.
Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben’ ny famindram-ponao.
23 Zaidi ya hayo, niliona Wayahudi waliokuwa wameoa wanawake kutoka Ashdodi, Amoni na Moabu.
Ary tamin’ izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba;
24 Nusu ya watoto wao walizungumza lugha ya Kiashidodi au lugha ya watu wengine, bali hawakuweza kuzungumza Kiyahudi.
ary ny antsasaky ny zanany dia nanao tenin’ ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy.
25 Niliwakemea na kuwalaani. Niliwapiga baadhi ya watu na kungʼoa nywele zao. Niliwaapisha kwa jina la Mungu na kusema: “Msiwaoze binti zenu kwa wana wao, wala binti zao wasiolewe na wana wenu wala ninyi wenyewe.
Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin’ Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
26 Je, Solomoni hakutenda dhambi kwa sababu ya wanawake wa namna hiyo? Miongoni mwa mataifa mengi hapakuwepo mfalme kama yeye. Alipendwa na Mungu wake. Naye Mungu alimweka kuwa mfalme juu ya Israeli yote, lakini hata yeye, wanawake wa mataifa mengine walimfanya atende dhambi.
Tsy izany va no nanotan’ i Solomona, Mpanjakan’ i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin’ ny firenena maro, fa tian’ Andriamaniny izy ka nataon’ Andriamanitra ho mpanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain’ ny vehivavy hafa firenena.
27 Je, tulazimike sasa kusikia kwamba ninyi pia mmefanya uovu huu mkubwa na kutokuwa waaminifu kwa Mungu wetu kwa kuoa wanawake wa kigeni?”
Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin’ Andriamanitsika amin’ ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?
28 Mmoja wa wana wa Yoyada mwana wa Eliashibu kuhani mkuu alikuwa mkwewe Sanbalati Mhoroni. Nami nilimfukuza mbele yangu.
Ary vinanton’ i Sanbala Horonita ny anankiray amin’ ny zanak’ i Joiada, zanak’ i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy.
29 Ee Mungu wangu, uwakumbuke, kwa sababu wamenajisi ukuhani, na agano la kikuhani na la Walawi.
Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken’ ny fisoronana sy ny Levita.
30 Kwa hiyo niliwatakasa makuhani na Walawi kutokana na chochote kilichokuwa cha kigeni, na kuwapa wajibu, kila mmoja katika kazi yake.
Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin’ ny tamin’ ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan’ ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin’ ny raharahany avy,
31 Pia nilihakikisha kwamba matoleo ya kuni yaliletwa kwa wakati unaopaswa, na malimbuko kwa wakati wake. Ee Mungu wangu, unikumbuke, unitendee mema.
ary ny amin’ ny fanaterana ny kitay hazo tamin’ izay fotoan’ androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.