< Mambo ya Walawi 26 >

1 “‘Msijitengenezee sanamu au kusimamisha kinyago cha kuchonga, au mnara, wala jiwe la kuabudia, na pia msijiwekee jiwe lililochongwa katika nchi yenu na kusujudu mbele yake. Mimi ndimi Bwana Mungu wenu.
Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
2 “‘Zishikeni Sabato zangu na kuheshimu mahali patakatifu pangu. Mimi ndimi Bwana.
Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masìna: Izaho no Jehovah.
3 “‘Ikiwa mtafuata amri zangu na kuwa waangalifu kutii maagizo yangu,
Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,
4 nitawanyeshea mvua katika majira yake, nayo ardhi itatoa mazao yake, na miti ya mashambani itazaa matunda yake.
dia hanome anareo ranonorana amin’ ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
5 Kupura nafaka kwenu kutaendelea mpaka wakati wa kuvuna zabibu. Pia kuvuna zabibu kutaendelea mpaka wakati wa kupanda mbegu, nanyi mtakula na kushiba, na mtaishi salama katika nchi yenu.
Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin’ ny taninareo.
6 “‘Nitawapa amani katika nchi, mpate kulala pasipo kutiwa hofu na yeyote. Nitawaondoa wanyama wakali watoke kwenye nchi, nao upanga hautapita katika nchi yenu.
Any homeko fiadanana eo amin’ ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
7 Mtawafukuza adui zenu, nanyi mtawaua kwa upanga mbele yenu.
Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
8 Watu wenu watano watafukuza adui mia, watu wenu mia watafukuza adui elfu kumi, nao adui zenu wataanguka kwa upanga mbele yenu.
Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
9 “‘Nitawaangalia kwa upendeleo na kuwafanya mzae na kuzidisha idadi yenu, nami nitalishika Agano langu na ninyi.
Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho.
10 Wakati wa kuvuna mtakuwa bado mnakula mavuno ya mwaka uliopita, na itawalazimu kuyaondoa ghalani ili mpate nafasi ya mavuno mapya.
Any hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
11 Nitafanya makao yangu miongoni mwenu, nami sitawachukia.
Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ ny fanahiko ianareo.
12 Nitatembea katikati yenu niwe Mungu wenu, nanyi mtakuwa watu wangu.
Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
13 Mimi ndimi Bwana Mungu wenu, niliyewatoa katika nchi ya Misri ili msiendelee kuwa watumwa wa Wamisri, nikavunja kongwa lenu, na kuwawezesha kutembea mkiwa mmeinua vichwa vyenu juu.
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
14 “‘Lakini kama hamtanisikiliza na kutimiza maagizo haya yote,
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
15 nanyi kama mtazikataa amri zangu na kuzichukia sheria zangu, tena mkishindwa kutimiza amri zangu na hivyo mkavunja agano langu,
ary hamavoinareo ny didiko, na halan’ ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
16 ndipo nitakapowafanyia hili: Nitawaletea juu yenu hofu ya ghafula, magonjwa ya kufisha, na homa itakayopofusha macho yenu na kuwaondolea uhai wenu. Mtapanda mbegu bila mafanikio, kwa sababu adui zenu wataila.
Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
17 Nitauelekeza uso wangu dhidi yenu ili mshindwe na adui zenu; wale wanaowachukia watawatawala, nanyi mtakimbia ingawa hakuna mtu anayewafukuza.
Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
18 “‘Kama baada ya haya yote hamtanisikiliza, nitawaadhibu mara saba zaidi kwa ajili ya dhambi zenu.
Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’ izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
19 Nitakivunja kiburi chenu cha ukaidi na kuifanya anga iliyo juu yenu iwe kama chuma, na ardhi yenu kama shaba.
Ary horavako ny reharehan’ ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;
20 Nguvu zenu zitatumika bila ya mafanikio, kwa sababu ardhi yenu haitawazalia mazao yake, wala miti ya nchi yenu haitazaa matunda yake.
fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin’ ny tany.
21 “‘Kama mtaendelea kuwa na uadui nami, na kukataa kunisikiliza, nitawazidishia mateso yenu mara saba zaidi, kama dhambi zenu zinavyostahili.
Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.
22 Nitawatuma wanyama mwitu dhidi yenu, nao watawaibieni watoto wenu, watawaangamiza ngʼombe wenu, na kuifanya idadi yenu kuwa ndogo, hivi kwamba barabara zenu zitakuwa hazina watu.
Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.
23 “‘Ikiwa pamoja na mambo haya hamtakubali maonyo yangu lakini mkaendelea kuweka uadui nami,
Any raha tsy mandray ny anatro amin’ izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
24 mimi mwenyewe nitaweka uadui nanyi, na kuwatesa kwa ajili ya dhambi zenu mara saba zaidi.
Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
25 Nitawaletea upanga juu yenu ili kuwapatiliza kwa kuvunja Agano langu. Mtakapokimbilia mijini mwenu, nitatuma tauni katikati yenu, nanyi mtatiwa mikononi mwa adui zenu.
Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin’ ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan’ ny fahavalo ianareo.
