< Waamuzi 1 >

1 Baada ya kifo cha Yoshua, Waisraeli wakamuuliza Bwana, “Ni nani atakayetangulia kupanda mbele yetu kwa ajili ya kupigana na Wakanaani?”
Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny Kananita ho anay?
2 Bwana akajibu, “Yuda ndiye atakayetangulia; nimewapa hiyo nchi mikononi mwao.”
Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.
3 Ndipo watu wa Yuda wakawaambia Wasimeoni ndugu zao, “Pandeni pamoja nasi katika nchi tuliyopewa, ili tupate kupigana na Wakanaani. Sisi pia tutakwenda pamoja nanyi katika sehemu yenu mliyopewa.” Basi Wasimeoni wakaenda pamoja nao.
Ary hoy Joda tamin’ i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin’ ny lovako, ka aoka isika hiady amin’ ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin’ ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
4 Yuda aliposhambulia, Bwana akawatia Wakanaani na Waperizi mikononi mwao, nao wakawaua watu 10,000 huko Bezeki.
Dia niakatra Joda, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.
5 Huko ndiko walipomkuta huyo Adoni-Bezeki, nao wakapigana naye na kuwafanya Wakanaani na Waperizi wakimbie.
Ary nahita an’ i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.
6 Adoni-Bezeki pia alikimbia, nao wakamfuata na kumkamata, wakamkata vidole vyake gumba vya mikono na vya miguu.
Nefa nandositra Adoni-bezeka; ary nanenjika azy izy ireto ka nisambotra azy, dia nanapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony.
7 Ndipo Adoni-Bezeki akasema, “Nimewatendea wafalme sabini kama nilivyotendewa na kuwalisha makombo ya chakula chini ya meza yangu. Sasa Mungu amenilipa haya, kama yale niliyowatendea.” Wakamleta Yerusalemu, naye akafa huko.
Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin’ ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin’ Andriamanitra ahy! Ary nentin’ ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
8 Watu wa Yuda wakashambulia pia Yerusalemu na kuiteka. Wakaupiga mji kwa upanga na kuuchoma kwa moto.
Ary namely an’ i Jerosalema ny taranak’ i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.
9 Baada ya hayo, watu wa Yuda wakateremka kupigana na Wakanaani walioishi katika nchi ya vilima, yaani, Negebu na nchi chini ya vilima vya magharibi.
Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak’ i Joda hiady amin’ ny Kananita izay nonina tany amin’ ny tany havoana sy tany amin’ ny tany atsimo ary tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
10 Yuda wakakabiliana na Wakanaani walioishi Hebroni (ambayo hapo kwanza iliitwa Kiriath-Arba) na kuwashinda Sheshai, Ahimani na Talmai.
Dia nandeha Joda hiady amin’ ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran’ i Hebrona taloha), ka namono an’ i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
11 Kutoka huko wakasonga mbele kukabiliana na watu walioishi Debiri (ambao hapo kwanza uliitwa Kiriath-Seferi.)
Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin’ ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran’ i Debira taloha).
12 Kalebu akasema, “Nitamwoza binti yangu Aksa kwa mtu atakayeweza kupigana na kuteka Kiriath-Seferi.”
Ary hoy Kaleba: Izay mamely an’ i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
13 Basi Othnieli mwana wa Kenazi, ndugu mdogo wa huyo Kalebu, akawashinda, kwa hiyo Kalebu akamtoa binti yake Aksa akaolewa naye.
Ary Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
14 Siku moja Aksa alipokuja kwa Othnieli, alimsihi Othnieli amwombe baba yake, Kalebu, shamba. Aksa aliposhuka kutoka juu ya punda wake, Kalebu akamuuliza, “Je, wataka nikufanyie nini?”
Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin’ ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao?
15 Akamjibu, “Naomba unifanyie jambo moja la hisani. Kwa kuwa umenipa ardhi huko Negebu, nipe pia chemchemi za maji.” Ndipo Kalebu akampa chemchemi za juu na za chini.
Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen’ i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
16 Wazao wa yule Mkeni, baba mkwe wa Mose, wakapanda pamoja na watu wa Yuda kutoka Mji wa Mitende, wakaenda kuishi miongoni mwa watu wa jangwa ya Yuda huko Negebu karibu na mji wa Aradi.
Ary ny taranak’ ilay Kenita, zaodahin’ i Mosesy dia niara-niakatra tamin’ ny taranak’ i Joda niala tao amin’ ny tanàna be rofia hankany an-efitr’ i Joda, atsimon’ i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin’ ny Isiraely.
17 Basi watu wa Yuda wakaenda na Wasimeoni ndugu zao kushambulia Wakanaani waishio Sefathi, nao wakauangamiza huo mji kabisa. Kwa hiyo huo mji ukaitwa Horma
Ary Joda nandeha niaraka tamin’ i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran’ ny tanàna nataony hoe Horma.