26 Nitakapowaondolea upatikanaji wa mkate wenu, wanawake kumi wataoka mkate wenu katika tanuru moja, nao wataugawa mkate kidogo kwa kupima. Mtakula, lakini hamtashiba.
Raha tapahiko ny vary, izay tohan’ ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
27 “‘Kama hata baada ya haya bado hamtanisikiliza lakini mkaendelea kuweka uadui nami,
Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin’ izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
28 ndipo katika hasira yangu nitaweka uadui nanyi, nami mwenyewe nitawaadhibu mara saba kwa ajili ya dhambi zenu.
dia hamely anareo amin’ ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
29 Mtakula nyama ya wana wenu na nyama ya binti zenu.
Dia hihinana ny nofon’ ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo.
30 Nitapaharibu mahali penu pa juu pa kuabudia miungu, nibomoe madhabahu zenu za kufukizia uvumba, na kuzilundika maiti zenu juu ya sanamu zenu zisizo na uhai, nami nitawachukia ninyi sana.
Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ ny fatin’ ny sampinareo, ary ho halan’ ny fanahiko ianareo.
31 Nitaifanya miji yenu kuwa magofu, na kuharibu mahali patakatifu penu pa kuabudia, nami sitapendezwa na harufu nzuri ya sadaka zenu.
Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
32 Nitaiharibu nchi, ili adui zenu watakaokuja kuishi humo washangae.
Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin’ izany ny fahavalonareo izay monina eo.
33 Nitawatawanya ninyi miongoni mwa mataifa, na kuufuta upanga wangu na kuwafuatia. Nchi yenu itaharibiwa, nayo miji yenu itakuwa magofu.
Ary ianareo dia haeliko any amin’ ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
34 Ndipo nchi itafurahia Sabato zake muda wote ule itakapokuwa ukiwa, nanyi mkiwa katika nchi ya adui zenu. Ndipo nchi itapumzika na kufurahia Sabato zake.
Ary amin’ izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin’ ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
35 Wakati wote nchi itakapobaki ukiwa, itapumzika na kufurahia Sabato zake ambazo haikuzipata mlipokuwa mnaishi humo.
amin’ ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon’ izay tsy nitsaharany tamin’ ny sabatanareo, raha mbola nonina teo ianareo.
36 “‘Kwa habari ya wenzenu wale watakaobaki, nitaifanya mioyo yao kuwa na hofu kuu katika nchi za adui zao, kiasi kwamba sauti ya jani linalopeperushwa na upepo itawafanya wakimbie. Watakimbia kana kwamba wanakimbia upanga, nao wataanguka, ingawa hakuna anayewafukuza.
Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
37 Watajikwaa mmoja juu ya mwingine kama wakimbiao upanga, hata ingawa hakuna anayewafuatia. Hivyo hamtaweza kusimama mbele ya adui zenu.
Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo.
38 Mtaangamia katikati ya mataifa; nchi ya adui zenu itawala.
Any dia ho lany ringana any amin’ ny jentilisa ianareo, any ho lanin’ ny tanin’ ny fahavalonareo ianareo.
39 Wale wenu watakaobaki wataangamia katika nchi za adui zao kwa sababu ya dhambi zao; pia kwa sababu ya dhambi za baba zao wataangamia.
Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
40 “‘Lakini kama watatubu dhambi zao na dhambi za baba zao, udanganyifu wao dhidi yangu na uadui wao kwangu,
Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ ny nanoherany Ahy,
41 ambao ulinifanya niwe na uadui nao hata nikawapeleka katika nchi ya adui zao, wakati mioyo yao isiyotahiriwa itanyenyekea na kutubu dhambi yao,
ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, raha hietry amin’ izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin’ ny helony izy,
42 nami nitakumbuka agano langu na Yakobo, na agano langu na Isaki, na agano langu na Abrahamu, nami nitaikumbuka nchi.
dia hotsarovako ny fanekeko tamin’ i Jakoba sy ny fanekeko tamin’ Isaka ary ny fanekeko tamin’ i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
43 Kwa kuwa wataiacha nchi ukiwa, nayo itafurahia Sabato zake wakati itakuwa ukiwa bila wao. Wataadhibiwa kwa ajili ya dhambi zao, kwa sababu walizikataa sheria zangu na kuzichukia amri zangu.
Ary ny tany hilaozan’ ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin’ ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan’ ny fanahiny ny didiko.
44 Lakini pamoja na hili, wakati watakuwa katika nchi ya adui zao, sitawakataa wala kuwachukia kiasi cha kuwaharibu kabisa na kuvunja agano langu nao. Mimi ndimi Bwana Mungu wao.
Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ ny tanin’ ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
45 Lakini kwa ajili yao nitalikumbuka agano langu na baba zao, ambao niliwatoa Misri mbele ya mataifa ili niwe Mungu wao. Mimi ndimi Bwana.’”
Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta teo Imason’ ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.
46 Hizi ndizo amri, sheria na pia masharti ambazo Bwana alifanya kati yake mwenyewe na Waisraeli katika Mlima Sinai kupitia kwa Mose.
lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon’ i Jehovah ho aminy sy amin’ ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an’ i Mosesy.

< Mambo ya Walawi 26 >