18 Watu wa Yuda wakatwaa pia Gaza, Ashkeloni na Ekroni, kila mji na vijiji vyake vinavyouzunguka.
Dia afak’ i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.
19 Bwana alikuwa pamoja na watu wa Yuda. Wakaimiliki nchi ya vilima, lakini hawakuweza kuwafukuza watu waliokaa katika hiyo tambarare, kwa sababu walikuwa na magari ya chuma.
Ary Jehovah nomba an’ i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin’ ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny.
20 Kama vile Mose alivyoahidi, Kalebu alipewa Hebroni, naye akawafukuza wana watatu wa Anaki.
Ary Hebrona dia nomeny an’ i Kaleba, araka izay efa nolazain’ i Mosesy, ka noroahin’ i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.
21 Hata hivyo, Wabenyamini walishindwa kuwafukuza Wayebusi, waliokuwa wanaishi Yerusalemu; hivyo hadi leo Wayebusi huishi humo pamoja na Wabenyamini.
Ary ny taranak’ i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ ny taranak’ i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
22 Basi nyumba ya Yosefu wakashambulia Betheli, naye Bwana alikuwa pamoja nao.
Ary ny taranak’ i Josefa dia niakatra koa hamely an’ i Betela; ary Jehovah nomba azy.
23 Walipotuma watu kwenda kupeleleza Betheli (ambao hapo kwanza uliitwa Luzu),
Dia naniraka hisafo an’ i Betela ny taranak’ i Josefa (Lozy no anaran’ ny tanàna taloha);
24 wale wapelelezi wakaona mtu anatoka mjini, nao wakamwambia, “Tuonyeshe jinsi ya kuingia mjini nasi tutakutendea wema.”
ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.
25 Hivyo akawaonyesha, nao wakaupiga mji kwa upanga lakini wakamhifadhi hai yule mtu na jamaa yake yote.
Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ny tanàna; fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha.
26 Yule mtu akaenda hadi nchi ya Wahiti, ambapo aliujenga mji na kuuita Luzu, ambao ndio jina lake hadi leo.
Ary nandeha ho any amin’ ny tanin’ ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka androany.
27 Lakini Manase hawakuwafukuza watu wa Beth-Shani na vijiji vyake, au watu wa Taanaki na vijiji vyake, au watu wa Dori na vijiji vyake, au watu wa Ibleamu na vijiji vyake, au watu wa Megido na vijiji vyake, lakini Wakanaani waliazimu kuishi katika nchi ile.
Ary Manase tsy nahafaka an’ i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian’ ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
28 Israeli walipopata nguvu, wakawatia Wakanaani katika kazi ya kulazimishwa, lakini kamwe hawakuwafukuza watoke kabisa.
Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita, fa tsy nandroaka azy rehetra izy.
29 Wala Efraimu hawakuwafukuza kabisa Wakanaani walioishi Gezeri, bali Wakanaani waliendelea kuishi humo miongoni mwao.
Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita, izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.
30 Vivyo hivyo Zabuloni hawakuwafukuza Wakanaani walioishi huko Kitroni, wala walioishi Nahaloli, ambao walibaki miongoni mwao; bali waliwatia katika kazi ya kulazimishwa.
Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
31 Wala Asheri hawakuwafukuza wale walioishi huko Ako, Sidoni, Alabu, Akzibu, Helba, Afeki wala Rehobu
Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika, na ny tany Rehoba;
32 na kwa sababu ya jambo hili Waasheri wakaishi miongoni mwa Wakanaani, wenyeji wa nchi.
fa nonina teo amin’ ny Kananita tompon-tany ny taranak’ i Asera, fa tsy nandroaka azy.
33 Wala Naftali hawakuwafukuza wale walioishi Beth-Shemeshi wala wale walioishi Beth-Anathi; lakini Naftali nao pia wakaishi miongoni mwa Wakanaani, wenyeji wa nchi, nao wale walioishi Beth-Shemeshi na Beth-Anathi wakawa watumishi wao katika kazi ya kulazimishwa.
Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin’ ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata.
34 Waamori wakawazuilia Wadani kwenye nchi ya vilima, kwa maana hawakuwaacha washuke kuingia kwenye sehemu tambarare.
Ary ny Amorita nanesika ny taranak’ i Dana ho any amin’ ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin’ ny tany lemaka,
35 Waamori pia wakaendelea kukaa katika Mlima Heresi, katika Aiyaloni na Shaalbimu, lakini mkono wa nyumba ya Yosefu ukawalemea, nao wakashindwa hata wakalazimika kuingia katika kazi ya kulazimishwa.
fa tian’ ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan’ ny taranak’ i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.
36 Mpaka wa Waamori ulikuwa kuanzia Genge la Akrabimu, kuendelea hadi Sela na kuelekea juu.
Ary ny fari-tanin’ ny Amorita dia hatramin’ ny fiakarana Akrabima ka hatramin’ ilay harambato no ho mankany.

< Waamuzi 1 >